Vakiteny voalohany

Bokin’i Amôsy Mpaminany (Amôsy 7, 10-17)

Mandehana maminany any amin’ny vahoakako.

Tamin’izany andro izany, i Amasiasa, mpisorona ao Betela,
naniraka hilaza amin’i Jerôbôama, mpanjakan’i Israely hoe:

“Mitetika ny hikomy aminao eo amin’ny taranak’i Israely i Amôsy;
tsy zakan’ny tany intsony ny teniny rehetra.
Satria izao no tenin’i Amôsy:
i Jerôbôama ho fatin’ny sabatra ary i Israely hoentin-ko babo hiala amin’ny taniny.”

Dia hoy i Amasiasa tamin’i Amôsy:

“Ry mpahita ô, mandehana mandositra any amin’ny tanin’i Jodà,
ka any ianao no mihinàna hanina; any ianao no maminania.
Fa aza maminany aty Betela intsony,
satria fitoera-masin’ny mpanjaka ny aty, ary tranom-panjakana.”

Izao no navalin’i Amôsy an’i Amasiasa:

“Tsy mba mpaminany aho na zanaky ny mpaminany;
fa mpiandry omby sy mpamboly aviavy.

Ary nalain’ny Tompo tany aorian’ny biby fiompy aho,
dia nataon’ny Tompo tamiko hoe:
Mandehana ianao, maminany any amin’i Israely vahoakako.
Koa ankehitriny, mihainoa ny tenin’ny Tompo ianao.
Hoy ianao hoe: aza maminany ny hamelezana an’i Israely;
ary aza miteny ny hamelezana ny taranak’i Isaaka!
Koa izao no lazain’ny Tompo:
Ny vadinao hovetavetaina ao an-tanàna,
ny zanakao lahy aman-janakao vavy ho lavon-tsabatra,
ny taninao hozaraina amin’ny famolaina,
ary ianao ho faty eo amin’ny tany maloto;
ary i Israely hoenti-ko babo hiala amin’ny taniny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 18, 8. 9. 10. 11

Ny Fitsaran’ny Tompo fahamarinana sy rariny avokoa.

Ny Lalàn’ny Tompo lavorary,
mamelombelona ny fanahy.
Ny Didin’ny Tompo mahatoky,
mampahendry olon-tsotra.

Ny Fitsipiky ny Tompo mahitsy,
mahafaly ny fo.
Ny Baikon’ny Tompo mazava,
manilo ny maso.

Ny tahotra ny Tompo madio,
maharitra mandrakizay.
Ny Fitsaran’ny Tompo fahamarinana,
samy rariny avokoa.

Mahatehaniry noho ny volamena,
sy ny avosam-bolamena madio;
mamy noho ny tantely,
sy ny toho-tantely mitsonika.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ry Tompo, ary fanazavana ny lalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 1-8)

Nankalaza an’Andriamanitra ny vahoaka noho Izy nanome fahefana ny olona toy izany.

Tamin’izany andro izany, niondrana tamin’ny sambo kely i Jesoa,
dia nita ka tonga tao an-tanànany.
Dia indro nisy lehilahy anankiray malemy nandry tamin’ny fandriany
nentin’ny olona teo aminy.
Nony nahita ny finoan’ireo i Jesoa, dia hoy Izy tamin’ilay malemy:

“Matokia anaka, fa voavela ny helokao.”

Tamin’izay ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna nanao anakampo hoe:

“Miteny ratsy an’Andriamanitra ilay io.”

Fa i Jesoa nahalala ny eritreriny ka nanao hoe:

“Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo?
Inona no moramora kokoa, ny manao hoe:
‘Voavela ny helokao’,
sa ny manao hoe:
‘Mitsangàna, ka mandehana?’
Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak’Olona manam-pahefana ety an-tany
hamela heloka”,

dia hoy Izy tamin’ilay malemy:

“Mitsangàna, ento ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.”

Dia nitsangana izy ka nody tany an-tranony.
Nony nahita izany ny vahoaka,
dia natahotra sy nankalaza an’Andriamanitra
noho Izy nanome ny olona fahefana toy izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...