Vakiteny voalohany
Bokin’i Mikea Mpaminany (Mik. 7, 14-15. 18-20)
Ario any ambany ranomasina ny fahotanay rehetra.
Ary nivavaka i Mikea mpaminany, ka nanao hoe:
“Andraso amin’ny tehinao ny vahoakanao, ry Tompo,
dia ny ondry lovanao, izay monina mitokana any an’ala, eo afovoan’i Karmela;
aoka hiraoka any Basàna sy any Galaada izy,
toy ny tamin’ny andro taloha.
Toy ny tamin’ny andro nivoahanao avy any amin’ny tany Ejipta,
anehoy zava-mahagaga izahay.
Iza no Andriamanitra tahaka Anao,
izay manesotra ny fahotana ary mamela fahadisoana an’izay sisa amin’ny lovanao?
Tsy mba ataonao mahery mandrakizay ny fahatezeranao fa ny mamindra fo no sitrakao.
Mamindrà fo aminay indray re ka hitsakitsaho ny faharatsianay.
Ario any ambany ranomasina ny fahotanay rehetra
ampisehoy amin’i Jakôba ny fahamarinanao,
sy amin’i Abrahama ny famindram-ponao;
izay efa nianiananao tamin’ny razanay hatramin’ny andro faha-taloha.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo (Sal. 102. 1-2. 3-4. 9-10. 11-12)
Mpamindra fo sy antra ny Tompo.
Isaory ny Tompo, ry fanahiko;
sy ny Anarany Masina, ry ato anatiko rehetra!
Isaory ny Tompo, ry fanahiko!
Aza misy hadinoina ny soa avy aminy!
Izy ilay mamela ny helokao rehetra,
manasitrana ny aretinao rehetra,
manavotra ny ainao amin’ny lavaka,
manototra hatsaram-po sy indrafo anao.
Tsy mba lalandava no ifandaharany,
na mandrakizay no irehetan’ny fony.
Tsy araka ny otantsika no ataony antsika!
na araka ny helotsika no avaliny antsika.
Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany,
no haben’ny hatsaram-pony amin’izay matahotra Azy.
Tahaka ny ifanalaviran’ny Atsinanana sy Andrefana
no analavirany amintsika ny hadisoantsika.
Evanjely
Voninahitra ho Anao, ry Kristy, Tenin’Andriamanitra.
Hitsangana aho ho any amin’ny raiko, ka hanao aminy hoe: “Dada ô, nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho.”
Voninahitra ho Anao, ry Kristy, Tenin’Andriamanitra.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 15, 1-3. 11-32)
Io rahalahinao io dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray.
Tamin’izany andro izany,
nanatona hihaino an’i Jesoa ny poblikanina sy ny mpanota,
ka nimonjomonjo ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna nanao hoe:
“Ilay ity mandray ny mpanota sy miara-mihinana aminy.”
Dia nanao ity fanoharana ity tamin’izy ireo i Jesoa nanao hoe:
“Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka mirahalahy,
ka hoy ilay zandriny tamin-drainy:‘Dada ô, omeo ahy ny anjara fananana tokony ho ahy.’
Dia nozarainy tamin’izy roa lahy ny fananany.
Nony afaka andro vitsivitsy,
dia nangonin’ilay zandriny ny fananany rehetra
ka lasa nankany an-tany lavitra izy nandany ny fananany
tamin’ny fitondran-tena ratsy.
Rahefa laniny avokoa ny fananany rehetra,
dia nisy mosary lehibe tamin’izany tany izany ka nahantra izy.
Dia lasa ny anao nikarama tamin’ny tompon-tany anankiray
hiandry kisoa tany an-tsaha.
Naniry hivoky ny hodi-boan-javatra nohanin’ny kisoa izy,
fa tsy nisy nanome azy.
Izay vao nody ny sainy ka hoy izy:‘Firifiry akory moa ny mpikaraman’i dada no manan-kanina be,
nefa izaho kosa ity maty noana aty!
Hitsangana aho ho any amin’ny raiko ka hanao aminy hoe:
Dada ô! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho,
ka tsy mendrika hantsoina hoe zanakao intsony;
fa mba ataovy tahaka ny anankiray amin’ny mpikaramanao re aho.’Dia niainga izy ka lasa nankany amin-drainy.
Mbola lavitra kosa izy, dia nahatazana azy rainy,
ka onena nidodododo nitsena azy,
namihina ny vozony sy nanoroka azy.
Dia hoy ity zanany taminy:‘Dada ô! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho,
ka tsy mendrika hantsoina ho zanakao intsony.’Fa hoy rainy tamin’ny mpanompony:
‘Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy,
asio peratra ny rantsan-tanany, kiraroy ny tongony,
ary ento ny zanak’omby matavy ka vonoy,
dia aoka hihinana sy hifaly isika,
fa ity zanako ity dia maty ka velona indray,
ary very ka hita indray.’Dia nifaly izy rehetra.
Sendra tany an-tsaha kosa ny zanany lahimatoa tamin’izay.
Nony nody izy sy mby teo akaikin’ny trano,
dia nandre zava-maneno sy dihy,
ka niantso ankizilahy anankiray sy nanontany azy izay anton’izany.
Dia hoy ilay mpanompo taminy:‘Tonga ny rahalahinao, ka namono zanak’omby matavy rainao,
satria tafaverina soa aman-tsara izy.’Dia tezitra izy, ka tsy nety niditra,
ary nivoaka rainy hampandroso azy.
Fa hoy ny navaliny an-drainy:‘Indro efa ela no nanompoako anao,
ary tsy mbola nandika ny didinao akory aho,
nefa tsy mbola mba nomenao zanak’osy iray akory
hifaliako amin’ny sakaizako;
fa nony tonga kosa io zanakao io
izay avy nandany ny fananany tamin’ny vehivavy janga,
dia namonoanao zanak’omby matavy izy.’Fa hoy rainy taminy:
‘Ianao, anaka, dia eto amiko mandrakariva
ka anao avokoa izay rehetra ananako;
fa mety kosa ny manao fihinanam-be sy fifaliana,
satria io rahalahinao io,
dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray.’”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.