Vakiteny voalohany
Taratasin’i Masinday Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 1, 1. 3-10)
Nifidy antsika tao aminy talohan’ny nahariana izao tontolo izao Izy.
Ry kristianina havana,
i Paoly Apôstôlin’i Jesoa noho ny sitrapon’Andriamanitra dia mamangy ny olona masina,
mbamin’ny mpino ao amin’i Kristy.
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika,
izay nitso-drano antsika tao amin’i Kristy,
amin’ny tso-drano rehetra ara-panahy any an-danitra,
sy nifidy antsika tao aminy talohan’ny nahariana izao tontolo izao
mba ho masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany isika,
ary nanendry antsika rahateo tamim-pitiavana araka ny sitraky ny Fony,
mba ho zanaka hatsangany amin’ny alalan’i Jesoa Kristy isika;
nampamirapirata ny voninahitry ny fahasoavany izany,
dia ny fahasoavany nanasoavany antsika ao amin’Ilay malalany.
Izy no ahazoantsika ny fanavotana amin’ny Rany, sy ny famelana ny fahotantsika,
araka ny haben’ny fahasoavany, izay nomen’Andriamanitra be dia be ho antsika
tamin’ny fahendrena amam-pahalalana rehetra,
fa nampahafantariny antsika ny lahatra lalin’ny safidim-pony,
izay nofidin’ny hatsaram-pony hotanterahiny, rahefa feno ny andro:
dia ny hanakapohana ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy,
na ny any an-danitra, na ny ety an-tany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 97, 1. 2-3ab. 3de-4. 5-6
Ny Tompo manambara ny famonjeny.
Ihirao antsa vao ny Tompo
fa mahagaga ny zava-bitany.
Fa ny tanany no namonjy,
nanampy Azy ny herin-tsandriny.
Ka dia hitan’ny firenena.
Ny famonjena amam-pahamarinany.
Mba tsarovy, ry Israely.
Ilay fitiavany tsy mivadika.
He zahao e, ry vazan-tany.
Izato vonjin’Andriamanitra.
O, ry tany, derao ny Tompo.
Ka mientàna amin-karavoana.
‘Ndao, antsao am-baliha ny Tompo.
Anaovy antsa sy fihobiana.
Feon’antsiva sy anjomara.
Enti-midera ny fiandrianany.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Ampianaro ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 47-54)
Hampamoahina azy ny ran’ny mpaminany, hatramin’ny ran’i Abela ka hatramin’ny ran’i Zakaria.
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Farisianina sy ny nipanora-dalàna nanao hoe:
“Loza ho anareo, fa manao fasana ho an’ny mpaminany ianareo,
kanefa ny razanareo ihany no namono azy!
Koa mitsangan-ko vavolombelona sy mpankasitraka ny nataon’ny razanareo ianareo,
fa izy moa namono ny mpaminany, ianareo kosa manao fasana ho azy.
Izany no nanaovan’ny fahendren’Andriamanitra hoe:
‘Haniraka mpaminany sy Apôstôly ho any aminy Aho,
ka ny sasany hovonoiny ary ny sasany hoenjehiny,
mba hampamoahina an’ity taranaka ity avokoa
ny ran’ny mpaminany rehetra izay nalatsaka hatramin’ny nahariana an’izao tontolo izao.
Dia hatramin’ny ran’i Abela ka hatramin’ny ran’i Zakaria
izay novonoina tanelanelan’ny ôtely sy ny tempoly.’
Eny, lazaiko aminareo fa hampamoahina an’izany tokoa ity taranaka ity.
Loza ho anareo, ry mpampianatra ny Lalàna, fa nalainareo ny fanalahidin’ny fahalalana,
ka ianareo tsy niditra, ny te-hiditra nosakananareo.”
Raha mbola niteny izany Izy,
dia nododonan’ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna, ary nozezehany fanontaniana maro,
mba hamandrihany Azy sy hahazoany vava latsaka hiampangana Azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.