Vakiteny voalohany
Boky voalohan’i Samoela (1 Sam. 26, 2. 7-9. 12-13. 22-23)
Natolotry ny Tompo teo an-tanako ianao, nefa tsy nety naninjitra ny tanako aho.
Tamin’izany andro izany dia nitsangana i Saola, ka nidina nankany an’efitr’i Zifa,
mbamin’ny telo arivo lahy, voafantina tamin’i Israely
hitady an’i Davida any an’efitr’i Zifa.
Alina no nahatongavan’i Davida sy i Abisaï tany amin’ny vahoaka;
ary inty i Saola nandry tao afovoan’ny toby ka natory,
ary ny lefony nitsatoka amin’ny tany teo anilan’ny ondany.
I Abnera sy ny vahoaka mandry manodidina azy.
Dia hoy i Abisaï tamin’i Davida:
“Voahidin’ny Tompo eo an-tananao ity ny fahavalonao anio,
ka ankehitriny mba avelao kely re hasiako amin’ny lefona izy
dia hataoko miboroaka amin’ny tany amin’ny indray mamely monja,
fa tsy hiverenako fanindroany.”
Fa hoy i Davida tamin’i Abisaï:
“Aza mamono azy!
Fa iza moa no haninji-tanana amin’ny voahosotry ny Tompo,
ka ho afa-maina tsy ho voasazy?”
Dia nalain’i Davida ny lefona sy ny siny fitoeran-drano teo anilan’ny ondan’i Saola,
dia nandeha izy ireo.
Tsy nisy olona nahita azy, tsy nisy nahalala, tsy nisy nahatsiaro,
fa natory daholo izy rehetra, fa nandatsahan’ny Tompo torimaso nandrenoka azy izy ireo.
Niampita tany an-dafy i Davida,
ka nijanona lavitra teo antampon’ny tendrombohitra
nisy elanelany lavitra nampisaraka azy roa tonta.
Niteny i Davida nanao hoe:
“Indro ny lefona, ry mpanjaka.
Ny iray amin’ny zatovonao no aoka haka azy ety.
Samy hovalian’ny Tompo araka ny fahitsiana amam-pahamarinany avy;
fa efa natolotry ny Tompo teo an-tanako ianao androany
nefa tsy nety naninjitra ny tanako tamin’ny voahosotry ny Tompo Aho.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo fandinihana
Sal. 102. 1-2. 3-4. 8 sy 10. 12-13
Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo.
Isaory ny Tompo, ry fanahiko;
ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra!
Isaory ny Tompo, ry fanahiko;
ny soa avy aminy aza misy hadinoina.
Izy ilay mamela ny helokao rehetra,
sy manasitrana ny aretinao rehetra,
manavotra ny sainao amin’ny hady,
manototra fitiavana sy indrafo anao.
Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be fitiavana;
tsy mba lalandava no ifandaharany,
na mandrakizay no ahatezerany.
Tsy araka ny otantsika no ataony antsika,
na araka ny helotsika no avaliny antsika.
Ny hadisoantsika halaviriny amintsika.
Tahaka ny ray mangoraka ny zanany,
no angorahan’ny Tompo an’izay matahotra Azy.
Vakiteny faharoa
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 15, 45-49)
Toy ny nitondrantsika ny endriky ny tany no hitondrantsika ny endriky ny lanitra koa.
Ry kristianina havana:
i Adama, lehilahy voalohany, natao aina mahavelona;
fa i Adama faharoa kosa natao fanahy mahavelona.
Tsy ny ara-panahy anefa no natao voalohany,
fa ny manana aina fotsiny, vao ny ara-panahy.
Avy amin’ny tany ny olona voalohany, ka tany;
fa avy amin’ny lanitra kosa ny olona faharoa, ka lanitra.
Manahaka ny tany izay rehetra tany;
ary manahaka ny lanitra izay rehetra lanitra.
Ary toy ny nitondrantsika ny endriky ny tany
no hitondrantsika ny endriky ny lanitra koa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 27-38)
Aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo mpamindra fo ianareo.
Tamin’izany andro izany, dia niteny tamin’ny mpianany i Jesoa nanao hoe:
“Izao no lazaiko aminareo izay mihaino Ahy:
Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa amin’izay mankahala anareo,
misaora an’izay manozona anareo ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo.
Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny ilany;
ary raha misy maka ny lambanao, aza sakanana na halainy mbamin’ny akanjonao aza.
Omeo izay rehetra mangataka aminao,
ary raha misy mifaoka ny anananao, dia aza mitaky izany aminy intsony.
Izay tianareo hataon’ny olona aminareo, no mba ataovy amin’ny olona koa.
Raha izay tia anareo ihany no tianareo, fankasitrahana inona no tokony ho anareo?
Fa na dia ny mpanota aza tia izay tia azy koa.
Raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa, fankasitrahana inona moa no tokony ho anareo?
Ary raha izay antenainareo hanonitra ihany no ampisamborinareo, fankasitrahana inona moa no tokony ho anareo?
Fa na dia ny mpanota koa aza, mampisambotra ny mpanota ihany, mba handraisany toraka izany.
Fa ianareo kosa,
tiavo ny fahavalonareo, manaova soa ary mampisambora tsy manantena valiny:
dia ho lehibe ny valisoanareo, ary ianareo ho zanaky ny Avo indrindra,
dia Ilay tsara fo amin’ny tsy mpankasitraka sy ny ratsy fanahy.
Aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo mpamindra fo ianareo.
Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo;
aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo;
mamelà, dia havela ianareo.
Manomeza, dia homena ianareo;
fatra tsara, mifatratra, sady mihintsana no avo loha no homena ho ao ampofoanareo:
fa izay famarana namaranareo ihany no hamarana ho anareo koa”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.