Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 4, 7-16)

I Kristy no loha izay iankinan’ny tena manontolo.

Ry kristianina havana,
samy manana ny ambaratongany ny fahasoavana nomen’i Kristy antsika tsirairay avy.
Izany no anaovan’ny Soratra Masina hoe:

“Niakatra any ambony Izy, nitondra olona maro ho babo,
ary nanome fanomezana maro ho an’ny olona.”

Inona no ilazana hoe niakatra Izy,
afa-tsy noho Izy efa nidina ho any ambanin’ny tany koa?
Ary tsy iza Ilay nidina fa Ilay niakatra any ambonin’ny Lanitra rehetra ihany,
mba hamenoany ny zavatra rehetra.
Dia Izy no nanome ny sasany ho Apôstôly, ny sasany ho Evanjelista,
ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,
mba samy hanana ny fandraharahany avy, amin’ny fandavorariana ny olona masina,
dia amin’ny fandrafetana ny Tenan’i Kristy,
mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ny firaisam-pinoana amam-pahalalana lavorary ny Zanak’Andriamanitra,
sy ho lehilahy lehibe tonga ohatra, mahatratra ny halehibeazana amam-pahafenoan’i Kristy;
dia tsy ho zaza intsony isika,
ka tsy ho azon’ny rivotry ny fampianaran-tsamihafa rehetra ahilangilana sy avezivezy,
tsy ho voafitaky ny saim-petsy itarihan’ny olona ho amin’ny hevi-diso;
fa hanaraka ny marina amin’ny fitiavana,
ka hitombo hatrany hatrany amin’ny zavatra rehetra, amin’ny firaisana amin’ny Loha dia i Kristy,
Izy no iankinan’ny tena manontolo,
ka mahatonga ny rantsam-batana rehetra hilamina fatratra, hitambatra mafy, hifanampy hatrany,
samy miasa araka ny anjarany tsirairay avy,
ka mitombo sy toa mandrafitra tena amin’ny fitiavana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 121, 1-2. 3-4a. 4b-5

Faly aho nilazana hoe: Andao ho any an-tranon’ny Tompo.

Hafaliana no nanenika ny tenako rehetra.
Nilazana fa hizotra ho any an-tranon’Izy Tompo.
Indro tonga soa ’zahay, tapitr’eto re ny dia.
Eto am-bavahadinao, ry Siôna tsara rindra.

Ao no miakatra ireo foko, dia ny fokon’Izy Tompo.
Ao ny Anaran’Izy Tompo ho derain’i Israely.
Fiketraham-pitsarana no mijoro anatiny ao,
ary miorina ao anivony ao ny tranon’i Davida.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fa ny tenin’Andriamanitra kosa dia maharitra mandrakizay; ary izany no tenin’ny Evanjely izay notorìna taminareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 1-9)

Raha tsy mibebaka ianareo dia ho very tahaka azy koa ianareo rehetra.

Tamin’izany andro izany,
nisy olona sasany tonga nilaza tamin’i Jesoa ny nanjo an’ireo Galileanina
fa nalatsak’i Pilaty niaraka tamin’ny soron’izy ireo ny rany.
Ary novaliany hoe:

“Moa ataonareo fa ireny Galileanina ireny
dia mpanota mihoatra noho ny Galileanina rehetra matoa nozoin-doza toy izany?
Tsia hoy Aho aminareo;
fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho very tahaka azy avokoa ianareo rehetra.
Na moa ataonareo fa ny olona valo ambin’ny folo maty nianjeran’ny tilikambon’i Silôe
no meloka noho ny mponina rehetra tao Jerosalema?
Tsia, hoy Aho aminareo;
fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho very tahaka azy avokoa ianareo rehetra.”

Dia nanao ity fanoharana ity Izy:

“Nisy lehilahy anankiray nanana aviavy nambolena tamin’ny tanim-boalobony,
dia nankeo aminy mba hitady voa fa tsy nahita.
Dia hoy izy tamin’ny mpiasa ny tanim-boalobony:
‘Indro efa telo taona izay no tonga mitady voa amin’ity aviavy ity aho,
nefa tsy mahita;
koa kapao io, fa nahoana no manimba ny tany foana eo?’
Ary hoy ny mpiasa namaly azy:
‘Aoka re ho eo ihany izy amin’ity taona ity, tompoko,
dia hohevoiko ny fotony sady hasiako zezika;
angamba hamoa izy, fa raha tsy izany dia hokapainao ihany izy.’

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 25 ôktôbra 2024

♦ Nitsodrano manokana ny vahoaka Malagasy ny Papa François, nandritra ny fanatanterahana ny dingana faharoa amin'ny Sinaodin'ny Eveka, tanterahana any Roma nanomboka ny 30 septambra ary hifarana ny 27 ôktôbra 2024... ♦ Miatrika fivoriambe fanao isan-taona eny amin'ny Masera Filles de la Sagesse Benasandratra, ny lehiben'ny fikambanan-drelijiozy lehilahy, eto Madagasikara... ♦ Lalivain'ny hafaliana sy ny fitiavan'ny mpivady, ny Fanahy Masina, hoy ny fampianaran'ny Papa François tamin'ny Audience générale, ny alarobia 23 ôktôbra 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...