Vakiteny voalohany
Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 4, 19 — 5, 4)
Izay tia an’Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa.
Ry malala,
aoka ho tia an’Andriamanitra isika fa Izy no efa tia antsika taloha.
Raha misy milaza azy ho tia an’Andriamanitra, nefa mankahala ny rahalahiny,
dia mpandainga izy,
satria, raha ny rahalahiny hitany aza tsy tiany,
hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra tsy hitany?
Sady izao no didiny efa azontsika;
izay tia an’Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa.
Izay rehetra mino fa i Jesoa no Kristy, dia naterak’Andriamanitra;
ary izay rehetra tia Ilay niteraka Azy, dia tia Azy naterany koa.
Ny marika ahafantarantsika fa tia ireo zanak’Andriamanitra isika,
dia ny fitiavantsika an’Andriamanitra, sy ny fitandremana ny didiny.
Fa ny fitandremana ny didiny no fitiavana an’Andriamanitra,
ary tsy mavesatra ny didiny,
satria izay naterak’Andriamanitra dia mandresy an’izao tontolo izao,
ary ny fandresena izay naharesy an’izao tontolo izao dia ny finoantsika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 71, 2. 14 sy 15bd. 17
Hiankohoka aminao, ry Tompo, ny firenena rehetra.
Andriamanitry ny fahamarinana ô!
mba tolory ny andriana mpanapaka
sy ny zanak’andriana ho dimbiny
ny fahaiza-mitsara ara-drariny.
Izy hanala amin’ny herisetra,
fa ny rany sarobidy tokoa.
Ranombavaka anie homba azy,
rary soa mandritra ny andro.
Ny anarany ankalazaina sy haharitra toy ny masoandro!
Ary indro atao fitahiana
ireo foko manerana an-tany.
Ary izy no ho reharehan’ireo mponin’ny tany tontolo.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Mpaminany lehibe no efa niseho eto amintsika, ary Andriamanitra efa namangy ny olony
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 14-22a)
Androany no efa tanteraka ny Soratra.
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia nentin’ny herin’ny Fanahy niverina tany Galilea indray,
ary niely tamin’ny tany manodidina rehetra ny lazany.
Nampianatra tao amin’ny sinagôgan’izy ireo Izy, ka nankalazain’izy rehetra.
Nony tonga tany Nazareta tanàna nahabe Azy Izy,
dia niditra tao amin’ny sinagôga araka ny fanaony tamin’ny andro sabata,
ary nitsangana hanao ny famakian-teny.
Natolotra Azy ny bokin’i Izaia Mpaminany,
ka nony novelariny dia hitany ny teny voasoratra hoe:
“Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo,
fa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy
sy naniraka Ahy hankahery ny torotoro fo,
hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba,
hanafaka izay nampahoriana ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo
sy ny andron’ny famaliana.”
Nony nahorony ny boky dia naveriny tamin’ny mpitandrina ka nipetraka Izy,
ary nifantoka tany aminy avokoa ny mason’izy rehetra tao amin’ny sinagôga.
Dia rafitra niteny taminy indray i Jesoa nanao hoe:
“Androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany Soratra izany.”
Ary nankalaza Azy izy rehetra,
sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.