Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 2, 1-10)

Niara-natsangany sy niara-napetrany amin’i Jesoa Kristy any an-danitra isika.

Ry kristianina havana,
fahiny dia matin’ny fahadisoana amam-pahotanareo ianareo,
ka izany no nizoranareo nanaraka ny satan’izao tontolo izao,
sy ny lehiben’izay fahefana eny amin’ny rivotra,
dia izay fanahy miasa ankehitriny ao amin’ny zanaky ny tsy finoana.
Ary tsy misy hivoasana amin’izany koa ny toetranay rehetra
fony izahay nanaraka ny filan’ny nofonay, sy niliba araka ny danin’ny kibo aman-tsaim-pantatray,
ka dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa izahay, araka ny toetranay tamin’izany.
Fa Andriamanitra izay manan-karena amin’ny famindram-po,
noho ny halehiben’ny fitiavana izay nitiavany antsika,
na dia fony mbola matin’ny fahotana aza isika,
no nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo);
niara-natsangany isika, sy niara-napetrany amin’i Jesoa Kristy any an-danitra,
mba hanehoany amin’ny andro ho avy ny haben’ny harem-pahasoavany,
amin’ny hatsaram-pony amintsika ao amin’i Kristy Jesoa.
Satria ny fahasoavana no namonjena anareo noho ny finoana,
ka tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra,
tsy avy amin’ny asa, fandrao misy mirehareha.
Fa asany isika, ary zava-bao nataony tao amin’i Kristy Jesoa,
mba ho amin’ny asa soa voaomany rahateo hataontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 99, 2. 3. 4. 5

Izy no nanao ka Azy isika.

Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo.
Ka fo falifaly anompoana ny Tompo.
Tongava eo aminy mihira miravo.

Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra.
Fa Azy isika satria noarìny.
Sy tena vahoakany ondry fiandriny.

Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra.
Ny ao an-kianjany idiro amin-dera.
Derao Izy Tompo; ny anarany isaory.

Miaiky isika fa tsara ny Tompo.
Fa mandrakizay ny fitiavany antsika.
Amin’ny taona rehetra ny fahamarinany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Araikao amin’ny fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 13-21)

Ho an’iza àry izay novorìnao?

Tamin’izany andro izany,
nisy anankiray tao amin’ny vahoaka nanao tamin’i Jesoa hoe:

“Ry Mpampianatra, mba ilazao kely ny rahalahiko hizara ny lovanay amiko.”

Fa hoy i Jesoa taminy:

“Ralehilahy ô, iza moa no nanendry Ahy ho mpitsara na ho mpizara aminareo?”

Ary hoy Izy tamin’ny olona:

“Tandremo tsara sao azon’ny fahihirana ianareo,
fa ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’izay ananany.”

Dia nanao fanoharana tamin’izy ireo Izy ka nanao hoe:

“Nanan-tany nahavokatra be ity lehilahy mpanan-karena anankiray,
ka velona eritreritra toy izao:
‘Inona re no hataoko, fa tsy manan-toerana hamoriako ny vokatro aho ity?
Izao lahy no ndeha hataoko, hoy izy:
horavàko ny toeram-bariko ka hanao lehibebe kokoa aho,
dia hangoniko ao daholo rahefa mety ho vokatro sy fananako rehetra,
ary holazaiko amin’ny fanahiko hoe:
Ry fanahiko, manam-pananana be ampy ho amin’ny taona maro ianao
ka mialà sasatra, mihinàna, misotroa, manaova fihinanam-be.’
Fa hoy kosa Andriamanitra taminy:
‘Ry adala, anio alina ihany dia halaina aminao ny fanahinao,
ka ho an’iza àry izay novorinao?’
Toy izany ny olona izay manangon-karena ho an’ny tenany ihany,
fa tsy mba mihary eo amin’Andriamanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 ôktôbra 2024

♦ Nanatanteraka ny fivoriambe ara-potoana faharoa ny Vaomeiran'ny Eveka misahana ny fampanjariana ny Fahamarinana sy ny Fiadanana, ny 15 hatramin'ny 18 ôktôbra 2024. Misy ny hafatra navoaka tamin'izany... ♦ Tanterahana ety amin'ny Maison Don Bosco Ivato ny “CIVAM Formations”, nanomboka ny 19 hatramin'ny 22 ôktôbra 2024... ♦ Nisaotra ireo olona maro taonga niara-nimbom-bavaka tamin'ny fanandratana ho olomasina ireo olontsambatra 14, ny Papa François omaly, talohan'ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...