Vakiteny voalohany
Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ezek. 34, 1-11)
Indro hotadiaviko ao amin’ny tanany ny ondriko, ka tsy ho remby ho azony hanina intsony.
Tonga tamiko ny Tenin’ny Tompo nanao hoe:
“Ry zanak’olona, maminania ny amin’ny mpiandry an’i Israely.
Maminania ka lazao aminy, dia amin’ireo mpiandry ireo hoe:
Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
Loza ho an’ny mpiandry an’i Israely,
fa ny tenany ihany no nofahanan’izy ireo!
Moa tsy ny ondry va no tokony hofahanan’ny mpiandry?
Nohaninareo ny taviny, notafianareo ny volony, novonoinareo ny matavy;
tsy namahana ny ondry ianareo:
tsy nanatanjaka ny malemy, tsy nitsabo ny marary, tsy namehy ny naratra,
tsy namerina ny nania, tsy nitady ny very,
fa nitondra azy an-kalozàna sy an-kasiahana!
Ka niely izy fa tsy nisy mpiandry;
zary rembin’izao biby an-tsaha rehetra izao, dia tafaely.
Mirenireny eny an-tendrombohitra rehetra eny ny ondriko,
sy eny an-kavoana milangalanga rehetra eny;
tafaely any amin’ny tany rehetra ny ondriko,
nefa tsy ahìn’ny olona akory, na mba nisy lasa nitady azy.”
Koa mihainoa ny tenin’ny Tompo ianareo, ry mpiandry ondry:
“Velona Aho”
— Teny marin’ny Tompo Andriamanitra: —
“Noho ny ondriko navela hobaboina,
noho ny ondriko zary remby ho an’ny bibidia rehetra fa tsy nisy mpiandry,
sy noho ny mpiandriko tsy niahy ny ondriko,
fa ny tenany ihany no fahanan’ireo mpiandry ireo,
ary ny ondriko tsy mba nofahanany;
noho izany dia mihainoa ny tenin’ny Tompo ianareo ry mpiandry ondry.”
Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
“Indro ho avy any amin’ny mpiandry ondry Aho;
hotadiaviko ao amin’ny tanany ny ondriko,
ary tsy hisy ondry havelako handrasany intsony;
ary ny mpiandry tsy hamahana ny tenany intsony;
hotsoahako eny am-bavany ny ondriko,
ka tsy ho remby ho azony hanina intsony.
Fa izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra;
Indro Izaho dia Izaho ihany no hiahy ny ondriko sy handinidinika azy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 22, 1-3a. 3b-4. 5. 6
Ny Tompo miandry ahy, tsy orin’inona aho.
Ny Tompo miandry ahy tsy orin’inona aho:
izaho ampiraotiny amin’ny vilona maitso,
entiny amin’ny rano manala sasatra, velombelominy fanahy,
tarihiny amin’ny lala-marina noho ny Anarany!
Na mamaky lohasaha maizina aza aho,
tsy matahotra izay loza.
Satria Ianao miaraka amiko:
ny kibay aman-tehinao mampatoky ahy.
Rosoanao sakafo
eo imason’ny rafiko aho:
ka ny loha miravona ilo,
ny kapoaka safomorona!
Eny, hatsaram-po sy hasambarana
no manjohy amin’ny fiainana tontolo;
ny tranon’ny Tompo no fonenana
taona maro mifandimby!
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsarànao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 20, 1-16a)
Sa ratsy ny masonao satria tsara Aho?
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao itý fanoharana itý tamin’ny mpianany:
“Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano,
izay nivoaka marainakoa hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony.
Ary rahefa nifanaiky tamin’ny mpiasa izy
fa denie iray avy isan’andro ny karamany,
dia nasainy hankany an-tanim-boalobony izy ireo.Ary nivoaka izy tamin’ny ora fahatelo,
dia nahita mpiasa hafa nidonana-poana teny an-kianja;
ka andeha koa ianareo, hoy izy taminy, mankany amin’ny tanim-boaloboko,
fa homeko anareo izay antonony. Dia nankany ireo.
Ary nivoaka indray izy tamin’ny ora fahenina sy fahasivy,
ka nanao toraka izany koa.
Ary dia nivoaka koa izy tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo,
ka nahita mpiasa hafa nijanom-poana, dia hoy izy taminy:
Nahoana ianareo no midonana-poana eto mandritra ny andro?
Fa hoy ireo taminy:
Satria tsy nisy nanakarama anay.
Dia hoy izy taminy:
Andeha koa ianareo mankany amin’ny tanim-boaloko.Ary nony hariva ny andro,
dia hoy ilay tompon’ny tanim-boaloboka tamin’ny mpitandrina ny fananany:
Antsoy ny mpiasa, ary omeo ny karamany,
aseseo avy atý amin’ny farany, ka hatrany amin’ny voalohany.
Dia nanatona izay nilatsaka tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo,
ka samy nahazo denie iray misesy avy.
Fa nony nanatona kosa ny voalohany, dia nanantena hahazo bebe kokoa,
kanjo denie iray misesy avy ihany koa no azony.
Teo am-pandraisana izany izy dia nimonomonona tamin’ilay tompon-trano nanao hoe:
Tsy niasa afa-tsy adim-pamantaranandro iray monja ireto farany ireto,
kanefa nampitovianao aminay izay niaritra ny hasasarana sy ny hainandro nandritra ny andro.
Dia izao no navalin’ny tompo ny anankiray tamin’izy ireo:
Ry sakaiza, tsy manao zavatra tsy marina aminao aho;
moa tsy denie iray va no nifanekenao tamiko?
Alao ny anao, dia mandehana,
fa tiako ny manome an’ilay farany toraka ny anao koa.
Tsy mahazo manao izay tiako amin’izay fananako va aho,
sa ratsy ny masonao satria tsara aho?
Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.