Vakiteny voalohany

Bokin’i Amôsy Mpaminany (Amôs. 2, 6-10. 13-16)

Irìny mafy ny hahita ny vovo-tany eo an-dohan’ny olona ory.

Izao no lazain’ny Tompo:
Noho ny heloka telo nataon’i Israely sy noho ny efatra — tsy hahemotro ny didy.
Satria namidiny vola ny marina;
ary ny mahantra koa noho ny kapa iray lomisy;
satria irìny mafy ny mahita ny vovo-tany eo an-dohan’ny olona ory;
sy ataony izay hiketrahan’ny lalan’ny madinika;
satria olo-mianaka izy samy mandeha amin’ny zazavavy iray ihany
mba handotoany ny Anarako masina;
satria lamba azony tamin’ny tsatoka
no iamparany eny anilan’ny ôtely rehetra eny;
ary ny divay avy tamin’izay nosaziny lamandy
no sotroiny ao an-tranon’ny andriamaniny.
Teo anoloan’izy ireo anefa no nandringanako ny Amôreanina
izay avo be hoatra ny sedera, sy matanjaka hoatra ny oaka.
Noravako avokoa ny voany teny ambony; sy ny fakany teo ambany.
Nitondra anareo niakatra avy any amin’ny tany Ejipta anefa Aho,
sy nitari-dalana anareo, efapolo taona tany an’efitra,
mba hametrahako anareo ho tompon’ny tanin’ny Amôreanina.
Indro Aho efa hanosihosy anareo,
hoatra ny fanosihosin’ny sarety raha feno amboara.
Ka ny faingam-pandeha, tsy ho afa-mandositra
ary ny matanjaka, tsy hahita ny heriny intsony;
ary ny mahery fo, tsy hahavonjy ny ainy;
ary ny mpahay tsipìka tsy hahatohitra;
ary ny faingan-tongotra, tsy ho afa-mitsoaka;
ary ny mpitaingin-tsoavaly, tsy hahavonjy ny ainy.
Ary ny mahery fo amin’ny mahery,
handositra miboridana amin’izany andro izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 49, 16bd-17. 18-19. 20-21. 22-23

Mahafantara, ry mpanadino an’Andriamanitra!

Ahoana ianao no mitanisa ny didiko,
sy manao ny Fanekeko eo am-bava;
ianao mpankahala anatra
sy mpanipy ny teniko any ivoho.

Raha sendra mpangalatra dia miombona aminy,
sy mivarilena amin’ny mpijangajanga?...
Ny vavanao mailaka amin’ny ratsy;
ny lelanao fatra-pandrary fitaka.

Mivalaketraka ianao maneba-drahalahy,
sy manoso-potaka ny zana-dreninao?...
Izany ve no ataonao: ka dia hangina Aho!
Sa Izaho heverinao ho toa anao?
Aoka horeseko lahatra ianao
sy hamborahako azy eto imasonao!

Koa mahafantara, ry mpanadino an’Andriamanitra.
Ndrao viraviraiko tsy misy mpanafaka!
Izay misorona saotra no hasaiko:
ka hohetsahiko amin’ny vonjiko!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 18-22)

Manaraha Ahy.

Tamin’izany andro izany,
nony hitan’i Jesoa ny hamaroan’ny olona nanodidina Azy,
dia nasainy hampitaina eny an-dafin-drano Izy.
Ary nisy mpanora-dalàna anankiray nanatona nilaza taminy hoe:

“Mpampianatra ô,
hanaraka Anao aho na aiza na aiza alehanao.”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voromanidina manana akany,
fa ny Zanak’Olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany.”

Ary ny anankiray tamin’ny mpianany koa nilaza taminy hoe:

“Tompoko, avelao aho aloha handeha handevina ny raiko”;

fa hoy i Jesoa taminy:

“Manaraha Ahy,
fa avelao ny maty handevina ny maty ao aminy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...