Vakiteny voalohany
Fanombohan’ny Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Tito (Tit. 1, 1-9)
Alamino araka ny nandidiako anao ny Pretra.
I Paoly, mpanompon’Andriamanitra
sy Apôstôlin’i Jesoa Kristy momba ny finoan’ny olom-pinidin’Andriamanitra
sy ny fahalalana tsara ny marina izay mahasoa ny fanahy,
noho ny fanantenana ny fiainana mandrakizay
izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga, talohan’ny taona rehetra;
fa tamin’ny fotoana voatendry no nampiharihariany ny teniny
tamin’ny fitorian-teny izay napetraka tamiko araka ny didin’Andriamanitra Mpamonjy antsika:
dia mamangy an’i Tito, zanako malala amin’ny finoana iombonantsika;
ho aminao anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray
sy i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika.
Ny antony namelako anao tany Kreta
dia ny mba hamitanao ny fandaminana ny zavatra rehetra,
sy hanendrenao Pretra isan-tanàna, araka ny nandidiako anao:
dia olona tsy manan-tsiny, nanambady indray mandeha ihany,
sady mpino ny zanany no tsy ampangaina ho mpanaram-po amin’ny ratsy, na maditra.
Fa ny miadidy ny Eglizy, dia mpitandrin’Andriamanitra,
ka tsy maintsy ho olona tsy manan-tsiny, tsy miavonavona, tsy mora tezitra,
tsy tia divay loatra, tsy mikapoka, tsy mpila vola;
fa ho tsara fandray vahiny, mazoto manao soa, malina, marina, masina, mahafehy tena,
mitana mafy ny teny marina nampianarina azy
mba hahaizany mamporisika araka ny fampianarana marina,
sy handresy lahatra izay manohitra izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 23, 1-2. 3-4ab. 5-6
Izany no taranaka mikatsaka ny tavanao, ry Tompo.
Ny tany, ny hareny: Azy Tompo avokoa;
dia izao rehetra izao ary izay monina ao.
Naoriny ambonin’ny rano izy ireny,
napetrany tsara eo ambonin’ny ony.
Koa zovy no hiakatra hihaona amin’ny Tompo;
hanorim-ponenana an-toerany masina?
Ny olon-tsy meloka, ny olo-mahitsy,
sy izay tsy mianiana tsy tò amin’ny hafa.
Dia izy no hany hotsofina rano;
ny Tompo Mpamonjy hanome rariny azy.
Fa izy no dimbin’ireo izay nizaha
ny endrik’ilay Andriamanitra Tompo!
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 1-6)
Na diso aminao impito indray andro aza izy ka nanao hoe: Mifona aho, dia mamelà azy.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Tsy maintsy ho avy ny fanafintohinana, fa loza ho an’izay iaviany!
Aleo anantonana vato fikosohan-dafarinina ny vozony
ka alentika any anatin’ny ranomasina izy
toy izay manafintohina na dia ny anankiray amin’ireto madinika ireto aza.
Koa mitandrema ianareo.
Raha diso taminao ny rahalahinao, anaro izy,
ka raha mivalo izy, dia mamelà azy.
Ary na dia ho diso aminao impito indray andro aza izy,
ka miverina impito koa manao hoe: ‘Mifona aho’,
dia mamelà azy.”
Ary hoy ny Apôstôly tamin’ny Tompo:
“Ampitomboy ny finoanay.”
Fa hoy ny Tompo:
“Raha manam-pinoana ohatra ny voan-tsinapy iray ianareo,
dia mahazo milaza amin’io voaroihazo io hoe:
‘Miongota, ka mifindrà any amin’ny ranomasina’,
dia hanaiky anareo izy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.