Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 16, 2-4. 12-15)

Indro handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo Aho.

Tamin’izany andro izany,
nimonomonona tamin’i Môizy sy i Aarôna tany an’efitra ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra.
Hoy ny zanak’i Israely tamin’izy ireo hoe:

“Inay anie izahay mba matin’ny tanan’ny Tompo tany an-tany Ejipta,
raha ilay nipetraka teo anelanelan’ny vilany feno hena
sy nihinana mofo mandra-pahavoky iny izahay;
fa izao kosa nentinareo aty an’efitra izahay mba hahafaty mosary izao vahoaka be izao”.

Dia hoy ny Tompo tamin’i Môizy:

“Indro Aho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo.
Hivoaka ny olona ka isan’andro
dia hanangona izay sahaza hohaniny amin’ny indray andro,
mba hizahako toetra azy na handeha araka ny lalàko izy ireo na tsia.
Reko ny fimonomononan’ny zanak’i Israely, ka lazao azy ireo hoe:
Amin’ny aty takariva ianareo dia hihinan-kena;
ary raha maraina koa dia ho voky mofo,
ka ho fantatrareo fa Izaho no Tompo Andriamanitrareo”.

Nony hariva, indreny nisy papelika niakatra nandrakotra ny toby;
maraina indray, nisy ando matevina nanodidina ny toby.
Vao levona ny ando,
dia indro hita mandrakotra ny efitra zava-madinika mandrotsirotsy madinidinika
toy ny fanala eo amin’ny tany.
Nahita ireny ny zanak’i Israely dia nifanontany hoe:

“Inona itony?”

satria tsy fantany.
Hoy i Môizy tamin’izy ireo:

“Itony no mofo omen’ny Tompo ho fihinanareo”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 77, 3-4bd. 23-24. 25 sy 54

Vary avy any an-danitra no nomen’ny Tompo azy ireo.

Izay henonay ka fantatray
fa notantarain’ireo razanay
no lazainay ny solofo aty aoriana:
dia ny voninahitry ny Tompo sy ny heriny.

Nobaikoiny ny rahona teny ambony,
nadanadanany ny varavaran’ny lanitra:
ny mana narotsany ho sakafony,
varin-danitra no nomeny azy ireo.

Mofon’Anjely no nohanin’olombelona,
nahahetsaka tokoa ny vatsy nalefany.
Dia napetrany teo am-bohiny masina,
teo an-kavoana izay noarîn’ny tanany.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 4, 17. 20-24)

Tafio ny olom-baovao izay noarìna araka an’Andriamanitra

Ry kristianina havana, izao àry no lazaiko sy ambarako ao amin’ny Tompo:
Aza manao fitondran-tenan-Jentily izay mizotra manaraka ny hevi-poanany.
Fa ianareo kosa, dia tsy mba ny toy izany no nianaranareo hahalala an’i Kristy,
raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo,
araka ny fahamarinana ao amin’i Jesoa,
hiala amin’ny fitondran-tenanareo taloha,
ka hamela ny olon-tranainareo efa simban’ny fitaky ny filàn-dratsy,
mba hohavaozina ao amin’ny saina amam-panahinareo ianareo,
ka hitafy ny olom-baovao,
izay noarìna araka an’Andriamanitra amin’ny fahamarinana amam-pahamasinana tena izy tokoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 24-35)

Izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy hangetaheta.

Tamin’izany andro izany,
nony hitan’ny vahoaka fa tsy teo i Jesoa na ny mpianany,
dia niondrana tamin’ny sambo izy ireo ka nankany Kafarnaôma hitady an’i Jesoa.
Ary rehefa hitany teny an-dafin’ny ranomasina Izy, dia nilazany hoe:

“Raby, oviana no tonga teto Ianao?”

Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Lazaiko marina dia marina aminareo:
ianareo no mitady Ahy dia tsy noho ny nahitanareo fahagagana,
fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky.
Miasà ianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona,
fa ny hanina maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay,
dia izay homen’ny Zanak’Olona anareo;
fa Izy no nasian’Andriamanitra tombo-kase”.

Ary hoy izy ireo taminy:

“Inona àry no hataonay mba hiasanay ny asan’Andriamanitra?”

Namaly i Jesoa ka nanao tamin’izy ireo hoe:

“Izao no asan’Andriamanitra, dia ny hinoanareo Ilay nirahiny”.

Fa hoy ireo taminy:

“Inona àry no fahagagana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao?
Inona no asa ataonao?
Ny razantsika nihinana ny mana tany an’efitra araka ny voasoratra hoe:
Mofo avy any an-danitra no nomeny azy hohaniny”.

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Lazaiko marina dia marina aminareo
fa tsy i Môizy no nanome anareo ny Mofo avy any an-danitra izay tena izy tokoa;
satria izay Mofo midina avy any an-danitra
manome ny fiainana an’izao tontolo izao no Mofon’Andriamanitra”.

Ary hoy izy ireo taminy:

“Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany Mofo izany”.

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Izaho no Mofon’aina;
izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony,
ary izay mino Ahy tsy hangetaheta mandrakizay”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...