Vakiteny voalohany

Bokin’i Jôsoe (Jôs. 24, 1-2a. 15-16 sy 18b)

Izahay koa hanompo ny Tompo, fa Andriamanitsika Izy.

Tamin’izany andro izany, novorìn’i Jôsoe tao Sikema ny fokon’i Israely rehetra;
nantsoiny avokoa ny loholon’i Israely, ny lehibeny, ny mpitsarany ary ny manamboninahiny;
ka niseho teo anatrehan’ny Tompo izy ireo;
dia hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka rehetra:

“Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitr’i Israely:
Raha tsy sitrakareo ny hanompo ny Tompo
dia fidionareo anio izay tianareo hotompoina,
na ny Andriamanitra notompoin’ny razanareo tany an-dafin’ny ony,
na ny andriamanitry ny Amôreanina izay onenanareo ny taniny.
Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo ny Tompo”.

Dia namaly ny vahoaka, ka nanao hoe:

“Lavitra anay izay handao ny Tompo ka hanompo andriamani-kafa.
Fa ny Tompo Andriamanitra no nampiakatra antsika mbamin’ny razantsika
avy tany amin’ny tany Ejipta, amin’ny trano fanandevozana
ary nanao ireo fahagagana lehibe teo imasontsika,
ary niaro antsika tamin’ny lalana nalehantsika sy tamin’ny firenena rehetra nandalovantsika.
Izahay koa hanompo ny Tompo, fa Andriamanitsika Izy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 33, 2-3. 12-13. 16 sy 23

Ankafizo sy anarano fo fa mamy ny Tompo.

Izaho misaotra ny Tompo lalandava;
ny fiderana Azy eo am-bavako hatrany.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko:
mandrenesa, ry ory, ka mifalia.

Avia, rey anaka, henoy Aho:
ny tahotra ny Tompo no hampianariko anareo.
Iza ianareo no te ho velona
sady maniry fiainan-tsambatra?

Ny Tompo mijery ny olo-marina am-pitiavana
sy fatra-pihaino ny tolokony.
Ny fanahin’ny mpanompony avotan’ny Tompo,
tsy mba hisy sazy ho an’izay mifefy aminy.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 5, 21-32)

Misy zava-miafina lehibe amin’io, dia mankamin’Izy Kristy sy ny Eglizy no lazaiko.

Ry kristianina havana, mahaiza mifanoa amim-pahatahorana an’i Kristy.
Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, toy ny anekena ny Tompo;
fa ny lahy no lohan’ny vavy, tahaka an’i Kristy no lohan’ny Eglizy
izay vatany sy manana Azy ho Mpamonjy.
Koa tahaka ny aneken’ny Eglizy an’i Kristy
no tsy maintsy aneken’ny vehivavy ny vadiny koa amin’ny zavatra rehetra.
Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, toy ny nitiavan’i Kristy ny Eglizy,
sy nahafoizany tena ho azy, mba hanamasina azy
rehefa nodioviny tamin’ny fanasana amin’ny Rano sy ny Teny izy,
ka hanolotra azy ho an’ny Tenany ho Eglizy be voninahitra,
tsy misy panda, na ketrona, na zavatra toy izany,
fa masina tsy manan-tsiny amam-pondro.
Toy izany koa no tsy maintsy itiavan’ny lehilahy ny vadiny, izay tenany ihany;
koa izay tia ny vadiny dia tia ny tenany.
Ny olona tsy misy mankahala ny nofony, fa mamelona sy miahy azy,
toy ny ataon’i Kristy amin’ny Eglizy,
satria rantsam-batany, avy amin’ny nofo aman-taolany isika.
Noho izany, handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy ka hikambana amin’ny vadiny,
dia ho nofo iray ihany izy roroa.
Misy zava-miafina lehibe amin’io, dia mankamin’Izy Kristy sy ny Eglizy no lazaiko.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao. Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 61-70)

Hankany amin’iza àry izahay? Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay.

Tamin’izany andro izany,
dia betsaka tamin’ny mpianatr’i Jesoa, raha nandre ny Teniny, no nanao hoe:

“Sarotra izany teny izany, ka iza no mahahaino izany?”

Ary fantatr’i Jesoa tao am-pony fa nimonomonona tamin’izany ny mpianany,
ka hoy Izy taminy:

“Manafintohina anareo va izany?
Hanao ahoana ianareo raha mahita ny Zanak’olona miakatra any amin’izay nitoerany taloha?
Ny Fanahy no mahavelona, ny nofo tsy mahasoa ohatr’inona akory;
ny teny voalazako taminareo dia fanahy sy fiainana.
Nefa misy tsy mino aminareo”.

Fa fantatr’i Jesoa hatramin’ny voalohany, izay tsy hino sy izay hamadika Azy.
Ary hoy Izy:

“Izany no nilazako taminareo fa tsy misy mahay manatona Ahy
raha tsy nomen’ny Ray azy izany”.

Hatramin’izay dia maro tamin’ny mpianany no nihemotra,
ka tsy niaraka taminy intsony.
Ka hoy i Jesoa tamin’ny roa ambin’ny folo lahy:

“Ianareo koa va mba te hiala?”

Dia namaly i Simôna Piera ka nanao taminy hoe:

“Tompo ô, hankany amin’iza àry izahay?
Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay;
ary izahay efa nino sy nahalala fa Ianao no Ilay Masin’Andriamanitra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 desambra 2024

  • Hosokafana ny alahady 29 desambra 2024 ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Andohalo, ho fanamarihana ny fanokafana ny Taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Hankalazaina ny 12 janoary 2025 ny fetin'ny Seminera Zandriny Ambohipo, izay eo ambany fiarovan'ny Fianakaviana Masina...
  • Mahaiza misaotra ny fanomezana ny fiainana, hoy ny Papa François, fa famantarana mahagaha avy amin'Andriamanitra izany...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...