Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 7, 23-28)

Ity no firenena tsy nihaino ny feon’Andriamanitra Tompony.

Izao no nolazain’ny Tompo:

“Ny amin’ny didy nomeko ny vahoakako,
dia izao no nolazaiko taminy.
Mihainoa ny feoko;
ary Izaho ho Andriamanitrareo,
ary ianareo ho vahoakako;
mizora amin’ny lalana rehetra handidiako anareo,
mba ho sambatra ianareo.
Kanefa izy ireo tsy nihaino na nanongilan-tsofina,
fa nandeha araka ny saim-pantany,
nanaraka ny hamafin’ny fo ratsiny;
nihemotra izy fa tsy nandroso.
Hatramin’ny andro nivoahan’ny razanareo tany Ejipta,
ka mandraka androany,
dia naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra ho any aminareo Aho,
naniraka azy vao maraina isan’andro Aho;
kanefa izy ireo tsy nihaino Ahy,
tsy nanongilan-tsofina:
fa nanamafy ny hatony,
nanao ratsy mihoatra ny razany aza.
Holazainao aminy izany rehetra izany,
nefa tsy hihaino anao izy;
hiantsoantso azy ireo ianao,
nefa tsy hamaly anao izy.
Ka dia izao no holazainao azy ireo:

‘Ity no firenena tsy nihaino ny feon’Andriamanitra Tompony,
sady tsy nety nino anatra;
very ny fahamarinana,
fa tsy eo am-bavany intsony.’

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 94, 1-2. 6-7. 8-9)

Enga anie ianareo anio hahaheno ny feon’ny Tompo, ary tsy hanamafy ny fonareo.

Avia! mifalia ka hobio ny Tompo,
Ilay vatolampy sy vonjintsika.
Andeha mankeo anoloany hisaotra,
hihira sy hiantsa ary hankalaza Azy.

Avia miondreha ary miankohofa.
Hitsaoka Ilay Tompo nanao antsika.
Fa Izy no tena Andriamanitsika:
isika vahoaka sy ondry fiandriny.

Aza dia mafy fo toy ny tany an’efitra,
toy ny tany Masà sy tany Meribà.
Ny razanareo dia nitsapa Ahy,
kanefa nahita ny asa vitako!

Evanjely

Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.

Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo; ary manaova fo vaovao sy saina vaovao.

Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 14-23)

Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa,
nandroaka demony ary moana izany demony izany.
Nony voaroaka ny demony dia niteny ilay moana,
ka gaga ny vahoaka;
fa ny sasany tamin’izay teo nanao hoe:

“I Belzeboba lehiben’ny demony no androahany ny demony.”

Ary ny sasany kosa naka fanahy Azy
ka nangataka famantarana avy any an-danitra taminy.
Fa i Jesoa nahalala ny heviny ka nanao taminy hoe:

“Rava izay fanjakana miady an-trano;
mianjera mifanongoa ny trano;
ka raha miady an-trano àry i Satana,
ahoana no haharetan’ny fanjakany?
satria lazainareo fa i Belzeboba no androahako ny demony.
Ary raha amin’ny herin’i Belzeboba àry no androahako ny demony,
amin’ny herin’iza kosa no androahan’ny zanakareo azy?
Koa izy ireo ihany no ho mpitsara anareo.
Fa raha ny rantsan-tanan’Andriamanitra no androahako ny demony,
dia efa tonga aminareo tokoa ny fanjakan’Andriamanitra.
Raha lehilahy matanjaka sy ary fiadiana tsara
no miambina ny tranony,
dia voaaro ny fananany rehetra;
fa raha tonga kosa ny mahery noho izy
ka mandresy azy,
dia sady hahalasa ny fiadiany rehetra izay nitokiany
no hizara izay nobaboiny.
Izay tsy momba Ahy, dia manohitra Ahy,
ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...