Vakiteny voalohany
Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 5, 14-21)
Mihaino antsika Andriamanitra na inona na inona angatahintsika aminy.
Ry malala, izao no toky lehibe ananantsika eo anatrehan’Andriamanitra:
raha mangata-javatra araka ny sitra-pony isika, dia mihaino antsika Izy.
Ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy,
dia fantatsika koa fa na inona na inona angatahintsika aminy dia azontsika.
Raha misy mahita ny rahalahiny manao fahotana tsy ho amin’ny fahafatesana,
aoka hivavaka ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy ny fiainana,
dia an’izay manota tsy ho amin’ny fahafatesana.
Misy fahotana ho amin’ny fahafatesana;
tsy mba ny amin’izany no ilazako hoe tokony hivavaka.
Fahotana avokoa ny tsy fahamarinana rehetra,
fa misy fahotana tsy ho amin’ny fahafatesana.
Fantatsika fa izay rehetra naterak’Andriamanitra dia tsy manota,
fa miaro tena izay naterak’Andriamanitra, ka tsy mikasika azy ilay Ratsy.
Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika,
ary izao tontolo izao kosa mipetraka ao amin’ilay Ratsy avokoa.
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra, ka nanome fahazavan-tsaina antsika,
mba hahalalantsika an’Andriamanitra marina;
ary ao amin’izany Andriamanitra marina izany isika,
satria ao amin’i Jesoa Kristy Zanany izay Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.
Anaka, tandremo fandrao manompo sampy ianareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 149, 1-2. 3-4. 5 sy 6a sy 9b
Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany.
Ihirao hira vao ny Tompo!
Derao ao am-piangonan’ny mpivavaka Izy!
I Israely aoka hifaly amin’Ilay nanao azy;
ny zanak’i Siôna hiravo amin’ilay Mpanjakany.
Aoka hidera ny Anarany amin-dihy,
hiantsa Azy amin’amponga sy lokanga!
Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany;
ravahany fandresena ny ory!
Ny mpivavaka aoka hientana ny voninahiny,
sy hanao hobin-kafaliana ara-pomba:
am- bava fankalazana an’Andriamanitra
no voninahitry ny mpivavaka aminy rehetra.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Ny olona nitoetra tao amin’ny maizina, dia nahita fahazavana lehibe; ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny mazava.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 22-30)
Faly ny sakaizan’ny mpampakatra raha mihaino ny feony.
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa sy ny mpianany, dia nankany amin’ny tanin’i Jodea
ary niara-nitoetra tamin’izy ireo tany Izy sady nanao batemy ny olona.
I Joany koa nanao batemy tany Enôna akaikin’ny Salîma, fa be rano tao,
ka nanatona ny olona sy nataony batemy;
fa tsy mbola natao tao an-tranomaizina i Joany.
Ary nifanditra tamin’ny Jody anankiray ny amin’ny fanadiovana ny mpianatr’i Joany,
ka nankany amin’i Joany ny mpianany nanao taminy hoe:
“Raby, Ilay teny aminao, teny an-dafin’i Jordany, izay nambaranao manko,
ka indro manao batemy koa ary mankany aminy ny olona rehetra.”
Dia namaly i Joany ka nanao hoe:
“Tsy mahazo mandray na inona na inona ny olona
raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany.
Ary ianareo ihany no vavolombelon’ny nilazako hoe:
Tsy i Kristy aho, fa nirahina hialoha Azy.
Izay manana ny ampakarina no mpampakatra,
fa ny sakaizan’ny mpampakatra izay mitsangana eo sy mihaino azy,
dia faly tokoa mandre ny feon’ny mpampakatra;
ary izany hafaliana izany no tanteraka amiko.
Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.