Vakiteny voalohany

Bokin’i Amôsy Mpaminany (Amôsy 9, 11-15)

Hampodiko indray ny babo amin’ny vahoakako; ary hamboleko eo amin’ny taniny izy.

Izao no lazain’ny Tompo:
Amin’izany andro izany, ny tranobongon’i Davida efa nianjera hatsangako indray,
ny banga hotampenako, ny rava hamboariko;
ka haoriko indray ho tahaka ny tamin’ny andro taloha;
mba hananan’izy ireo izay sisa amin’i Edôma,
mbamin’ny firenena rehetra niantsoana ny Anarako,
— teny marin’ny Tompo —
izay nanao izany zavatra izany.
Indro avy ny andro,
— teny marin’ny Tompo —,
ka ny mpiasa tany hahatratra ny mpijinja;
ary ny mpanosihosy voaloboka, hahatratra ny mpanely voa famafy ;
hitete avy amin’ny tendrombohitra ny divay vaovao,
ary ny havoana rehetra hitsonika.
Hampodiko indray ny babo amin’i Israely vahoakako;
ka ny tanàna rava, haoriny sy honenany indray;
ny voaloboka hamboleny hisotroany ny divay avy aminy;
hanao tanimboly izy ireo, hihinanany ny vokany.
Hamboleko eo amin’ny taniny izy,
ka tsy hongotako intsony hiala amin’ny tany, izay efa nomeko azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 84, 9. 11-12. 13-14

Ny Tompo miteny fiadanana amin’ny olony.

Hihaino izay lazain’ny Tompo aho:
moa Izy tsy hiteny fiadanana
ho an’ny olony, ho an’ny mpivavaka aminy,
ho an’ireo mampitodika ny fo aminy?

Tafahaona ny hatsaram-po sy ny fahamarinana,
mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana:
mitrebona an-tany ny fahamarinana,
mitranga avy eny an-danitra ny rariny.

Ny Tompo manome orana amim-peo avo,
ka ny tanintsika manome ny vokany.
Ny rariny mizotra eo anoloany;
ny fiadanana, eo amin’ny soritry ny diany!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana Izy, mba ho santatry ny zava-boaariny isika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 14-17)

Moa mahazo misaona va ny olona raha mbola eo ny mpampakatra?

Tamin’izany andro izany,
nankao amin’i Jesoa ny mpianatr’i Joany ka nanao hoe:

“Nahoana izahay sy ny Farisianina no mifady hanina matetika,
fa ny mpianatrao kosa no tsy mba mifady?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampakatra
raha mbola eo aminy ny mpampakatra?
Fa mbola ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra hiala aminy,
ka amin’izay vao hifady hanina izy.
Ary tsy misy olona manampina akanjo tonta amin’ny tapa-damba vaovao,
fa handrovitra ny tonta ny vao ka hitatra ny rovitra.
Ary ny barìka hoditra tonta tsy mba fasiana divay vaovao;
fa raha izany, dia ho vaky ny barìka, ka ny divay raraka, ary ny barìka simba;
fa ny barìka hoditra vaovao no fasiana divay vaovao,
dia samy maharitra izy roroa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...