Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 12, 31 — 13, 13)

Ireto telo ireto no mitoetra, ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo.

Ry kristianina havana,
ny fanomezana ambony indrindra no irio mafy,
dia izao lalana tsara indrindra hatoroko anareo izao.
Na dia miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny anjely aza aho,
nefa tsy manana ny fitiavana,
dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana fotsiny aho.
Na dia nahazo fanomezana haminany aza aho,
ka mahalala ny zava-miafina rehetra, sy manana ny fahalalana rehetra,
ary manana ny finoana rehetra, hatramin’ny mahafindra tendrombohitra aza,
raha tsy manana ny fitiavana,
dia tsinontsinona aho.
Na dia zaraiko ho an’ny mahantra aza ny fananako rehetra,
ka atolotro hodorana mbamin’ny tenako,
raha tsy manana ny fitiavana aho,
dia tsy mahasoa ahy akory izany rehetra izany.

Ny fitiavana dia sady mahari-po no malemy fanahy;
ny fitiavana dia tsy mialona, tsy manaonao foana, tsy mieboebo;
tsy manao ny tsy mendrika, tsy mitady ny ho azy, tsy mora tezitra, tsy manao an-dolom-po;
tsy mifaly noho ny tsy marina ataon’ny olona, fa mifaly noho ny fahamarinany;
manala tsiny ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, mandefitra ny zavatra rehetra.
Ny fitiavana dia tsy hanam-pahataperana.
Fa raha ny faminaniana kosa dia hisy farany,
ny fitenenana fiteny tsy fantatra dia hitsahatra,
ary ny fahalalana dia hiato.
Satria tapany ny fahalalantsika, tapany koa ny faminaniantsika;
ka rahefa tonga ny feno dia foana ny tapany.
Fony mbola zaza aho,
dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza;
fa nony lehilahy aho, dia nialako ny fanahin-jaza.
Ankehitriny dia mizaha amin’ny fitaratra isika, ka tsy mahita mazava;
fa rahatrizay, hifanatrika;
ankehitriny, tapany no fantatro;
fa rahatrizay, hahalala tsara toy ny nahafantarana ahy aho.
Ary ankehitriny, ireto telo ireto no mitoetra;
ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana;
fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 32, 2-3. 4-5. 12 sy 22

Sambatra ny firenena tahin’Andriamanitra Tompony.

Derao amin-dokanga ny Tompo;
antsao amim-baliha tory folo!
Ihirao hiravao Izy;
andredony horaka aman-java-maneno!

Fa mahitsy ny tenin’ny Tompo
ara-drariny ny asany rehetra;
ny fahamarinana sy ny hitsiny no tiany;
ny hatsaram-pon’ny Tompo manerana ny tany!

Sambatra ny firenena tahin’Andriamanitra Tompony,
sy ny vahoaka nofidiny ho lovany!
Ho aminay anie ny hatsaram-ponao, ry Tompo,
araka ny itokianay Anao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 31-35)

Nitsoka sodina izahay, fa tsy nandihy ianareo; nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nitomany ianareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Hohariko amin’iza re ny olona amin’ity taranaka ity, ary tahaka an’iza izy?
Tahaka ny ankizy mipetraka eny an-kianja izy, izay mifampilaza hoe:
‘Nitsoka sodina izahay, fa tsy nandihy ianareo;
nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nitomany ianareo.’
Fa tonga i Joany Batista tsy nihinana mofo na nisotro divay,
lazainareo hoe: ‘Azon’ny demony izy.’
Tonga indray ny Zanak’Olona mihinana sy misotro,
ataonareo hoe: ‘Lehilahy tendan-kanina sy mpisotro io, sady sakaizan’ny poblikanina sy ny olon-dratsy fiaina.’
Fa ny Fahendrena efa nohamarinin’ny zanany rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 20 desambra 2024

  • Hosokafana ny alahady 29 desambra 2024 ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Masina Maria tsy azon-keloka, ho fanamarihana ny fanokafana ny fankalazana ny Taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Nanomboka andiany vaovao amin'ny katesizy, mitondra ny lohateny hoe: “I Jesoa Kristy, fanantenantsika”, ny Papa François ny alarobia 18 desambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...