Vakiteny voalohany
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 6, 1-8)
Olona maloto molotra aho, nefa nahita maso ny Tompon’ny tafika.
Tamin’ny taona nahafatesan’i Oziasa, mpanjaka, no nahitako ny Tompo,
nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana avo sy manerinerina,
ary nahafeno ny tempoly ny rebareban’akanjony.
Nisy Serafima nitoetra teo anatrehany manana elatra enina avy:
ny roa nisaronany tava; ny roa nisaronany tongotra, ny roa nanidinany.
Niantso mafy izy ireo, nifamaly ka nanao hoe:
“Masina, masina ny Tompon’ny tafika!
feno ny voninahiny ny tany rehetra.”
Nihozongozona ny fanambanin’ny vavahady, noho ny feon’izay niantso mafy
ary tonga feno setroka ny trano.
Ka hoy aho tamin’izay:
“Loza ho ahy! maty aho! fa izaho olona maloto molotra;
ary ny firenena itoerako maloto molotra;
nefa aho nahita maso ny Mpanjaka, ny Tompon’ny tafika!”
Kanjo, nanidina nanatona ahy ny iray tamin’ireo Serafima,
nitondra vain’afo teny an-tanany, nalainy tamin’ny tandra, teo ambony ôtely.
Nakasiny tamin’ny vavako izany, dia hoy izy:
“Jereo, efa voakasik’ity ny molotrao;
ka voaesotra ny helokao, ary voaonitra ny fahotanao.”
Dia nandre ny feon’ny Tompo aho, nanao hoe:
“Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho any?”
Ka hoy aho:
“Inty aho, iraho aho.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 92, 1ab. 1d-2. 5
Manjaka ny Tompo, mitafy fiandrianana.
Andriana manjaka Ianao, ry Tompo;
mitafy ny hery tsy hay tohaina.
Ny zava-drehetra harin-tananao,
tomombana fatratra tsy mivena.
Mirafitra mafy ny rovanao.
Fa manda miorina tsy mikoro.
Hatrany amboalohany, teo ianao;
ho mandrakizay re tsy hanam-petra.
Ireo Teny rehetra voalazanao.
E! lalina, marina, tsy mivaona.
Ny fahamasinana feno haja
manerana izany fonenanao.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.
Aleloia.
Evanjey Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 24-33)
Aza matahotra izay mamono ny vatana.
Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe:
“Ny mpianatra tsy ambony noho ny mpampianatra, na ny mpanompo noho ny tompony;
fa ampy ho an’ny mpianatra ny tahaka ny mpampianatra azy,
ary ho an’ny mpanompo ny tahaka ny tompony.
Raha ny lohan’ny fianakaviana aza nantsoiny hoe Belzeboba,
mainka fa ny ankohonany: koa aza matahotra azy ianareo.
Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra.
Izay lazaiko anareo ao amin’ny maizina, dia ambarao eo amin’ny mazava;
ary izay bitsibitsihina amin’ny sofinareo, torio eny ambony tafon-trano;
ary aza matahotra izay mamono ny vatana fa tsy mahay mamono ny fanahy,
fa aleo matahotra izay mahay mamarina ny vatana sy ny fanahy any amin’ny afobe.
Moa tsy varifitoventy monja va no vidin’ny fody roa.
Kanefa na ireny aza tsy hisy latsaka amin’ny tany iray akory
raha tsy avelan’ny Rainareo.
Na ny volondohanareo aza dia efa voaisa avokoa.
Koa aza matahotra, fa mihoa-bidy lavitra noho ny fody maro ianareo.
Ary amin’izany, izay rehetra hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona,
dia hoekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra;
ary izay handà Ahy eo anatrehan’ny olona,
dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.