Vakiteny voalohany
Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 17, 10-16)
Nanao mofo kely tamin’ny lafarìna eran’ny tanana ila izy ary nitondrany i Elia.
Tamin’izany andro izany, dia niainga nankany Sareftà i Elia mpaminany.
Nony mby teo am-bavahadin’ny tanàna izy,
indro nisy vehivavy mpitondratena anankiray teo nanangon-kitay hazo,
dia nantsoiny ka nataony hoe:
“Aza mahafady, mba angalao rano kely amin’ny fisotroana aho hosotroiko”.
Dia nandeha naka rano ravehivavy.
Nantsoiny izy ary nataony hoe:
“Dia mba itondray mofo kely eny an-tananao aho, raha sitrakao”.
Fa hoy ny navaliny:
“Velona ny Tompo Andriamanitrao, tsy misy zavatra masaka ao amiko;
lafarìna eran-tanana ila ao am-bilany sy diloilo kely foana ao amin’ny siny no hany ananako.
Ary indro aho manangona tapa-kazo roa izao, dia hody hanamboatra izany ho anay mianaka;
hohaninay izany, dia ho faty izahay”.
Fa hoy i Elia taminy:
“Aza matahotra, fa modia ka ataovy izany voalazanao izany.
Nefa anaovy mofo kely amin’izany aho aloha, dia ento mankaty amiko,
vao manao ho anao sy ny zanakao ianao.
Fa izao no lazain’ny Tompo Andriamanitr’i Israely:
Ny lafarìna ao am-bilany tsy ho lany, ny diloilo ao an-tavoara tsy hihena akory,
mandra-piavin’ny andro handatsahan’ny Tompo ranonorana eto ambonin’ny tany”.
Dia nandeha ravehivavy, nanao araka ny tenin’i Elia,
ka nanan-kohanina ela izy sy ny ankohonany, ary i Elia koa.
Ny lafarìna tao am-bilany tsy lany, ny diloilo tao an-tavoara tsy nihena,
araka ny tenin’Andriamanitra, nolazainy tamin’ny alalan’i Elia.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo fandinihana
Sal. 145, 7. 8-9a. 9bd-10
Derao ny Tompo, ry fanahiko.
Izy manome rariny izay ampahoriana.
Ilay manome sakafo ny noana,
no Tompo mamaha ny mpifatotra.
Tompo mampahiratra ny jamba,
Tompo mampitraka ny miondrika.
Tompo mpiaro ny vahiny.
Tohan’ny kamboty sy ny tokan-tena,
Tompo tia ny olo-marina.
Manjaka ny Tompo amin’ny taona mifandimby,
ilay Andriamanitrao, ry Siôna, mandrakizay.
Vakiteny faharoa
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb 9, 24-28)
Nanolotra ny Tenany indray mandeha i Kristy mba hanala ny fahotan’ny maro.
Ry kristianina havana,
tsy mba fitoerana masina nataon-tanana sy tandindon’ny tena izy fotsiny no nidiran’i Kristy,
fa tany an-danitra mihitsy, mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ho antsika ankehitriny.
Ary tsy mba toy ny Mpisorombe niditra isan-taona tao amin’ny fitoerana masina
sy nitondra ran-javatra hafa Izy, ka hoe hanolo-tena matetika;
raha izany dia ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao;
fa indray mandeha monja Izy no niseho tamin’izao andro farany izao,
mba hanongotra ny fahotana tamin’ny nanolorany ny Tenany ho sorona.
Ary toy ny nandraiketana ny olona ho faty indray mandeha sy hotsaraina rehefa afaka izany,
no nanoloran’i Kristy ny Tenany indray mandeha monja koa,
mba hanala ny fahotan’ny maro, sy mbola hisehoany tsy amin’ota fanindroany,
mba hamonjy izay miandry Azy.
— Izany ary ny tenin’ny Tompo.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 41-44)
Io mahantra mpitondratena io no nandatsaka be indrindra tamin’ireo.
Ary indray andro, raha nipetraka tandrifin’ny fandatsahan-drakitra i Jesoa,
dia nijery ny fandatsaky ny olona tao,
ary maro ny mpanan-karena no nandatsaka be.
Ary nisy mpitondratena mahantra anankiray tonga tao koa,
ka nandatsaka farantsa kely roa ankevitry ny variroaventy avy.
Dia nantsoin’i Jesoa ny mpianany ka nilazany hoe:
“Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka be indrindra
tamin’izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra;
satria ireo rehetra ireo nandatsaka ny ambim-bavany,
fa izy kosa nandatsaka izay ilainy, dia izay rehetra nananany sy ivelomany”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 38-44)
Io mahantra mpitondratena io no nandatsaka be indrindra tamin’ireo.
Tamin’izany andro izany,
izao no nolazain’i Jesoa tamin’ny fampianarana nataony tamin’ny vahoaka:
“Mahìna amin’ny mpanora-dalàna, izay tia ny mitsangantsangana miakanjo mirebareba,
sy ny arahabaina eny an-kianja, ary ny fipetrahana voalohany ao amin’ny sinagôga,
mbamin’ny fitoerana ambony amin’ny fanasana.
Fa miseho ho manao fivavahana lavareny izy ireny,
kanjo mihinana ny fananan’ny mpitondratena,
ka vao mainka hohelohina mafimafy kokoa.
Ary indray andro, raha nipetraka tandrifin’ny fandatsahan-drakitra i Jesoa,
dia nijery ny fandatsaky ny olona tao,
ary maro ny mpanan-karena no nandatsaka be.
Ary nisy mpitondratena mahantra anankiray tonga tao koa,
ka nandatsaka farantsa kely roa ankevitry ny variroaventy avy.
Dia nantsoin’i Jesoa ny mpianany ka nilazany hoe:
“Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka be indrindra
tamin’izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra;
satria ireo rehetra ireo nandatsaka ny ambim-bavany,
fa izy kosa nandatsaka izay ilainy, dia izay rehetra nananany sy ivelomany”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.