Vakiteny voalohany

Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ez. 2, 2-5)

Taranaka mpiodina izy, nefa hahalala fa misy Mpaminany eo aminy.

Tamin’izany andro izany,
dia niditra tato anatiko ny Fanahy, sady nampitsangana ahy,
ka nandre ny Tompo niteny tamiko aho.
Hoy Izy tamiko:

“Ry zanak’olona,
indro ianao irahiko, ho any amin’ny zanak’i Israely,
ho any amin’ireo vahoaka mpiodina izay niodina tamiko,
fa efa nanota tamiko, mandrak’androany aza, ireo sy ny razany.
Ireo zanaka manao tarehy tsy mahalala menatra sy mafy fo ireo,
no anirahako anao.
Izao no holazainao aminy:
Izao no tenin’ny Tompo Andriamanitra.
Ka na hihaino izy ireo, na tsy hihaino,
— fa taranaka mpiodina izy —
dia hahalala fa misy Mpaminany eo aminy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 122, 1-2a. 2bde. 3-4

Ny masonay manaraka ny Tompo Andriamanitray mandra-piantrany anay.

Any aminao ny masoko no andraiko,
ry Ilay mitoetra any an-danitra!
Indro toy ny mason’ny ankizy lahy
eny amin’ny tanan’ny tompolahiny,

Toy ny mason’ny ankizy vavy
eny amin’ny tanan’ny tompovaviny:
ny masonay any amin’ny Tompo Andriamanitray
miandry fiantràna avy aminy!

Eny, iantrao izahay, ry Tompo ô,
iantrao fa voky eso loatra,
efa leon’ny tebaky ny tretrika,
efa tofoky ny eson’ny mpiavona!

Vakiteny faharoa

Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (2 Kôr. 12, 7-10)

Ny fahalemeko no ireharehako mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko.

Ry kristianina havana,
fandrao mirehareha noho ny halehiben’ireo fanambaràna aho,
dia nasiana tsilo tao amin’ny nofoko,
dia anjelin’i Satàna hamely tehamaina ahy, mba tsy hireharehako.
Ny amin’io dia intelo aho no nangataka tamin’ny Tompo,
mba hanalany an’io amiko, fa izao no navaliny ahy:

“Ampy ho anao ny fahasoavako,
sady amin’ny fahalemena indrindra no iamparan’ny heriko”.

Koa dia vao mainka sitrako aza ny hirehareha amin’ny fahalemeko,
mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko.
Izany no ifaliako amin’ny fahalemeko,
amin’ny fahafaham-baràka,
amin’ny fahaterena,
amin’ny fanenjehana,
amin’ny fahantrana,
noho ny amin’i Kristy,
satria ny fahalemeko no heriko.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hampahiratra ny masom-panahintsika anie Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 1-6)

Tsy misy mpaminany tsy enin-kaja afa-tsy amin’ny taniny.

Tamin’izany andro izany i Jesoa nankany amin’ny tany nahabe Azy,
ary nanaraka Azy ny mpianany.
Ary rehefa sabata ny andro,
dia nampianatra tao amin’ny sinagôga Izy,
ka be tamin’izay nihaino Azy no gaga tamin’ny fampianarany sy nanao hoe:

“Taiza no nahazoan’Izy io izany rehetra izany?
Fahendrena manao ahoana izao nomena Azy izao,
ary ahoana no ahefan’ny tanany izany asa lehibe izany?
Moa tsy io va ilay mpandrafitra, zanak’i Maria,
rahalahin’i Jakôba sy i Jôsefa ary i Joda sy i Simôna?
Moa tsy aty amintsika va ny anabaviny?”

Dia tafintohina taminy izy ireo.
Fa hoy i Jesoa taminy:

“Tsy misy mpaminany tsy enin-kaja
afa-tsy amin’ny taniny sy amin’ny fianakaviany ary amin’ny havany ihany”.

Ary tsy nahazo nanao fahagagana akory Izy teo,
fa marary vitsivitsy monja no nositraniny tamin’ny fametrahan-tanana,
ary gaga Izy noho ny tsy finoan’ireo.
Dia nitety ny vohitra manodidina Izy sy ny mpianany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...