Vakiteny voalohany
Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 31, 1-7)
Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao.
“Amin’izany andro izany
— teny marin’ny Tompo, —
Izaho ho Andriamanitry ny fianakaviana rehetra amin’i Israely,
ary izy ireo ho oloko.”
Izao no lazain’ny Tompo:
“Nahita fitia tany an’efitra ny vahoaka afaka tamin’ny sabatra;
te-hanome fitsaharana an’i Israely Aho.”
Niseho tamiko tany lavitra tany ny Tompo.
“Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao;
izany no nampaharetako ny famindram-po aminao.
Izaho hanorina anao indray, dia ho voaorina indray ianao, ry virjinin’i Israely;
hiramarama amin’ny ampongatapakao indray, ary hamindra amin’ny dihy fifaliana.
Hamboly ny tanimboaloboko indray ianao any an-tendrombohitr’i Samaria:
izay mamboly, hamboly ka hioty.
Fa efa avy ny andro, hiantsoan’ny mpiambina any amin’ny tendrombohitr’i Efraima hoe:
‘Mitsangana ianareo, ka andeha isika hiakatra any Siôna, ho any amin’ny Tompo Andriamanitsika!’
Fa izao no lazain’ny Tompo:
‘Mihobia an-kafaliana ny amin’i Jakôba,
manaova firavoravoana noho ny amin’ilay lohan’ny firenena;
ataovy re ny feonareo, mihirà hira fiderana ka lazao hoe:
‘Ry Tompo, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin’i Israely.’”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo: Jer. 31, 10. 11-12ab. 13
Ho toy ny mpiandry miambina ny ondriny ny Tompo.
Henoy ny Tenin’ny Tompo, ry firenena,
ka ambarao an’ireo Nosy any lavitra
Ilay nampiely an’i Israely dia hanangona,
ary ho toy ny mpiandry miambina ny ondriny!
Eny, ny Tompo hanafaka an’i Jakôba,
sy hanavotra ny amin’ny tanan’ny mahery noho izy:
ka ho avy amina hobin-kafaliana izy ireo eny amin’ny havoan’i Siôna,
hankafy ny zava-tsoan’ny Tompo toy ny vary sy divay, diloilo, zanak’omby aman’ondry!
Amin’izay ny tovovavy dia hifaly amin-dihy;
ny tovolahy, ny zokiolona koa dia hitavana!
Ny fisaonany hampodìko ho haravoana; hafaliana no hatambiko ny fahoriany!
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 15, 21-28)
Ravehivavy, lehibe ny finoanao.
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nankany amin’ny faritanin’i Tira sy i Sidôna.
Ary indro nisy vehivavy kananeanina anankiray nivoaka avy tamin’izany tany izany
niantsoantso mafy nanao hoe:
“Mamindrà fo amiko, ry Tompo, Zanak’i Davida,
fa ampijalian’ny demony mafy loatra ny zanako vavy”;
fa tsy namaly azy i Jesoa na dia indraim-bava aza.
Dia nanatona niangavy taminy ny mpianany nanao hoe:
“Roahy izy fa mikiakiaka manaraka antsika.”
Ary hoy ny navaliny azy:
“Tsy nirahina afa-tsy ho an’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely Aho.”
Fa nanatona ihany ravehivavy ka niankohoka teo anatrehany, ary nanao hoe:
“Tompo ô, vonjeo aho!”
Nefa novaliany hoe:
“Tsy mety raha ny mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an’ny amboa.”
Ary hoy ravehivavy:
“Marina izany, Tompoko,
nefa ny amboakely mba mihinana ny sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony ihany.”
Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:
“Ravehivavy, lehibe ny finoanao,
aoka ho tanteraka aminao araka izay irìnao.”
Dia sitrana tamin’izany ora izany ihany ny zanany vavy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.