Vakiteny voalohany
Boky Fanambarana nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apôk. 11, 4-12)
Nampijaly ny mponina tetý ambonin’ny tany ireo mpaminany roa ireo.
Izao no nambara tamiko, izaho Joany:
Indreo misy vavolombelona roa; izy ireo no fototr’ôliva roa sy fanaovan-jiro roa,
izay mitsangana eo anatrehan’ny Tompon’ny tany.
Ka raha misy te-hanisy ratsy azy ireo,
dia hisy afo mivoaka avy any am-bavany handevona ny fahavalony,
ary hovonoina toy izany avokoa izay mitady hamely azy.
Manam-pahefana hanidy ny lanitra izy ireo
mba tsy hilatsahan’ny ranonorana amin’ny andro haminaniany;
sady manam-pahefana amin’ny rano koa izy,
ka mahova azy ho ra sy hamely ny tany amin’ny loza rehetra isaky ny te-hanao izany izy.
Ary rahefa vita ny fanambaràn’izy ireo,
dia hiady amin’ilay Biby hiakatra avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa,
ka haharesy azy sy hahafaty azy;
ary ny fatiny dia hiampatra eo an-kianjan’ny tanàna lehibe
izay atao amin’ny teny an’ohatra hoe: Sôdôma sy Ejipta,
eo amin’ilay namantsihana ny Tompony tamin’ny Hazofijaliana.
Olona samihafa firenena sy foko sy fiteny ary fanjakana
no hijery ny fatiny miampatra eo, hateloan’andro sy tapany,
fa tsy havelany halevina any am-pasana izy ireo.
Hifaly ny mponina etý ambonin’ny tany noho ny amin’izy ireo,
hiara-miravoravo sy hifanati-javatra izy ireo,
fa nampijaly ny mponina tetý an-tany ireo mpaminany roa ireo.
Nony afaka hateloana sy tapany anefa,
dia nisy fanahin’aina avy amin’Andriamanitra, niditra tamin’ireo faty ireo,
ka nijoro tamin’ny tongony izy, ary raiki-tahotra mafy izay nahita azy.
Sady injay koa nisy feo avy any an-danitra nanao taminy hoe:
“Miakara atý.”
Dia niakatra any an-danitra tao anatin’ny rahona,
sy teo anatrehan’ny fahavalony izy ireo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 143, 1. 2. 9-10
Hisaorana anie ny Tompo vatolampiko.
Isaorana
ny Tompo vatolampiko,
Ilay nampianatra ny tanako hamely,
ny sandriko hiady!
Ilay fialofako sy toera-mafy ho ahy,
fiarovana-avo ho ahy sy Mpanafaka ahy.
Ilay ampinga sy aroko,
mampietry vahoaka maro ho eo ambaniko!
Andriamanitra ô, hira vao no hiraiko aminao!
Valiha tory folo no iantsàko Anao!
Ianao Ilay manome fandresena ny Mpanjaka,
sy manafaka an’i Davida mpanomponao!
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 20, 27-40)
Tsy mba Andriamanitry ny maty Izy fa an’ny velona.
Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny sasany tamin’ny Sadoseanina,
izay mandà ny fitsanganan’ny maty, ka nanontany Azy nanao hoe:
“Ry Mpampianatra ô, i Môizy nanome lalàna ho antsika hoe:
Raha misy lehilahy manambady ka maty momba,
dia aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny, mba hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny.
Koa nisy olona fito mirahalahy, ary nanambady ny zokiny, ka maty momba.
Dia nanambady an-dravehivavy ny faharoa, fa maty momba koa.
Nanaraka izany dia nanambady azy indray ny fahatelo,
ary nanao toy izany avokoa izy fito mirahalahy, fa maty momba daholo.
Farany, dia maty koa ravehivavy.
Koa ho vadin’iza ravehivavy raha mby amin’ny fitsanganan’ny maty?
fa efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy.”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Ny zanak’izao fiainana izao no mampaka-bady sy avoaka hampakarina;
fa izay efa hita ho mendrika hahazo ny fiainana ho avy sy ny fitsanganan-ko velona kosa,
dia tsy mba mampaka-bady, na avoaka hampakarina, ary tsy mety maty intsony izy,
fa tahaka ny anjely sady zanak’Andriamanitra,
satria zanaky ny fitsanganan-ko velona.
Ary raha ny hoe hitsangana ny maty,
dia zavatra efa nambaran’i Môizy teo amin’ilay nilazany ny Voaroy izany,
fa tamin’io izy dia niantso ny Tompo hoe:
‘Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaaka ary Andriamanitr’i Jakôba.’
Koa velona eo anatrehany izy rehetra ireo,
satria tsy mba Andriamanitry ny maty Izy, fa an’ny velona.”
Dia namaly ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna ka nanao taminy hoe:
“Ry Mpampianatra ô, marina ny filazanao.”
Ary tsy nisy sahy nanontany Azy intsony izy ireo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.