Vakiteny voalohany

Boky faharoan’ny Mpanjaka (2 Mpanj. 5, 1-15a)

Betsaka ny boka tao amin’i Israely nefa tsy nisy sitrana tamin’izy ireo afa-tsy i Naamàna Sirianina ihany.

I Naamàna, komandin’ny tafiky ny mpanjakan’i Siria,
dia lehilahy manam-pahefana sy tò teny eo amin’ny tompony,
fa izy no namonjen’ny Tompo ny Sirianina;
nefa boka izany lehilahy matanjaka sy mahery fo izany.
Fahizany kosa nisy Sirianina nanao andiany ka nivoaka,
ary nitondra zazavavy kely anankiray avy amin’ny tanin’i Israely,
izay tonga mpanompon’ny vadin’i Naamàna.

Ary hoy io tamin’ny tompovaviny:

“Raha mba any amin’ilay mpaminany any Samaria manko ny tompolahiko,
dia hositranin’ny mpaminany amin’ny habokàny tokoa!”

Ka lasa i Naamàna nilaza izany tamin’ny tompony, nanao hoe:

“Izao sy izao avy no nolazain’ilay zazavavy kely,
avy any amin’ny tanin’i Israely.”

Dia hoy ny mpanjakan’i Siria:

“Mankanesa any,
ary hampitondraiko taratasy ny mpanjakan’i Israely.”

Dia lasa izy, sady nitondra talenta volafotsy folo,
sy volamena enina arivo sikla, ary akanjo impolo miova.
Nateriny tamin’ny mpanjakan’i Israely ilay taratasy izay misy manao hoe:

“Rahefa tonga aty aminao àry ity taratasy itý
dia indro hofantarinao fa nirahiko ho aty aminao i Naamàna mpanompoko,
mba hositraninao amin’ny habokàny.”

Nony voavakin’ny mpanjakan’i Israely ny taratasy
dia norovitiny ny fitafiany, ka hoy izy:

“Izaho angaha Andriamanitra mahay mamono sy mamelona
no anirahan’ilay iny olona aty amiko hositraniko amin’ny habokàny?
Fantaro sy zahaonareo fa filàny ady amiko izao.”

Vao nandre i Elisea olon’Andriamanitra fa hoe:
norovitin’ny mpanjakan’i Israely ny fitafiany,
dia naniraka izy hilaza amin’ny mpanjaka hoe:

“Nahoana ianao no nandrovitra ny fitafianao?
Aoka hankatý amiko izy,
dia ho fantany fa misy mpaminany eto amin’i Israely.”

Dia nandeha i Naamàna mbamin’ny soavaly aman-kalesiny,
ka nijanona teo am-baravaran’ny tranon’i Elisea.
Olona no nirahin’i Elisea hilaza aminy hoe:

“Mandehana mandro impito ao Jordany
fa hody aminao indray ny nofonao,
ka hadio ianao.”

Tezitra i Naamàna, ka lasa niombotra nanao hoe:

“Indro aho manao anakampo hoe: hivoaka hankatý amiko izy,
ny tenany hiseho eo anatrehako hiantso ny Anaran’Andriamanitra Tompony
sy hanevaheva ny tanany eo ambonin’ny fery, dia hahasitrana ilay boka.
Tsy tsara noho ny ranon’i Israely rehetra va i Abanà sy i Farfara onin’i Damasa?
Tsy mahazo mandro ao amin’ireo va aho, ka hadio?”

Dia nihodina izy ka lasa niombotra an-katezerana.
Fa nanatona kosa ireo mpanompony, ka niteny taminy nanao hoe:

“Ry ikaky ô,
na zava-tsarotra aza no nasain’ny mpaminany hataonao,
moa tsy ho nataonao ihany va?
Ka mainka fa izao fotsiny no nataony taminao:
Mandroa, dia hadio ianao!”

Nidina izy ka nisitrika impito tao Jordany araka ny tenin’ny olon’Andriamanitra,
ary tonga toy ny nofon-jazakely indray ny nofony, ka nadio izy.
Dia niverina nankao amin’ilay olon’Andriamanitra izy
mbamin’izay rehetra nomba azy.
Ka nony tonga dia nandroso teo anatrehany, nanao hoe:

“Indro hitako tsara izao, fa tsy misy Andriamanitra amin’ny tany rehetra
afa-tsy eto amin’i Israely ihany!”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 41, 2. 3 ; 42, 3. 4)

Ny fanahiko mangetaheta an’Andriamanitra velona.

Mova tsy serfa izay lian-doharano,
ny foko efa liana ny Tompoko.
Mangetaheta ny Tompo ny foko,
dia ilay Andriamanitra velona.
Mba rahoviana aho re no handroso
hiseho anoloan’Andriamanitra?

Tsilovy aho hahita ny lalana,
tariho mba hahita azy marina.
Hitody any am-Bohitrao masina,
ilay toerana ataonao Fonenana.

Handroso aho, ry Tompo Andriamanitro,
higoka ny tena hasambarako.
Valiha no hanaraka ny hirako,
hidera ny Tompo Andriamanitro!

Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!

Aza manamafy ny fonareo ianareo anio, aoka hihaino ny feon’ny Tompo.

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 24-30)

Tahaka an’i Elia sy i Elisea dia tsy nirahina ho an’ny Jody fotsiny i Jesoa.

Tamin’izany andro izany,
raha tonga tany Nazareta i Jesoa,
dia niteny tamin’ny vahoaka tao amin’ny sinagôga nanao hoe:

“Lazaiko marina aminareo
fa tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy.
Ary lazaiko marina aminareo koa
fa maro no mpitondratena tamin’i Israely tamin’ny andron’i Elia,
raha nihantona telo taona sy enim-bolana ny orana
ka voan’ny mosary mafy ny tany rehetra,
nefa tamin’izy ireo tsy nisy nanirahana an’i Elia na dia anankiray aza
fa tamin’ilay vehivavy mpitondratena tany Sareptà
tany amin’ny tany Sidôna ihany;
ary be koa ny boka tao amin’i Israely tamin’ny andron’i Elisea mpaminany,
nefa tsy nisy sitrana na iray aza
fa i Naamàna Sirianina ihany.”

Dia tezitra mafy izay rehetra tao amin’ny sinagôga raha nandre izany,
ka tafatsangana nandroaka Azy hiala ao an-tanàna,
sady nitondra Azy tany an-tampon’ny tendrombohitra iorenan’ny tanànany
mba hazerany any an-tevana;
fa namaky teo afovoan’izy ireo Izy dia lasa.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...