Vakiteny voalohany

Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 3, 25. 34-43)

Aoka ho voaray amin’ny fonay torotoro sy fanahy manetry tena izahay.

Tamin’izany andro izany,
nitsangana i Azariasa, nanao ity fivavahana ity,
ka niloa-bava tao afovoan’ny lelafo nanao hoe:

“Aza dia afoinao mandrakizay anie izahay noho ny amin’ny Anaranao,
ry Tompo Andriamanitry ny razanay,
ary aza dia esorinao aminay ny famindram-ponao,
noho ny amin’i Abrahama sakaizanao, sy i Isaaka mpanomponao ary i Israely masinao,
izay nampanantenainao hampitomboin-taranaka ho toy ny kintana eny an-danitra,
sy ny fasika eny amoron-dranomasina.
Fa efa nahena teo imason’ny firenena rehetra izahay, Tompo ô,
sady voaetry ankehitriny amin’ny tany rehetra, noho ny fahotana nataonay.
Amin’izao fotoana izao izahay tsy manana mpitondra na mpifehy,
na mpaminany, na sorona dorana, na sorona fanatitra, na emboka manitra,
na fitoerana hanateranay ny voaloham-bokatray eo anatrehanao ka hahitanay famindram-po.
Nefa, Tompo ô, aoka ho voaray ihany anie izahay
amin’izao fonay torotoro sy fanahy manetry tena,
toy ny andraisanao ireo sorona ondralahy aman’ombalahy na zanak’ondry matavy arivo;
aoka ho toy izany ny soronay ankehitriny eo anatrehanao, mbamin’ny fanekenay Anao,
fa tsy hahazo henatra izay mametraka ny fitokiany aminao.
Ankehitriny izahay manaraka Anao amin’ny fonay rehetra,
matahotra Anao sy mitady ny tavanao.
Aza atao fola-tana-manondro izahay,
fa ento araka ny hamoram-ponao, sy araka ny haben’ny famindram-ponao!
Vonjeo amin’ny fahagagana ataonao izahay,
ary omeo voninahitra ny Anaranao, Tompo ô!”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 24, 4bd-5ab. 6-7bd. 8-9)

Tsarovy ny indrafonao, ry Tompo.

Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy,
ny soritrao ampianaro ahy!
Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ry Tompo;
fa Ianao no Andriamanitra Mpamonjy ahy.

Tsarovy ny indrafo sy hatsaram-ponao,
izay efa hatramin’ny fahagola.
Ny otako fahazaza, ry Tompo,
hadinoy noho ny hatsaram-ponao!

Tsara sy mahitsy ny Tompo:
ka ny mpanota toroany lalana;
ny ory tarihiny amin’ny hitsiny,
ny ory ampianariny ny lalany.

Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!

Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy.

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 21-35)

Raha tsy samy mamela ny rahalahinareo inareo, dia tsy havelan’ny Rainareo koa.

Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa i Piera, ka nanao hoe:

“Tompoko, raha diso impiry amiko moa ny rahalahiko
no tokony hamela azy aho?
Hatramin’ny impito va?”

Dia hoy i Jesoa taminy :

“Izaho tsy milaza aminao hoe hatramin’ny impito,
fa hatramin’ny impitopolo fito.
Koa amin’izany ny fanjakan’ny lanitra
dia tahaka ny mpanjaka anankiray
izay te-hamotopototra ny toe-pananany amin’ny mpanompony;
ary raha vao nanomboka nanao izany izy,
dia nentiny teo aminy ny anankiray izay ananany talenta iray alina.
Ary noho izy tsy nanan-kaloa,
dia nasain’ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany,
mbamin’ny fananany rehetra, mba hanefana ny trosa.
Dia niankohoka ilay mpanompo,
ka nifona taminy nanao hoe:

‘Mba omeo andro aho, dia haloako daholo ny anao rehetra.’

Nangoraka ny fon’ilay tompon’izany mpanompo izany,
ka sady nandefa azy handeha no namoy ny trosa taminy.
Fa raha vao nivoaka ilay mpanompo,
dia tojo ity mpanompo namany anankiray izay ananany denie zato;
noraisiny tamin’ny tendany ilay io ka nokendainy nataony hoe:

‘Aloavy ny trosako any aminao.’

Niankohoka ilay namany, dia nifona taminy nanao hoe:

‘Mba omeo andro aho, dia haloako ny anao rehetra.’

Nefa tsy nety izy, fa lasa nampanao azy an-tranomaizina,
ambara-pandoany ny trosa.
Nalahelo loatra ny mpanompo sasany nony nahita izany,
ka lasa nilaza izany rehetra izany tamin’ny tompony.
Dia nampanalain’ny tompony izy, ka nilazany hoe:

‘Ry mpanompo ratsy fanahy,
efa nafoiko avokoa ny trosako rehetra taminao,
noho ianao nifona tamiko;
ka moa tsy tokony mba hamindra fo amin’ny namanao va ianao
tahaka ny namindrako fo taminao?’

Dia tezitra ny tompony, ka natolony ny mpampijaly izy,
ambara-pandoany ny trosa rehetra.
Dia ho tahaka izany koa no hataon’ny Raiko izay any an-danitra aminareo,
raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...