Vakiteny voalohany

Boky Deterônômy (Det. 4, 1. 5-9)

Hitandrina ny didy amam-pitsipiko ianareo, ary hanatanteraka izany amin’ny asa.

Tamin’izany andro izany,
niteny tamin’ny vahoaka i Môizy nanao hoe:

“Ankehitriny, ry Israely,
henoy ny didy amam-pitsipika atoroko,
hitandremanareo azy mba ho velona ianareo,
ka hiditra sy hanana ny tany
nomen’ny Tompo Andriamanitry ny razanareo anareo.
Efa notoroako didy amam-pitsipika ianareo
araka ny nandidian’ny Tompo ahy
hitandremanareo izany any amin’ny tany idiranareo hanananareo azy.
Koa tandremo sy tanteraho izany,
fa izany no saina amam-pahendrena ho anareo
eo imason’ny firenena izay handre izany lalàna rehetra izany,
ka ho vaky hoe:

‘Vahoaka hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena lehibe io!’

Fa iza tokoa moa no firenen-dehibe hanana andriamanitra akaiky azy,
tahaka ny maha-akaikintsika ny Tompo Andriamanitsika
isaky ny iantsoantsika Azy?
Ary zovy no firenen-dehibe manana didy amam-pitsipika marina,
toy izao lalàna ataoko eo anoloanareo anio izao?
Kanefa mitandrema tena ianao, ary tandremo tsara ny fanahinao,
fandrao manadino ny zavatra hitan’ny masonao,
na mamela azy hiala amin’ny fonao,
na dia indray andro amin’ny fiainanao aza,
fa ampianaro ny zanakao aman-jafinao izany.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo (Sal. 147, 12-13. 15-16. 19-20)

Ry mpanompon’ny Tompo, ankalazao ny Andriamanitrareo.

Ry Jerosalema, aoka ianao hiantsa,
derao Andriamanitra, ry Siôna!
Ilay manamafy ny vavahady
miahy ireo ankizy ao anatinao.

Mandefa ny didiny ho ety an-tany,
dia teny miriotra tsy hay tohaina;
mandatsaka oran-toa volon’ondry,
mamafy fanala mangasohaso.

Nametraka ny hafany ho an’i Jakôba,
ny didy aman-tsatany ho an’i Israely.
Tsy misy olon-kafa nomeny izany:
ny satany manko nafeniny azy.

Evanjely

Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.

Sambatra izay mitandrina ny tenin’Andriamanitra, amin’ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin’ny faharetana.

Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-19)

Izay hanatanteraka sy hampianatra ny didy dia ho lehibe amin’ny Fanjakan’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny Lalàna na ny Mpaminany,
tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka.
Fa lazaiko aminareo marina tokoa,
fa mandra-pahalevon’ny lanitra sy ny tany,
dia tsy hisy ho foana akory amin’ny Lalàna na dia “i” iray
na tendron-tsoratra iray akory aza,
mandra-pahatanterak’izy rehetra.
Koa amin’izany,
izay handika ny anankiray amin’ireo didy madinika indrindra ireo,
ka hampianatra ny olona toy izany,
dia ho kely indrindra amin’ny Fanjakan’ny lanitra;
fa izay hanatanteraka sy hampianatra ireo kosa
dia ho lehibe amin’ny Fanjakan’ny lanitra.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...