Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 50, 5-9a)

Natolotro tamin’ny mpikapoka ahy ny lamosiko.

Nosokafan’ny Tompo Andriamanitra ny sofiko,
ary tsy mba nanohitra aho, na nihemotra akory.
Natolotro tamin’ny mpikapoka ahy ny lamosiko;
ary tamin’ireo nanongotra ny volombavako, ny takolako;
ary ny tavako tsy nafeniko tamin’ny latsa sy ny rora.
Fa ny Tompo Andriamanitra namonjy ahy, ka ny latsa tsy nahaketraka ahy;
ka ny tavako nataoko manahaka ny afo-vato, ary fantatro fa tsy ho menatra aho.
Akaiky Ilay manamarina ahy: iza no handahatra manohitra ahy?
Aoka hifanatrika isika!
Iza no manohitra ahy?
Aoka izy hankaty amiko!
Ny Tompo Andriamanitra namonjy ahy:
Ka iza no hanameloka ahy?

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 114. 1-2, 3-4, 5-6, 8-9

Mizotra ny lalako ampian’Andriamanitra ho any an-danitra any, fonenan’ny velona.

Izaho tia ny Tompo,
fa mandre ny feoko Izy:
ny sofiny atongilany
rehefa miantso aho.

Efa voarohin’ny fahafatesana aho, efa tao anaty haratony:
feno fahoriana sy alahelo
no niantso ny Anaran’ny Tompo.
“O ry Tompo ô, hoy aho, mba vonjeo re ny aiko!”

Ny Tompo antra sy marina,
ny Andriamanitray
mahay mangoraka: osa aho ka novonjeny!
Ny aiko nafahany tamin’ny fahafatesana.

Ny masoko nalany tamin’ny tomany,
ny tongotro tamin’izay nanfingana:
koa hizotra eo anoloan’ny Tompo aho
hatrany amin’ny tanin’ny velona!

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 2, 14-18)

Ny finoana raha tsy omban’asa, dia tena maty mihitsy.

Ry kristianina havana,
raha misy olona milaza azy ho manam-pinoana, nefa tsy manana asa,
inona no soa ho azony?
Moa hahavonjy azy va izany finoana izany?
Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sy tsy manan-kohanina isan’andro,
ka ilazan’ny iray aminareo hoe:

“Mandehana amim-piadanana, mamindroa sy mivokisa”,

nefa tsy omeny izay ilain’ny vatany,
inona no soa azony amin’izany?
Mba toy izany ihany koa ny finoana,
raha tsy omban’asa izy, dia tena maty mihitsy.
Hamaly koa ny olona hanao hoe:

“Ianao manam-pinoana, hono, ary izaho manana asa koa.
Asehoy ahy hoe ny finoanao tsy misy asa;
ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin’ny asako”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 27-35)

Ianao no Kristy... Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’olona.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa sy ny mpianany dia nankany amin’ny vohitra manodidina an’i Sezarean’i Filipo
ary teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy nanao hoe:

“Ataon’ny olona ho iza moa Aho?”

Ary ireo namaly Azy nanao hoe:

“I Joany Batista, hoy ny sasany;
i Elia, hoy ny sasany;
ary anankiray amin’ny mpaminany, hoy kosa ny sasany”.

Ary hoy Izy tamin’izy ireo:

“Fa ianareo kosa, manao Ahy ho iza?”

Dia namaly i Piera ka nanao taminy hoe:

“Ianao no i Kristy”.

Ary noraràny mafy izy ireo mba tsy hilazalaza Azy na amin’iza na amin’iza.

Tamin’izay, nambarany tamin’izy ireo fa ny Zanak’olona dia tsy maintsy hijaly mafy
sy hatosiky ny loholona mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hovonoina,
fa hitsangana indray raha afaka hateloana,
sady nataony mazava tsara ny filaza izany.
Dia nentin’i Piera nitanila Izy ka noteneniny mafy.
Fa nihodina nijery ny mpianany Izy, ary niteny mafy an’i Piera hoe:

“Mialà amiko, ry Satana,
satria tsy mihevitra araka an’Andriamanitra ianao,
fa araka ny olombelona”.

Dia nantsoiny ny vahoaka mbamin’ny mpianany ka nilazany hoe:

“Raha misy te hanaraka Ahy,
aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliana ka hanaraka Ahy.
Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy,
ary izay hahafoy azy noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely no hamonjy azy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 20 septambra 2024

♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...