Vakiteny voalohany

Bokin’ny Mpitoriteny (Mpitoriteny 1, 2-11)

Tsy misy zava-baovao aty ambany masoandro.

Zava-poana dia zava-poana, hoy ny Mpitoriteny,
zava-poana dia zava-poana!
Zava-poana ny zavatra rehetra.
Inona no soa azon’ny olona, amin’ny fisasarana rehetra ikezahany aty ambany masoandro?
Lasa ny taranaka iray, tamy ny taranaka iray.
Ary ny tany maharitra mandrakariva ihany.
Miposaka ny masoandro, milentika ny masoandro,
ary dodona izy mba hody any amin’ny fonenany,
dia miposaka avy ihany indray.
Mianatsimo ny rivotra, dia mihodina mianavaratra, vao misampotina indray,
ka manomboka mihodina toraka ny teo.
Mankany amin’ny ranomasina avokoa ny renirano, nefa tsy feno ny ranomasina;
any amin’ny toerana alehany, no ankanesany tsy tapaka.
Miasa avokoa ny zavatra rehetra, mihoatra noho ny azo lazaina;
ny maso tsy mamo mijery; ary ny sofina tsy ketra-mihaino.
Izay efa teo, no ho eo, ary izay efa natao no hatao,
fa tsy misy zava-baovao aty ambany masoandro.
Raha misy zavatra lazaina hoe: He, vaovao izany!
dia efa nisy sahady tamin’ny taonjato talohantsika izany zavatra izany.
Ny taloha tsy tsaroan’ny olona;
ny ho avy any aoriana koa, tsy hamela fahatsiarovana,
ao amin’izay ho velona rahatrizay.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 89, 3-4. 5-6. 12-13. 14 sy 17

Tompo ô, Ianao no fialofanay hatramin’ny mandrakizay.

Nampodìnao ho vovoka ny arin-tananao:
“Miverena, hoy Ianao, ry taranaka voafetra.”
Toy ny aloka miserana aminao ny arivo taona,
tsidik’andro kely fohy, pitik’alina mimaona.

Moa tsy nofy indaosinao ka misinda vao maraina,
toy ny ahitra eny an-tsaha izay mandrobona mitsiry.
Manipelana maraina, vaky vony sy mijoro.
Fa milofika malazo, very aina ny hariva.

Ampianaro anay, ry Tompo, ny manisa ny andronay;
atodiho fo fanahy, mba hikatsa-pahendrena.
Miverena re, ry Tompo, aza ela fa tongava.
Mangoraha ka tsinjovy mba ho soa ny olonao.

Vao maraina dia hetsaho ny fitiavanao izahay
ka ho revon-kafaliana sy hiantsa isan’andro.
Ary homba anay izao ny fanambinanao, ry Tompo,
hanamafy sy hampamokatra ny asan-tananay.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana amin’ny Evanjely.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 7-9)

Nasaiko notapahin-doha i Joany, ka iza indray àry izao olona reko manao zava-dehibe izao?

Tamin’izany andro izany,
i Herôda tetrarka nandre izay rehetra nataon’i Jesoa
ka tsy hitany be ihany izay hevitra,
fa ny sasany nanao hoe:

“I Joany no nitsangan-ko velona”;

ny sasany nilaza hoe:

“I Elia no niseho”;

ary ny sasany nanao hoe:

“Ny anankiray tamin’ny mpaminany taloha no efa nitsangan-ko velona.”

Dia hoy kosa i Herôda:

“Raha i Joany dia efa nasaiko notapahin-doha izy,
ka iza indray ary izao olona reko manao zava-dehibe izao?”

Dia naniry hahita Azy izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 20 septambra 2024

♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...