Vakiteny voalohany

Bokin’i Amôsy Mpaminany (Amôsy 8, 4-6. 9-12)

Hanirahako hanoanana amin’ny tany, tsy mba hanoanana amin’ny mofo fa faniriana te-handre ny tenin’ny Tompo.

Mihainoa izao, ianareo mihinana ny mahantra,
sy mitady hamongotra ny mavomavo amin’ny tany, izay manao hoe:

“Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana;
mba hahazoantsika mivarotra vary;
ary ny sabata mba hamohantsika ny tranom-bary,
ka ny efaha hohakelezina;
ny sikla hampitomboina;
ny mizàna hatao mandainga, hamitahana.
Dia hovidintsika vola ny fadiranovana, ary ny mahantra,
noho ny amin’ny kapa iray lomisy,
sady hivarotantsika ny vary lohakororoka?”

Amin’izany andro izany, izao no hitranga,
— teny marin’ny Tompo Andriamanitra —:
Ny masoandro halentiko mitatao vovonana;
ary ny tany hosaronako haizina amin’ny andro tony tsara.
Ny fetinareo hampodìko ho fisaonana;
ny hira fifalianareo ho fitomaniana;
ny andilanareo rehetra hosikinako lasàka, ny loha rehetra hataoko sola;
ny tany hataoko hoatra ny misaona zanakalahy tokana;
ary ny farany, ho tahaka ny andro mangidy.
Indro tamy ny andro,
— teny marin’ny Tompo Andriamanitra, —
hanirahako hanoanana amin’ny tany;
tsy mba hanoanana momba ny mofo, na hetaheta momba ny rano,
fa ny faniriana te-handre ny Tenin’ny Tompo.
Dia hirenireny hatrany amin’ny ranomasina ka hatrany amin’ny ranomasina izy ireo,
hatrany amin’ny avaratra ka hatrany amin’ny atsinanana;
hivezivezy atsý sy arý, hitady ny tenin’ny Tompo,
nefa tsy hahita izany izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 118, 2 sy 10. 20 sy 30. 40 sy 131

Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.

Sambatra izay mitandrina ny fanambaràny,
sy mitady Azy amin’ny fony tontolo.
Mitady Anao amin’ny foko tontolo aho,
koa aza avela handao ny baikonao.

Ny fanahiko torotoro
maniry ny Satanao lalandava.
Ny lalan’ny fahamarinana no nofidìko.
Ny Satanao tsy hadinoiko.

Indro manina ny lahatrao aho:
koa velomy amin’ny fahamarinanao.
Misokatra ny vavako; miemponempona aho:
ny baikonao no mahaliana ahy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 9-13)

Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody; ary ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona.

Tamin’izany andro izany, tao Kafarnaôma,
nony niala teo amin’ilay malemy nositraniny i Jesoa
dia nahita lehilahy anankiray atao hoe Matio,
nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy Izy taminy:

“Andeha hanaraka Ahy ianao.”

Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.
Ary raha nisakafo tao an-tranon’i Matio i Jesoa,
dia nisy poblikanina sy mpanota betsaka
tonga niara-nihinana tamin’Izy sy ny mpianany.
Ka nony nahita izany ny Farisianina, dia nilaza tamin’ny mpianany hoe:

“Nahoana ity Mpampianatrareo
no miara-mihinana amin’ny poblikanina sy ny mpanota?”

Fa hoy i Jesoa nandre izany:

“Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary.
Mandehana ary ianareo ka fantaro ny hevitr’izao teny izao:
Ny famindram-po no sitrako, fa tsy ny sorona;
fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 15 nôvambra 2024

  • Manohina ny fon'i Jesoa ny fangirifiriantsika Malagasy, hoy ny Hafatry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny fivorian'izy ireo...
  • Voafidy ho Filohan'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'ny Diôsezin'i Morondava...
  • Mandray anjara lehibe amin'ny fampandrosoana ny fiaraha-monina ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara, hoy i Mgr Fridolin Ambongo Besungu, Arsevekan'i Kinshasa, Filohan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...