Vakiteny voalohany
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 3, 1-9)
Izahay moa mpiara-miasa amin’Andriamanitra, ary ianareo kosa sahan’Andriamanitra sy trano arafiny.
Ry kristianina havana, tsy nahazo niteny taminareo toy ny amin’ny olona ara-panahy aho,
fa toy ny amin’ny olona ara-batana sy mbola zaza ao amin’i Kristy.
Ronono no nomeko hosotroinareo, fa tsy ventin-kanina mahery,
satria tsy mbola nahazaka izany ianareo,
sady tsy mbola mahazaka hatra ankehitriny aza noho ianareo mbola ara-batana.
Fa fialonana amam-pifandirana no hita ao aminareo,
ka moa tsy ara-batana sy araka ny fanaon’olombelona va izany?
Raha ny iray hanao hoe:
“Izaho an’i Paoly”,
ny iray kosa hanao hoe:
“Izaho an’i Apôlô”,
moa tsy olombelona ihany va ianareo amin’izany?
Fa inona àry i Apôlô, ary inona koa i Paoly?
Mpandraharaha nahatonga anareo ho mpino fotsiny ireo, samy araka izay nomen’ny Tompo azy avy.
Izaho moa namboly, i Apôlô nanondraka;
fa Andriamanitra ihany no nampaniry.
Samy tsinontsinora na izay namboly na izay nanondraka;
fa Andriamanitra izay mampaniry ihany no izy.
Sahala ihany ny mamboly sy ny manondraka;
ary samy hovalian’Andriamanitra araka ny fisasarany avy.
Fa izahay moa mpiara-miasa amin’Andriamanitra,
ary ianareo kosa sahan’Andriamanitra sy trano arafiny.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 32, 12-13. 14-15. 20-21
Sambatra ny firenena tahin’Andriamanitra Tompony.
Sambatra ny firenena tahin’Andriamanitra Tompony,
sy ny vahoaka nofidìny ho lovany!
Any an-danitra ny Tompo mitazana:
hitany avokoa ny zanak’olombelona.
Any amin’ny toerana onenany Izy mitsinjo
ny mponina rehetra amin’ny tany:
Izy Ilay namolavola ny fony tsy an-kanavaka,
Ilay mahafantatra ny asany rehetra!
Ny fanahinay manantena ny Tompo:
Mpitahy anay Izy sy Ampinganay!
Izy no ifalian’ny fonay;
ny Anarany Masina no ifefenay!
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 38-44)
Tsy maintsy mitory ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny tanàna maro hafa koa Aho, fa izany no nanirahana Ahy.
Tamin’izany andro izany, nony nitsangana niala tao amin’ny sinagôga i Jesoa,
dia niditra tao an-tranon’i Simôna.
Sendra azon’ny tazo mahery ny rafozambavin’i Simôna tamin’izay,
ka niangavian’ny olona Izy hahasitrana azy.
Niondrika teo amin’ny marary Izy nandidy ny tazo, dia niala ny tazo,
ka nitsangana niaraka tamin’izay ravehivavy ary nampihinana azy ireo.
Nony maty ny masoandro,
izay nanana marary na inona na inona aretiny dia samy nitondra ny azy teo aminy,
ka nametra-tanana tamin’izy ireo tsirairay avy dia nahasitrana azy.
Nisy demony nivoaka tamin’ny olona maro koa niantso hoe:
“Ianao no Zanak’Andriamanitra”;
fa norahonany tsy hiteny izy ireo noho izy nahalala Azy ho i Kristy.
Raha vao naraina ny andro,
dia lasa nankany amin’ny toerana mangingina anankiray Izy.
Vahoaka maro no nandeha nikaroka Azy,
ka nony tonga tao aminy dia nitady hihazona Azy tsy hisaraka aminy intsony;
fa hoy Izy taminy:
“Tsy maintsy mitory ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny tanàna maro hafa koa Aho,
fa izany no nanirahana Ahy.”
Dia nitory teny tao amin’ny sinagôgan’i Galilea manontolo Izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.