Vakiteny voalohany
Boky Ohabolana (Ohab. 9, 1-6)
Hano ny mofoko ary sotroy ny divaiko izay nampifangaroiko ho anareo.
Ny Fahendrena efa nanorina ny tranony,
efa nipaika ny andriny fito,
efa namono ny bibiny, nampifangaro ny divainy,
ary namboatra ny latabany.
Naniraka ny ankizy vaviny izy,
dia miantso eo an-tampon’ny havoan’ny tanàna:
“Aoka hiditra aty izay kely saina!”
Ary hoy izy amin’izay tsy manan-tsaina:
“Avia hano ny mofoko, ary sotroy ny divay nampifangaroiko.
Ilaozy ny tsy fahalalana, dia ho velona ianareo;
ary mizora amin’ny lalan’ny fahazavan-tsaina”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo fandinihana
Sal. 33, 2-3. 10-11. 12-13. 14-15
Ankafizo sy anarano fo, fa mamy ny Tompo.
Izaho misaotra ny Tompo lalandava;
ny fiderana Azy eo am-bavako hatrany.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko:
mandrenesa, ry ory, ka mifalia.
Matahora ny Tompo ianareo olo-masiny,
fa izay matahotra ny Tompo tsy orin’inoninona:
ny manana no tonga mahantra sy noana,
izay mitady ny Tompo tsy mba orin-tsoa.
Avia, rey anaka, henoy Aho:
ny tahotra ny Tompo no hampianariko anareo.
Iza ianareo no te ho velona
sady maniry fiainan-tsambatra?
Ny lela ambeno amin’ny ratsy,
ny molotra aoka tsy hamitaka;
ny ratsy, fadîna; ny tsara, atao;
ny fiadanana katsahina sy ilofosana.
Vakiteny faharoa
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 5, 1 5-20)
Aza manaonao foana, fa fantaro aloha ny sitra-pon’ny Tompo.
Ry kristianina havana, tandremo tsara ny fitondran-tenanareo,
aza misary adala, fa mbà hendry;
hararaoty ny fotoana, fa ratsy izao andro izao.
Koa aza manaonao foana, fa fantaro aloha izay sitraky ny Tompo.
Aza mimamo divay, satria loharanom-pahalotoana izany;
fa mifenoa Fanahy Masina ianareo.
Salamo sy hira aman-tonon-kira masina no ifampiresaho;
ary hira fiderana no kaloy ao am-ponareo ho voninahitry ny Tompo.
Misaora an’Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra,
amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; hamasino amin’ny fahamarinanao izahay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 51-59)
Tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:
“Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra:
raha misy mihinana ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay izy,
ary ny Mofo izay homeko dia ny Nofoko ho fiainan’izao tontolo izao”.
Dia nifanditra ny Jody nanao hoe:
“Hataon’ilay io ahoana àry no fanome antsika ny Nofony hohanina?”
Fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo:
“Lazaiko marina dia marina aminareo,
fa raha tsy mihinana ny Nofon’ny Zanak’olona ianareo sy tsy misotro ny Rany,
dia tsy manana ny fiainana ao aminareo.
Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako
no manana ny fiainana mandrakizay;
ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.
Fa tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako.
Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako,
dia mitoetra ao anatiko, ary Izaho ao anatiny.
Velona ny Ray naniraka Ahy, Izaho koa dia velona amin’ny Ray:
Toy izany koa no hahavelona amiko izay mihinana Ahy.
Izany àry no mofo nidina avy any an-danitra:
Tsy mba tahaka ny razanareo izay nihinana mana nefa maty ihany;
fa izay mihinana ity mofo ity kosa dia ho velona mandrakizay”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.