Vakiteny voalohany
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Tito (Tit. 3, 1-7)
Naniasia isika fahiny, saingy voavonjy noho ny famindram-pony.
Ry malala,
ampahatsiarovy ny mpino fa adidin’izy ireo ny manaiky ny mpitondra sy ny manam-pahefana,
ka tsy maintsy manoa azy ireo izy sy vonon-kanao ny asa soa rehetra,
tsy hilaza ratsy olona, tsy hifanditra,
fa hifanaraka sy hampiseho halemem-panahy lehibe amin’ny olona rehetra.
Fa isika koa fahiny mba efa adala, tsy nanaiky, naniasia,
andevon’ny faniriana amam-pilan-dratsin’ny nofo rehetra, mpisompatra sy mpialona
ka sady tandrifin’ny hankahalaina no nifankahala koa.
Saingy nony niseho ny famindram-po amam-pitiavan’Andriamanitra Mpamonjy antsika olombelona,
dia tsy noho ny asan’ny fahamarinana nataontsika, fa noho ny famindram-pony;
Izy no namonjy antsika tamin’ny fanasana nahaterahantsika indray sy ny fanavaozan’ny Fanahy Masina,
izay nampidininy be dia be tamintsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika;
mba hohamarinin’ny fahasoavana isika
ka ho tonga mpandova am-panantenana ny fiainana mandrakizay.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Sal. 22, 1-3a. 3b-4. 5. 6
Ny Tompo miandry ahy, tsy orin’inona aho.
Ny Tompo miandry ahy: tsy orin’inona aho;
izaho ampiraotiny amin’ny vilo-maitso,
entiny amin’ny rano manala sasatra,
velombelominy fanahy.
Tarihiny amin’ny lala-marina noho ny Anarany!
Na mamaky lohasaha maizina aza aho, tsy matahotra izay loza:
satria ianao miaraka amiko:
ny kibay aman-tehinao mampatoky ahy!
Rosoanao sakafo
eo imason’ny rafiko aho:
ka ny loha mitavona ilo,
ny kapoaka safomorona!
Eny, hatsaram-po sy hasambarana
no manjohy amin’ny fiainana tontolo;
ny tranon’ny Tompo
no fonenana taona maro mifandimby.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 11-19)
Ny vahiny indray ity no hany niverina hankalaza ny voninahitr’Andriamanitra.
Tamin’izany andro izany nony nandeha ho any Jerosalema i Jesoa,
dia nanara-tsisina an’i Samaria sy Galilea.
Ary raha niditra tao amin’ny vohitra anankiray Izy,
dia nifanena tamin’ny boka folo lahy izay nijanona teny lavidavitra teny.
Dia niantso izy ireo ka nanao hoe:
“Ry Jesoa Mpampianatra ô, mamindrà fo aminay.”
Vantany vao nahita azy ireo Izy, dia nanao hoe:
“Mandehana, misehoa amin’ny mpisorona”;
ka nony nandeha ho any izy ireo dia sitrana teny am-pandehanana.
Ary ny anankiray tamin’ireny, rahefa nahita fa sitrana izy,
dia niverina ka nankalaza an’Andriamanitra tamin’ny feo mahery.
Niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa izy, dia nisaotra Azy;
ary Samaritanina izy io.
Dia niteny i Jesoa ka nanao hoe:
“Moa tsy folo lahy va no nadio? Ka nankaiza àry ny sivy?
Ny vahiny indray ity no hany niverina tamin’izy ireny mba hankalaza an’Andriamanitra?”
Dia hoy Izy taminy:
“Mitsangana, ary mandehana, fa ny finoanao no nahavonjy anao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.