Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 4, 7-10)

Andriamanitra dia fitiavana.

Ry malala, aoka hifankatia isika,
fa ny fitiavana dia avy amin’Andriamanitra,
ary izay rehetra tia dia avy amin’Andriamanitra, sy mahalala an’Andriamanitra.
Izay tsy tia dia tsy mahalala an’Andriamanitra,
satria Andriamanitra dia fitiavana.
Ary nampiseho ny fitiavany antsika Izy,
tamin’ny nanirahany ny Zanany Lahitokana ho eo amin’izao tontolo izao,
mba hahavelona antsika amin’ny alalany.
Ary toy izao izany fitiavana izany:
tsy isika no tia an’Andriamanitra rahateo, fa Izy no tia antsika mialoha,
sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana antsika amin’ny fahotantsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 71, 2. 3-4ab. 7-8

Hiankohoka aminao, ry Tompo, ny firenen-drehetra.

Andriamanitry ny fahamarinana ô!
mba tolory ny andriana mpanapaka
sy ny zanak’andriana ho dimbiny
ny fahaiza-mitsara ara-drariny.

Ka ny vohitra hitrotro fiadanana,
ny havoana hivimbina ny hitsiny;
ny mahantra sy ny ory hotsimbininy,
ny mpamoritra kosa hofongorana.

Amin’ny androny hamony ny rariny,
ary mandra-pahafatin’ny volana;
ranomasina no ho sisin-taniny,
ary ny ony no ho valam-parihiny.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 34-44)

Teo am-pampitomboana ny mofo dia niseho ho toy ny mpaminany i Jesoa.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nahita vahoaka betsaka ka nangoraka azy,
satria tahaka ny ondry tsy manam-piandry izy ireo;
dia nampianatra azy zavatra maro Izy.
Nony hariva ny andro dia nanatona Azy ny mpianany nanao hoe:

“Ny tany efitra;
ny andro efa hariva, ka alefaso ny olona handeha hividy hanina
any amin’ny tanàna sy ny vohitra manodidina.”

Fa izao no navaliny azy ireo:

“Omeonareo hanina izy.”

Ka hoy ireo taminy:

“Handeha hividy mofona denie roanjato va izahay ka homenay azy hohaniny?”

Ary hoy Izy taminy:

“Manana mofo firy ianareo? Mandehana hoe zahao.”

Ary rahefa nozahany, dia hoy izy:

“Mofo dimy sy hazandrano roa.”

Dia nasainy hampipetraka ny olona rehetra
hatao antokotokony eny amin’ny ahi-maitso izy ireo;
ka nipetraka mitsitokotoko izy, ny sasany zato, ary ny sasany dimampolo.
Dia noraisiny ny mofo sy ny hazandrano roa,
ary niandrandra ny lanitra Izy, ka nitsodrano.
Rahefa izany novakìny ny mofo dia nomeny ny mpianany
mba harosony eny anoloan’ny olona,
ary nozarainy tamin’izy rehetra koa ny hazandrano roa.
Dia nihinana izy rehetra ka voky;
ary ny sombintsombin’ny mofo sy ny hazandrano sisa tsy lany
nahafeno sobiky roa ambin’ny folo ka nentiny nody.
Dimy arivo lahy anefa no isan’ny nihinana tao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...