Vakiteny voalohany
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 35, 4-7a)
Halady ny sofin’ny marenina, hinantsanantsan-kafaliana ny lelan’ny moana.
Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe:
Makà hery fa aza matahotra.
Inty ny Andriamanitrareo, tamy ny famaliana, famalian’Andriamanitra,
Tenany no avy, dia hamonjy anareo.
Amin’izay dia hahiratra ny mason’ny jamba, halady ny sofin’ny marenina.
Hitsambikina hoatra ny serfa ny mandringa, hinantsanantsan-kafaliana ny lelan’ny moana.
Fa hisy rano miboiboika any an’efitra;
ary sakeli-drano eny amin’ny tany lemaka lava volo.
Ny tany hay hanjary farihy, ary ny tany mangetana ho loharano.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo fandinihana
Sal. 145, 7. 8-9a. 9bd-10
Izaho midera ny Tompo raha mbola velona aina.
Ny Tompo mitandrina mandrakizay ny fahamarinana
sy manome rariny ireo ampahoriana.
Ilay manome sakafo ny noana,
Tompo mamaha ny mpifatotra.
Tompo mampahiratra ny jamba,
Tompo mampitràka ny miondrika.
Tompo mpiaro ny vahiny,
tohan’ny kamboty sy ny tokan-tena.
Tompo tia ny olo-marina,
fa ny olon-dratsy aviliviliny.
Manjaka ny Tompo amin’ny taona mifandimby,
ilay Andriamanitrao, ry Siôna, mandrakizay!
Vakiteny faharoa
Taratasin’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 2, 1-5)
Moa tsy ny mahantra va no nofidin’Andriamanitra ho mpandova ny fanjakany?
Ry kristianina havana,
aza asiana fizahantavan’olona ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompontsika be voninahitra.
Raha, ohatra, ka misy olona miditra amin’ny fivorianareo:
ny iray miperatra volamena sy mitafy saro-bidy,
ary ny iray kosa mahantra ratsy fitafiana,
ka ilay mitafy saro-bidy no jerenareo sy ataonareo hoe:
“Mipetraha ianao eto amin’ny toerana aloha”;
fa ilay mahantra kosa ilazanareo hoe:
“Mitsangàna ery”, na “mipetraha eto amin’ny fitoeran-tongotro”;
moa tsy miangatra va ianareo amin’izany, sy tonga mpitsara ratsy hevitra loatra?
Henoy ange, ry kristianina havako malala:
Moa tsy ny mahantra eo imason’izao tontolo izao va
no nofidin’Andriamanitra ho mpanan-karena amin’ny finoana,
sy ho mpandova ny fanjakana nampanantenainy an’izay tia Azy?
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 31-37)
Nampalady ny marenina Izy, ary nampiteny ny moana.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niala tany amin’ny faritanin’i Tira,
ary namaky ny faritanin’i Sidôna
ka tonga tany amoron’ny ranomasin’i Galilea, amin’ny faritanin’i Dekapôly.
Tao dia nisy lehilahy anankiray sady marenina no moana nentin’izy ireo teo aminy
sy nangatahiny mba hametrahany tanana.
Dia nitondra azy niavaka tamin’ny vahoaka Izy,
ka nangarona ny sofiny tamin’ny rantsan-tanany sy nanisy rora ny lelany.
Raha efa izany dia niandrandra ny lanitra Izy,
sady nisento ary nanao taminy hoe:
“Efetà!”, izany hoe, “misokafa!”
Niaraka tamin’izay dia nisokatra ny sofiny
ary voavaha ny fatoran’ny lelany, ka niteny tsara izy.
Ary noraràny ny olona tsy hilazalaza izany na amin’iza na amin’iza;
fa araka ny nandraràny azy ireo no vao mainka nampielezany izany kokoa aza;
sady talanjona loatra izy ireo ka nanao hoe:
“Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony,
fa nampalady ny marenina Izy sy nampiteny ny moana”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.