Vakiteny voalohany
Bokin’i Osea Mpaminany (Os. 14, 2-10)
Izahay tsy hiteny intsony amin’ny asan’ny tananay hoe: Ry Andriamanitray ô!
Hoy ny Tompo:
Miverena amin’ny Tompo, ry Israely, fa ny helokao no nahalavo anao.
Mitondrà teny ianareo, miaraka aminareo, ka miverena amin’ny Tompo;
lazao aminy hoe:
Esory ny heloka rehetra ary raiso izay tsara.
Aoka hatolotray Anao ho solon’ny vantotr’ombalahy ny teny avy amin’ny molotray.
I Asora tsy hamonjy anay, izahay tsy hitaingin-tsoavaly; na hiteny hoe:
“Ry Andriamanitray ô”
amin’ny asan’ny tananay.
Ianao, izay ahitan’ny kamboty fiantrana!
Hositraniko ny fiodinany;
ho tiako amin’ny foko tokoa izy, fa efa niala taminy ny fahatezerako.
Ho toy ny ando aho amin’i Israely;
ka haniry toy ny lisy izy, ary handatsaka ny fakany tahaka an’i Libàna.
Izay ho avy hiala sasatra ao ambanin’ny alokalony,
hampahavokatra ny vary indray;
haniry toy ny voaloboka izy;
ary ho tahaka ny divain’i Libàna ny anarany.
Efraima... Inona no mbola hataony any amin’ny sampy?
Izaho no efa mamaly ny fangatahany sy mitsinjo azy;
tahaka ny sipresa maitso Aho;
Izaho no iavian’ny voanao.
Izay hendry no aoka hahafantatra izany zavatra izany,
izay manan-tsaina aoka hiaiky izany ho marina.
Fa mahitsy ny lalan’ny Tompo;
ka ny marina no hizotra eo,
fa ny mpiodina kosa, lavo aminy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 50, 3-4. 8-9. 12-13. 14 sy 17
Hanambara ny fiderana Anao ny vavako.
Iantrao aho, ry Tompo Andriamanitra
fa Ianao manko lalim-pitiavana.
Mba koseho re ny heloka vitako,
dia diovy aho hiala amin’ny otako.
Izay marina anaty no marina,
ka toroanao mangina aho, ry Tompoko.
Ary fafazo ra aho ho sitrana:
hihoatra ny oram-panala ny dioko.
Fo madio vaovao no angatahiko,
sy fanahy mahatoky tanteraka.
Aza alàna aminao aho, ry Tompoko,
ny Fanahy aza esorinao amiko.
Amereno hafaliana aho ho vonjiko,
dia tolory fanahy tena mendrika.
Eny, Tompo ô, sokafy ny molotro,
dia hidera tokoa izany vavako.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Hamirapiratra tahaka ny fahazavan’izao tontolo izao ianao, raha mitana ny tenin’ny fahamarinana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 16-23)
Tsy ianareo no hiteny fa ny Fanahin’ny Rainareo.
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe:
“Indro Aho maniraka anareo tahaka ny ondry eo afovoan’ny amboadia,
ka mbà malina tahaka ny bibilava ianareo,
ary mbà tsotra tahaka ny voromailala.
Mitandrema, fa hotorìn’ny olona amin’ny fitsarany ianareo;
sy hokapohiny ao amin’ny sinagôgany;
ary hoentiny eo anatrehan’ny mpifehy sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko,
mba ho vavolombeloko eo aminy sy amin’ny jentily.
Fa raha hatolony ianareo, dia aza manahy izay fomba fandaha-teny,
na izay teny holazainareo, fa hatoro anareo eo no ho eo ihany izany;
satria tsy ianareo no hiteny fa ny Fanahin’ny Rainareo no hiteny ao aminareo.
Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny hovonoina,
ny ray hanolotra ny zanany, ny zanaka hiodina amin’ny ray aman-dreniny ka hamono azy;
ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako:
fa izay haharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy.
Raha enjehina amin’ny tanàna anankiray ianareo, dia mandosira any amin’ny hafa;
fa lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy hahatety ny tanànan’i Israely ianareo
mandra-pahatongan’ny Zanak’Olona.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.