Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Galasia (Gal. 5, 18-25)

Izay an’i Kristy Jesoa dia efa namàntsika ny nofony tamin’ny Hazofijaliana.

Ry kristianina havana, raha tarihin’ny Fanahy ianareo,
dia tsy mba ambanin’ny Lalàna intsony.
Ary miharihary ny asan’ny nofo,
dia fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana,
fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana,
fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy,
fifampiandaniana, fitokoana, fitsiriritana, famonoana olona,
fimamoana, filerana, sy ny zavatra toy izany.
Ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa voalazako fahiny koa,
fa izay manao izany dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao:
fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po,
hamoram-panahy, hazavam-po, tsy fivadihana,
fahalemem-panahy, fahalalana onona;
tsy misy izay Lalàna mikasika an’ireo.
Izay an’i Kristy Jesoa dia efa namàntsika ny nofony
mbamin’ny faniriana amam-pilan-dratsiny tamin’ny Hazofijaliana.
Velona amin’ny Fanahy isika, ka aoka handeha amin’ny Fanahy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 1, 1-2. 3. 4 sy 6

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao.

Endrey ny hasambaran’ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy
tsy mandeha amin’ny lalan’ny mpanota na monina amin’ny fonenan’ny mpaneso;
fa ny lalan’ny Tompo no sitrany,
ny Lalàny no saininy andro aman’alina!

Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy
mamokatra ara-potoana,
tsy malazo ravina;
izay rehetra ataony, mahomby avokoa!

Tsy mba toy izany ny ratsy fanahy:
fa mova tsy akofa paohin-drivotra!
Fa ny lalan’ny olo-marina, fantatry ny Tompo,
ny lalan’ny mpanota kosa, mamery!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 42-46)

Loza ho anareo, Farisianina, fa mampitondra entan-tsy zaka ianareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza hoe:

“Loza ho anareo, ry Farisianina,
satria ny fahafolon’ny solila sy ny rota ary ny anana rehetra aloanareo,
ary ny rariny sy ny fitiavana an’Andriamanitra tsy asianareo raharaha akory;
nefa tsy maintsy atao izany, ary tsy azo ajanona koa ny sisa.
Loza ho anareo, ry Farisianina,
fa tia ny toerana voalohany ao amin’ny sinagôga sy ny arahaba eny an-kianja ianareo.
Loza ho anareo, fa toy ny fasana tsy hita ianareo, ka hitsahin’ny olona fa tsy fantany.”

Dia niteny ny mpampiana-dalàna anankiray ka nanao taminy hoe:

“Ry Mpampianatra ô,
raha izany no ataonao, dia manala baraka anay koa Ianao.”

Fa hoy i Jesoa:

“Loza ho anareo koa, ry mpampianatra ny Lalàna,
fa mampitondra entan-tsy zaka ny olona ianareo,
nefa na dia ny rantsan-tananareo iray aza tsy akasikareo an’izany akory.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 ôktôbra 2024

♦ Tontosa ny 13 ôktôbra 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, sy ny fametrahana azy ho eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'Ambatondrazaka azy... ♦ Ny sabotsy 19 ôktôbra 2024 no hanamarihana, any amin'ny Sanctuaire Ambiatibe, ny fankalazana ny faha-12 taona nanandratana ho olomasina an'i Masindahy Jacques Berthieu... ♦ Ny tena harena dia ny tian'Andriamanitra, hoy ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...