Vakiteny voalohany
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 58, 9b-14)
Raha manome ny haninao ho an’ny noana Ianao, dia hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao.
Izao no lazain’ny Tompo:
“Raha esorinao tsy ho eo aminao intsony ny jioga,
ny fanambanana sy ny teny manala baràka;
raha manome ny haninao ho an’ny noana ianao,
sy mamoky ny fanahy miferin’aina;
hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao;
hamirapiratra hoatra ny mitataovovonana ny haizinao:
ary ny Tompo hitari-dalana anao mandrakizay,
sy hamoky ny fanahinao eny amin’ny tany karankaina;
ary hanome hery ny taolanao.
Ho tahaka ny zaridaina tsara tondraka ianao
sy ho tahaka ny loharano velona tsy manam-paharitana.
Ny taranakao hanorina indray ny rava ela;
ianao hanangana ny fanorenana nalatsaka fahagola;
ny olona hiantso anao hoe:
Mpamboatra ny banga,
mpamelon-dalana hahatonga ny tany ho azo honenana.
Raha fadìnao ny manitsakitsaka ny sabata,
amin’ny fanaovana ny raharahanao amin’ny androko masina,
raha ny sabata no antsoinao hoe: fahafinaretana,
sy ny andro masin’ny Tompo hoe: mendrika hohajaina.
Koa manajà azy amin’ny tsy fanarahana ny lalanao,
sy tsy fanaovana ny raharahanao, na ny teniteny foana;
dia hahita fahafinaretana ao amin’ny Tompo ianao amin’izany;
sady hasandratro toy ny mpandresy,
eo amin’ny avo amin’ny tany,
sy hampiaraniko amin’ny lovan’i Jakôba rainao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo (Sal. 85, 1-2. 3-4. 5-6)
Tariho amin’ny lalanao aho, ry Tompo.
Mba henoy sy valio aho, ry Tompo,
fa dia ory sy mahantra re ity izaho!
Ity sakaizanao mifikitra aminao:
mba arovy sy tsimbino lalandava.
Amindrao fo hatrany re, ry Tompo,
fa Ianao no efa antsoiko isan’andro.
Ity fanahiko asandrato aminao,
dia ho dibo-kafaliana re ny foko.
Tsara fo sady antra Ianao, ry Tompo:
he! tianao ireo matoky miantso Anao.
Mitalaho an-tanan-droa aho ka henoy:
izany antso sy talahoko reneso.
Evanjely
Voninahitra sy dera anie ho anao, ry Kristy!
Ankehitriny, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra Aho.
Voninahitra sy dera anie ho anao, ry Kristy!
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 27-32)
Tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota hibebaka.
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nahita poblikanina anankiray atao hoe Levi,
nipetraka teo amim-pamonan-ketra, ary hoy Izy taminy:
“Manaraha Ahy.”
Dia nafoiny ny zavatra rehetra, ka nitsangana nanaraka Azy izy.
Nanao fanasana lehibe ho Azy tao an-tranony i Levi,
ary nisy poblikanina sy olon-kafa betsaka koa niara-nihinana taminy tao.
Nimonjomonjo ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna
ka nanao tamin’ny mpianany hoe:
“Nahoana no miara-mihinana sy misotro
amin’ny poblikanina sy ny mpanota ianareo?”
Fa novalian’i Jesoa hoe:
“Tsy ny finaritra no mila dokotera, fa ny marary.
Tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota hibebaka.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.