Vakiteny voalohany
Bokin’i Siraka (Eklesiastika 17, 1-13)
Nataon’Andriamanitra mitovy endrika aminy ny olombelona.
Nataon’Andriamanitra tamin’ny tany ny olombelona, ary asainy hiverina amin’ny tany izy.
Andro voaisa sy fotoa-manam-petra no naraikiny ho an’ny olombelona,
ary nomeny fahefana amin’ny zavatra ety an-tany izy.
Nomeny hery araka ny toetrany izy, ary nataony mitovy endrika aminy.
Nasiany fahatahorana Azy ny nofo rehetra,
ary nomeny fanjakana amin’ny biby amam-borona izy.
Ny olombelona dia nomeny fahalalana, lela, maso, sofina sy fo hihevitra.
Nofenoiny fahaizana amam-pahalalana izy; ary nampahalalainy ny tsara sy ny ratsy.
Nataony tao ampon’izy ireo ny masony, hanehoany amin’izy ireo, ny halehiben’ny asany
mba hiderany ny Anarany masina, amin’ny fitoriany ny zava-mahagaga amin’ny asany.
Nomeny azy ireo koa ny fahaizana, ary nampanana azy ny lalàn’ny fiainana Izy.
Nanao fanekena mandrakizay tamin’izy ireo Izy, ary nanambara ny didiny taminy.
Ny mason’izy ireo nibanjina ny famirapiratan’ny voninahiny;
ny sofiny nandre ny fikarantsan’ny feony mahatalanjona.
Ary izao no nolazainy taminy:
“Mitandrema tena ianareo amin’ny tsy fahamarinana rehetra”;
dia samy nomeny didy ny amin’ny namana avy izy ireo.
Eo anatrehany mandrakariva ny lalan’izy ireo;
tsy misy mahafina izany tsy ho hitany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 102, 13-14. 15-16. 17-18a
Ny hatsaram-pon’ny Tompo dia mandrakizay amin’izay matahotra Azy.
Tahaka ny fangoraky ny ray ny zanany,
no angorahan’ny Tompo an’izay matahotra Azy!
Fa Izy mahalala ny nanaovana antsika:
tsarovy tokoa fa vovoka isika.
Ny olombelona ve? Toy ny ahitra ny androny;
mba mamony toy ny vonin-javatra eny an-tsaha:
kanjo tonga ny rivotra, dia tsy misy intsony,
tsy fantatry ny toerany intsony!
Fa ny hatsaram-pon’ny Tompo
dia mandrakizay amin’izay matahotra Azy
sy amin’ny dimbin’ireo,
amin’izay mitandrina ny fanekeny.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao Aho, ry Raiko Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 13-16)
Na iza na iza tsy handray ny Fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zazakely dia tsy hiditra any.
Tamin’izany andro izany,
nisy nitondra zazakely maromaro mba hametrahan’i Jesoa tanana,
nefa notenenin’ny mpianatra mafy ireo nitondra;
ka tezitra i Jesoa nony nahita izany sady nanao taminy hoe:
“Avelao hanatona Ahy ny zaza, fa aza raranareo,
satria ny toa azy no hanana ny Fanjakan’Andriamanitra.
Lazaiko marina aminareo,
fa na iza na iza tsy handray ny Fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zazakely,
dia tsy hiditra any.”
Dia nofihininy izy ireo, sy nametrahany tanana, ary notsofiny rano.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.