Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 15, 10. 16-21)

Nahoana no dia tsy misy farany ny fijaliako? — Raha miverina amiko ianao, hitsangana indray eo anatrehan’ny Tavako.

Loza ho ahy, ry neny, ny niterahanao ahy,
mba ho olona filàna ady amam-pifandirana amin’ny tany rehetra aho.
Tsy mba nisambotra na inona na inona aho,
tsy nampisambotra na inona na inona tamiko izy,
nefa manozona ahy avokoa izy rehetra!
Vao tonga teo anatrehako ny teninao, dia nohaniko:
zary hafaliako amam-piravoravoan’ny foko,
satria nantsoina tamiko ny Anaranao, ry Tompo, Andriamanitry ny tafika ô!
Tsy mba nipetraka teo amin’ny fivorian’ny mpihomehy aho,
mba hiaranako amin’ny firavoravoana;
fa nipetraka nanirery teo ambanin’ny tananao aho,
satria nofenoinao hatezerana.
Nahoana no dia tsy misy farany ny fijaliako, ary manaintaina ny feriko,
sady tsy mety sitrana?
Moa ho tahaka ny rano mamitaka ho ahy va Ianao,
ho tahaka ny rano tsy azo itokiana?
Koa izao no lazain’ny Tompo:

“Raha miverina amiko ianao, dia hampodìko indray;
hitsangananao eo anatrehan’ny tavako;
ary raha manavaka izay sarobidy amin’izay tsinontsinona ianao,
dia ho tahaka ny vavako;
ary izy ireo hiverina hanatona anao;
fa tsy ianao no hiverina hanatona azy.
Hataonao manda varahina mafy ho an’ity vahoaka ity ianao;
hiady aminao izy, nefa tsy hahavoa anao akory;
satria momba anao Aho, hamonjy, sy hanafaka anao,
— teny marin’ny Tompo.
Hanafaka anao amin’ny tanan’ny ratsy fanahy Aho,
ary hanavotra anao amin’ny tanan’ny mpanao an-keriny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 58, 2-1. 4-5a. 10-11. 17. 18

Fialofana amin’ny andro fahoriana Ianao, ry Tompo.

Afaho amin’ny fahavaloko aho, ry Andriamanitro;
arovy amin’ny mpamely;
afaho amin’ny mpanao ratsy;
vonjeo amin’ny olona lian-dra!

Indreo izy manotrika hanala ny aiko:
olo-matanjaka mivorivory hamely ahy.
Tsy heloko, tsy otako, tsy hadisoako, ry Tompo!
Izy anefa miolomay sy efa vonona!

Ry heriko ô, Ianao no andraiko,
Andriamanitra fiarovana-avo ho ahy,
Andriamanitra tia ahy izay mitsena ahy,
sy mahatonga ahy hahasetra ny rafiko.

Raha izaho, dia hihira ny herinao aho;
hihoby vao maraina ny hatsaram-ponao.
Fa Ianao fiarovana-avo ho ahy,
fialofana amin’ny andro fahoriana.

Ry heriko ô, Ianao no antsaiko:
Andriamanitra fiarovana-avo ho ahy,
Andriamanitra tia ahy izay mitsena ahy,
sy mahatonga ahy hahasetra ny rafiko!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 44-46)

Lasa nivarotra ny fananany rehetra izy, ka nividy ilay saha.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny rakitra nafenina tany an-tsaha,
izay hitan’olona ka nafeniny tao ihany aloha;
dia lasa tamin-karavoana izy nivarotra izay rehetra mety ho fananany,
ary nividy io saha io.
Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpandranto mitady voahangy tsara.
Ary nony nahita anankiray be vidy izy,
dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 6 septambra 2024

♦ Manatanteraka fitsidihina eto Madagasikara, ny 4 hatramin'ny 9 septambra 2024, i P. Alfred Maravilla, Mpanolotsaina Jeneraly momba ny Misiona, ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco... ♦ Manentana ny kristianina hivavaka ho an'ny olona tsirairay, mba hihaino ny fitarainan'ny tany, ny Papa François amin'ity volana septambra ity... ♦ Nanomboka androany ny dingana faharoa amin'ny fitsidihina apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-45, ataon'ny Papa François, izay tanterahany any Asie sy Océanie...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...