Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 3, 22 — 4, 6)

Zahao toetra ny fanahy raha avy amin’Andriamanitra na tsia.

Ry malala, na inona na inona angatahintsika amin’Andriamanitra dia ho azontsika,
satria mitandrina ny didiny sy manao izay tsara eo imasony isika.
Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika an’i Jesoa Kristy Zanany,
sy ny hifankatiavantsika araka ny didy nomeny antsika.
Izay mitandrina ny didiny, dia mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ho ao aminy;
ary ny ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy,
dia ny Fanahy izay nomeny antsika.
Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra,
fa zahao toetra ny fanahy raha avy amin’Andriamanitra na tsia;
satria maro ny mpaminany sandoka efa miely amin’izao tontolo izao.
Izao no ahafantarana ny Fanahy avy amin’Andriamanitra:
ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga nofo i Jesoa Kristy dia avy amin’Andriamanitra.
Ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an’i Jesoa, dia tsy mba avy amin’Andriamanitra,
fa fanahin’ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy,
sady efa tonga eo amin’izao tontolo izao sahady aza ankehitriny.
Avy amin’Andriamanitra ianareo, anaka, sady efa nandresy an’ireny,
satria lehibe izay ao aminareo noho izay ao amin’izao tontolo izao.
Avy amin’izao tontolo izao izy ireny,
ka izany no anaovany fitenin’izao tontolo izao, sy ihainoan’izao tontolo izao azy.
Fa izahay kosa dia avy amin’Andriamanitra, ka izay mahalala an’Andriamanitra no mihaino anay;
fa izay tsy avy amin’Andriamanitra tsy mba mihaino anay;
izany no ahafantarantsika izay Fanahin’ny fahamarinana,
sy izay fanahin’ny hadisoan-kevitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 2, 7-8. 10-11

Homeko ho lovanao ireo firenena.

Ambarako ny didin’ny Tompo:
“Zanako ianao, hoy Izy tamiko:
Izaho niteraka anao androany!
Angataho amiko fa omeko ho lovanao ireo firenena,
sy ho fanananao ny faran’ny tany.”

Mahafantara, ianareo mpanjaka,
mahalalà, ry mpitsara ny tany!
Tompoy amin-tahotra ny Tompo,
orohy amin-kovitra ny tongony.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina dia nahita fahazavana lehibe, ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny mazava.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 4, 12-17. 23-25)

Efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany,
nony ren’i Jesoa fa natao an-tranomaizina i Joany,
dia lasa Izy nankany Galilea;
ka nony niala tany Nazareta dia tonga tao Kafarnaôma,
tanàna amoron-dranomasina ao amin’ny sisin-tanin’i Zabolôna sy Neftali ka nonina tao,
mba ho tanteraka ny teny nolazain’i Izaia Mpaminany hoe:

“Ny tanin’i Zabolôna sy ny tanin’i Neftali,
ny lalana ao amoron-dranomasina, any an-dafin’i Jordany, Galilean’ny Jentily:
ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina dia nahita fahazavana lehibe,
ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana
no niposahan’ny mazava.”

Hatramin’izay dia nanomboka nitory teny i Jesoa ka nanao hoe:

“Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.”

Ary i Jesoa nitety an’i Galilea manontolo,
nampianatra tao amin’ny sinagôgan’ny olona,
sy nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra,
ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona.
Dia niely eran’i Siria manontolo ny lazany,
ka nentin’ny olona tany aminy ny marary rehetra
izay azon’ny aretina sy ny fijaliana samihafa,
dia ny mararin-javatra, ny mararin’ny androbe, ny malemy, ka nositraniny ireny.
Ary be ny vahoaka avy tany Galilea sy Dekapôly sy Jerosalema sy Jodea
ary avy tany an-dafin’i Jordany, no nanaraka Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...