Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Galasia (Gal. 2, 1-2. 7-14)

Fantany koa ny fahasoavana nomena ahy.

Ry kristianina havana, efatra ambin’ny folo taona taorian’ny nibebahako,
dia niakatra tany Jerosalema indray aho;
i Barnabe niaraka tamiko, i Tito nentiko koa.
Fanambaràna azoko no niakarako tany;
ka nasehoko tamin’izy ireo, indrindra fa tamin’ireo nanan-kaja kokoa,
ny Evanjely torìko any amin’ny Jentily,
hahitany na efa nihazakazaka tokoa aho, na efa nihazakazaka foana.
Nony hitany aza fa izaho no nametrahana ny Evanjely ho an’ny tsy voafora,
tahaka an’i Piera ho an’ny voafora,
satria izay niasa tamin’i Piera haha-Apôstôly azy amin’ny voafora ihany
no niasa tamiko koa haha-Apôstôly ahy ho an’ny Jentily,
sady fantany koa ny fahasoavana nomena ahy,
dia ny nandray tanana anay sy i Barnabe no nataon’i Jakôba sy i Sefasy ary i Joany,
izay natao ho andry fiankinana,
ary izany no mariky ny firaisana, na izahay aza ho any amin’ny Jentily,
fa izy ireo kosa ho any amin’ny voafora.
Hany hafany dia ny hahatsiarovanay ny mahantra;
ka zavatra nahazoto ahy rahateo ny hanao izany.

Nony tonga tany Antiôkia anefa i Sefasy, dia notoheriko an-kitsirano izao,
fa hita fa nanan-tsiny izy.
Satria fony tsy mbola tonga ry zareo sasany avy any amin’i Jakôba,
dia niara-nihinana tamin’ny Jentily ihany izy;
kanjo nony tonga ry zareo ireo, dia niala izy, ka lasa nihatakataka,
fa natahotra an-dry zareo voafora.
Ary nisy aza Jody sasany, niara-nanao tsikombakomba taminy koa,
ka voatarik’izany hatramin’ny tenan’i Barnabe.
Vao hitako kosa fa tsy nandeha mahitsy araka ny fahamarinan’ny Evanjely izy ireo,
dia i Sefasy no nilazako teo anatrehan’ny olona rehetra hoe:

“Koa ianao Jody aza re, manaraka ny fomban’ny Jentily, fa tsy ny an’ny Jody;
ka ahoana no dia ahasahianao manery ny Jentily hanaraka ny fomban’ny Jody?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 116, 1. 2

Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely.

Ianareo firenena rehetra,
aoka hiara-midera ny Tompo.
Ry vahoaka eran-tany tontolo,
aoka hiantsa ny Tompo ianareo.

Ny fitiavany anay tsy mba lefy,
tsy mivadika mandrakizay!
Hankalaza ny Tompo àry isika:
Izy Tompo manjaka amintsika.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 1-4)

Ampianaro hivavaka izahay Tompo ô.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nivavaka tao amin’ny fitoerana anankiray,
ka nony nitsahatra Izy dia hoy ny mpianany anankiray taminy:

“Mba ampianaro hivavaka izahay, Tompoko,
tahaka ny nampianaran’i Joany ny mpianany.”

Ary hoy Izy taminy:

“Raha mivavaka ianareo manaova hoe:
Ray ô, hohamasinina anie ny Anaranao.
Ho tonga anie ny fanjakanao.
Omeo anay anio ny hanina ilainay isan’andro.
Avelao ny fahotanay, fa izahay koa mamela izay rehetra nanao ratsy taminay.
Ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 20 desambra 2024

  • Hosokafana ny alahady 29 desambra 2024 ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Masina Maria tsy azon-keloka, ho fanamarihana ny fanokafana ny fankalazana ny Taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Nanomboka andiany vaovao amin'ny katesizy, mitondra ny lohateny hoe: “I Jesoa Kristy, fanantenantsika”, ny Papa François ny alarobia 18 desambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...