Vakiteny voalohany
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 12, 12-14. 27-31a)
Ianareo no vatan’i Kristy sy rantsam-batany.
Ry kristianina havana,
toy ny maha-iray ny vatana, na dia maro rantsana aza,
sy toy ny maha-vatana iray ny rantsam-batana, na dia maro aza izy,
dia toy izany koa i Kristy.
Fa Fanahy iray ihany no nanaovana batemy antsika rehetra,
mba ho vatana iray ihany isika, na Jody na Jentily, na mpanompo na olom-potsy;
ary Fanahy iray ihany no nampisotroana antsika rehetra.
Koa ny vatana dia tsy rantsam-batana iray ihany, fa maro.
Ianareo no vatan’i Kristy,
ka samy rantsam-batany manaraka ny laharany tsirairay avy.
Ao amin’ny Eglizy dia izao no nandaharan’Andriamanitra ny sasany:
voalohany Apôstôly;
faharoa mpaminany;
fahatelo mpampianatra;
manaraka izany dia ireo nahazo fanomezana hanao fahagagana,
hahasitrana ny marary, hanampy, hitondra, hiteny fiteny samihafa tsy fantatra, handika teny.
Moa Apôstôly izy rehetra?
Moa mpaminany izy rehetra?
Moa mpampianatra izy rehetra?
Moa manao fahagagana izy rehetra?
Moa nahazo fanomezana hanasitrana izy rehetra?
Moa miteny teny samihafa tsy fantatra izy rehetra?
Moa mandika teny izy rehetra?
Fa ny fanomezana ambony indrindra no irio mafy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 99, 2. 3. 4. 5
Vahoakany sy ondry fiandriny isika.
Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo.
Ka fo falifaly anompoana ny Tompo.
Tongava eo aminy mihira, miravo.
Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra.
Fa Azy isika satria nohariany,
sy tena vahoakany, ondry fiandriny.
Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra.
Ny ao an-kianjany idiro amin-dera.
Derao Izy Tompo: ny Anarany isaory.
Miaiky isika fa tsara ny Tompo.
Fa mandrakizay ny fitiavany antsika,
amin’ny taona rehetra ny fahamarinany.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 11-17)
Ry zatovo, Izaho mandidy anao, mitsangàna.
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nankany amin’ny tanàna anankiray atao hoe Naima,
ary mpianany maro sy vahoaka betsaka no niaraka taminy.
Rahefa mby teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna Izy,
dia indro nisy fatin’ny zazalahy anankiray nentina halevina,
zanak’olona lahitokana sady mpitondratena indray reniny,
ka vahoaka be avy ao an-tanàna no nanaraka azy.
Nangoraka ny Tompo nony nahita an-dravehivavy, ka nanao taminy hoe:
“Aza mitomany.”
Dia nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona;
dia nijanona ny mpilanja, ary hoy i Jesoa:
“Ry zatovo, Izaho mandidy anao, mitsangàna.”
Dia niarina niaraka tamin’izay ny maty, sady niteny,
ary nomen’i Jesoa an-dreniny.
Raiki-tahotra avokoa izay rehetra teo,
sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe:
“Mpaminany lehibe no efa niseho eto amintsika,
ary Andriamanitra efa namangy ny olony.”
Dia niely eran’i Jodea sy ny tany manodidina rehetra izany teny fankalazana izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.