Vakiteny voalohany
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 2, 1-5)
Ny misterin’i Jesoa Kristy voafantsika tamin’ny Hazofijaliana no notorìko taminareo.
Ry kristianina havana, fony aho tonga tany aminareo, dia tsy mba tamin-teny ambony,
na tamim-pahendrena no nitoriako ny Evanjelin’Andriamanitra taminareo.
Fa ninia tsy nahalala zavatra hafa afa-tsy i Jesoa Kristy aho tany aminareo,
indrindra fa Izy voafantsika tamin’ny Hazofijaliana.
Ary tamim-pahalemena sy tahotra ary hovitra be no nanatonako anareo;
sady tsy mba tamin’ny tenim-pahendrena mampiaiky volana no nampianarako sy nitoriako teny taminareo,
fa tamin’ny fanehoan’ny Fanahy Masina sy ny herin’Andriamanitra azy ho marina,
mba tsy hiorenan’ny finoanareo amin’ny fahendren’olombelona,
fa amin’ny herin’Andriamanitra ihany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 118, 97-98. 99-100. 101-102
Drey izato fitiavako ny lalànao.
Drey izato fitiavako ny lalànao!
Izy no fibitsiko tontolo andro!
Ny baikonao mahahendry ahy noho ny fahavaloko,
sady ahy mandrakizay!
Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho:
satria ny Fanambarànao no fisaintsaiko!
Manam-pahalalana mihoatra ny zokiolona aho:
satria ny lahatrao no fandiniko!
Aviliko tsy hankamin’ny lalan-dratsy ny tongotro,
mba hitandremako ny teninao!
Tsy mba miala amin’ny satanao aho;
eny, Ianao tokoa no nampianatra ahy!
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 16-30)
Nirahiny hitory ny teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho... Tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa dia tonga tany Nazareta tanàna nahabe Azy,
ary niditra tao amin’ny Sinagôga araka ny fanaony tamin’ny andro sabata,
ary nitsangana hanao ny famakian-teny.
Natolotra Azy ny bokin’i Izaia mpaminany,
ka nony novelariny dia hitany ny teny voasoratra hoe:
“Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo,
fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy
sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo,
hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba,
hanafaka izay nampahorìna ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo
sy ny andron’ny famaliana.”
Nony nahorony ny boky dia naveriny tamin’ny mpitandrina ka nipetraka Izy,
ary nifantoka tany aminy avokoa ny mason’izy rehetra tao amin’ny sinagôga.
Dia rafitra niteny taminy indray i Jesoa nanao hoe:
“Androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany Soratra izany.”
Ary nankalaza Azy izy rehetra,
sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy ireo:
“Tsy ny zanak’i Jôsefa va ity?”
Ary hoy kosa i Jesoa taminy:
“Marina raha tsy ataonareo amiko ilay ohabolana hoe:
‘Dokotera, sitrano aloha ny tenanao.
Ny zava-mahagaga renay nataonao tany Kafarnaôma
mba ataovy eto amin’ny tany nahabe Anao koa.’”
Dia notohiziny hoe:
“Lazaiko marina aminareo
fa tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy.
Ary lazaiko marina aminareo koa
fa maro ny mpitondratena tamin’i Israely tamin’ny andron’i Elia,
raha nihantona telo taona sy enim-bolana ny orana ka voan’ny mosary mafy ny tany rehetra,
nefa tamin’izy ireo tsy nisy nanirahana an’i Elia na dia anankiray aza,
fa tamin’ilay vehivavy mpitondratena tany Sareptà any amin’ny tany Sidôna ihany;
ary be koa ny boka tao amin’i Israely tamin’ny andron’i Elisea mpaminany,
nefa tsy nisy sitrana na iray aza,
fa i Naamàna Sirianina ihany.”
Dia tezitra mafy izay rehetra tao amin’ny sinagôga raha nandre izany,
ka tafatsangana nandroaka Azy hiala ao an-tanàna,
sady nitondra Azy tany an-tampon’ny tendrombohitra iorenan’ny tanànany
mba hazerany any an-tevana;
fa namaky teo afovoan’izy ireo Izy, dia lasa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.