Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 23, 1-6)

Hangoniko ny sisa amin’ny ondriko ary hanangana mpiandry hiandry azy Aho.

Mila loza ny mpiandry manary sy manahaka ny ondry eo amin’ny kijanako,
— teny marin’ny Tompo.
Koa izao no lazain’ny Tompo, Andriamanitr’i Israely,
ny amin’ireo mpiandry miandry ny vahoakako:
Ny ondriko dia nahahakareo, naronjindronjinareo;
tsy niahy azy ireo ianareo.
Koa indro Aho kosa mba hiahy, hamelezako anareo, ny haratsian’ny nataonareo,
— teny marin’ny Tompo.
Ary Izaho dia hanangona izay sisa amin’ny ondriko,
avy eny amin’ny tany rehetra nandroahako azy,
dia haveriko ho eo amin’ny kijanany izy;
ka hitombo sy hihamaro.
Ary hanangana mpiandry izay hiandry azy Aho;
ka tsy hanan-tahotra na vadi-po intsony izy;
sady tsy hisy diso tsy eo na dia iray aza,
— teny marin’ny Tompo. —
Indro avy ny andro,
— teny marin’ny Tompo,
hananganako solofo marina ho an’i Davida;
hitondra tahaka ny mpanjaka, ho hendry, hanao ny hitsiny sy ny rariny amin’ny tany.
Amin’ny androny, i Jodà hovonjena,
i Israely handry feizay;
ary izao no anarana hanononana azy:

“Tompo-fahamarinantsika”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 22, 1-3a. 3b-4. 5-6

Ny Tompo miandry ahy; tsy orin’inoninona aho.

Ny Tompo miandry ahy: tsy orin’inoninona aho,
fa ampiraotiny amin’ny vilo-maitso,
entiny amin’ny rano manala sasatra,
velombelominy noho ny Anarany.

Tarihiny amin’ny lala-marina.
Na mamaky lohasaha maizina aza aho
tsy misy loza atahorako:
satria Ianao miaraka amiko,
ireo tehinao mampatoky ahy.

Mandroso sakafo ho ahy Ianao
eo anoloan’ny rafiko,
ny loha andrarahanao ilo,
ny kapoaka ataonao safomorona.

Hasambarana sy fitiavana
no manjohy amin’ny fiainana tontolo;
ny tranon’ny Tompo no ho fonenako
amin’ny taona mifandimby.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 2, 13-18)

Izy no fiadanantsika, Izy no nahatonga antsika roa tonta ho iray.

Ry kristianina havana,
ankehitriny, ao amin’i Kristy Jesoa, ianareo izay lavitra fahiny,
dia tongan’ny Ran’i Kristy akaiky.
Fa Izy no nahatonga antsika roa tonta ho iray.
Izy no nandrava ny efitry ny fisarahana amam-pifandrafesana;
tao amin’ny nofony no nanafoanany ny Lalàna be didy amam-pitsipika,
mba hanakambanany antsika roa tonta ho olom-baovao iray ao amin’ny Tenany;
fa nampihavaniny sy nakambany isika roa tonta,
ho tena iray amin’Andriamanitra,
noho ny Hazofijaliana izay nandevonany ny fifandrafesana.
Ary tonga Izy, nitory fihavanana taminareo izay lavitra,
sy nitory fihavanana tamin’ireo izay akaiky koa,
satria aminy no ahazoantsika roa tonta manatona ny Ray
ao amin’ny Fanahy iray ihany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 30-34)

Tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo.

Tamin’izany andro izany,
nony niverina teo amin’i Jesoa ny Apôstôly,
dia nilaza taminy ny zavatra rehetra nataony sy nampianariny.
Ary hoy Izy taminy:

“Avia ianareo, ndeha mitokana any amin’ny tany mangingina,
ka mialà sasatra kely”;

fa maro ny olona nifamoivoy ka tsy nisy hihinanany akory.
Dia niara-niondrana an-tsambo kely izy ireo
ka lasa nitokana any amin’ny tany mangingina.
Fa hitan’ny olona ny nandehanany ary maro no nahalala ny halehany,
ka nidodododo nandeha tongotra avy amin’ny tanàna rehetra,
sy tonga tany talohany.
Ary nony nivoaka avy tao an-tsambo i Jesoa dia nahita ireto vahoaka betsaka
ka nangoraka azy, satria tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo,
dia nampianatra azy zavatra maro Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 6 septambra 2024

♦ Manatanteraka fitsidihina eto Madagasikara, ny 4 hatramin'ny 9 septambra 2024, i P. Alfred Maravilla, Mpanolotsaina Jeneraly momba ny Misiona, ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco... ♦ Manentana ny kristianina hivavaka ho an'ny olona tsirairay, mba hihaino ny fitarainan'ny tany, ny Papa François amin'ity volana septambra ity... ♦ Nanomboka androany ny dingana faharoa amin'ny fitsidihina apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-45, ataon'ny Papa François, izay tanterahany any Asie sy Océanie...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...