Vakiteny voalohany
Bokin’i Siraka (Eklesiastika 4, 11-19)
Tiavin’ny Tompo ireo tia ny fahendrena.
Manandratra ny zanany ny fahendrena, ary miahy an’izay mikatsaka azy izy.
Izay tia azy, tia fiainana;
ary izay maimay hikatsaka azy, dia feno hafaliana.
Izay misambotra azy dia ny voninahitra no anjarany,
ary amin’izay rehetra hidirany dia hitsofan’ny Tompo rano azy avokoa.
Izay manompo azy manompo ny Masina, ary izay tia azy, tia ny Tompo.
Izay mihaino azy, hitsara ny firenena;
ary izay manatona azy honina fahizay.
Izay matoky azy, hanana azy ho anjarany, ary ny taranany, hitana ny fananana azy.
Satria amin’ny voalohany izy, miara-mandroso amin’ny lalan-tsarotra miaraka aminy;
mampiavy tahotra aman-korohoro aminy izy;
mampijaly azy amin’ny fifehezana mafy, mandra-pitsapany azy, amin’ny didiny.
Fa nony efa izany, dia miverina aminy amin’ny lala-mahitsy indray izy,
ka mampifaly azy sy mamboraka ny zava-miafiny aminy.
Raha mania anefa izy, dia ilaozany, sy avelany hahita loza.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 118, 165 sy 168. 171 sy 172. 174 sy 175
Fiadanam-be ny an’izay tia ny lalanao, ry Tompo.
Fiadanam-be ho an’izay tia ny lalànao
ary tsy mba misy mahatafintohina azy!
Voatandriko ny lahatrao sy ny Fanambarànao:
eo anoloanao avokoa ny lalako rehetra.
Hidera Anao anie ny molotro:
satria ampianarinao ahy ny fitsipikao!
Hiventy ny didinao anie ny lelako:
satria rariny avokoa ny baikonao rehetra!
Liana ny famonjenao aho, ry Tompo;
ny lalànao no firavoako!
Veloma anie ny aiko hiderako Anao!
Ary hitahy ahy anie ny Fitsaranao!
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Mitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy; isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 37-39)
Izay tsy manohitra antsika, dia momba antsika.
Tamin’izany andro izany, niteny tamin’i Jesoa i Joany nanao hoe:
“Mpampianatra ô,
nahita olona anankiray nandroaka demony amin’ny Anaranao izahay;
nefa tsy namantsika ka noraranay.”
Fa hoy i Jesoa:
“Aza raranareo izy;
fa tsy misy olona hanao fahagagana amin’ny Anarako ka hanaratsy Ahy vetivety foana.
Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.