Vakiteny voalohany
Bokin’i Mikea Mpaminany (Mikea 2, 1-5)
Tsiriritiny ny saha ary alainy koa ny trano.
Loza ho an’izay mieritreritra ny hanao ratsy
sy misaintsaina eo am-pandriany ny loza hafitsony!
Raha vao maraina koa tanterahiny izany,
raha tahiny mbola mety hoefain’ny tanany ihany.
Tsiriritiny ny saha, ka alainy;
ny trano koa, ka lasany;
anaovany ankeriny avokoa ny olona mbamin’ny tranony, ny tompo mbamin’ny lovany.
Ka izao no lazain’ny Tompo:
“Indro fa misy loza saintsainiko hamelezana ity taranaka ity,
ka tsy ho azonareo hanafahana ny vozonareo;
ka tsy handeha miandranandrana intsony ianareo, fa ho andro ratsy izany.”
Amin’izany andro izany, dia hanononan’ny olona ohabolana ianareo
sy hihirany hira fitomaniana, hataony hoe:
“Tanteraka tokoa izao, dia fongana mihitsy isika;
amidiny ho anjaran’ny vahoakako!
Ahoana no angalany izany amiko?
Zarainy ho an’ny mpiodina ny sahantsika?”
Koa tsy hahita olona hanenjana ny famolaina
hahazoanao anjara lova eo amin’ny fiangonan’ny Tompo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 9b, 1-2. 3-4. 7-8. 14
Aza hadino ny mahantranao, ry Tompo.
Ahoana ny Tompo no mijanona eny lavitra?
no miafina amin’ny andro fahoriana?
Ny olon-dratsy mirehaka;
ny ory forehitra sy voagejan’ny tetika voakaly.
Ny olon-dratsy mirehareha amin’ny fanirian’ny fony;
ny mpierina misahato, manazimba ny Tompo.
Ny olon-dratsy milanja orona, tsy manana ahiahy:
ny ambentin-keviny: “Tsy misy Andriamanitra!”
Ny vava feno ozona, fanaovana an-kery sy fitaka;
ambany lela, fampahoriana sy hasomparana.
Manotrika akaikin-tanàna, mamitsaka:
dia vonoina an-takona ny madio.
Ianao anefa mahita ny fahoriana sy ny alahelo,
izay karohinao mba hatao an-tanana.
Ianao Tokin’ny malahelo.
Ianao Mpitahy ny kamboty.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 14-21)
Norarany izy ireo tsy hanao izay hahafantarana Azy mba ho tanteraka ny teny nolazainy.
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanasitrana lehilahy iray tamin’ny andro sabata.
Ka lasa nivoaka ny Farisianina ary niara-nioko ny amin’izay hahafaty Azy.
Fa nahalala izany i Jesoa ka dia niala teo.
Maro ny vahoaka nanaraka Azy, ka nositraniny izay rehetra narary tamin’ireny;
nefa noraràny izy ireo tsy hanao izay hahafantarana Azy,
mba ho tanteraka ny tenin’i Izaia mpaminany hoe:
Indro ny Mpanompoko izay nofidìko,
dia ilay malalako izay ankasitrahan’ny foko indrindra;
hapetrako ao aminy ny Fanahiko, ary hanambara ny marina amin’ny Jentily izy.
Tsy hifanditra izy, na hiantso mafy,
ary tsy hisy handre ny feony eny an-dalana;
tsy hanapaka ny volotara vaky izy, na hamono ny lahin-jiro manetona,
ambarapamoakany ny rariny ho mpandresy;
ary ny Jentily hitoky amin’ny anarany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.