Vakiteny voalohany

Boky faharoan’ny Mpanjaka (2 Mpanj. 25, 1-12)

Nentina ho babo lavitry ny taniny i Jodà.

Tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Sedesiasa tamin’ny volana fahafolo,
andro fahafolon’ny volana,
dia tonga hamely an’i Jerosalema i Nabokôdônôzôra mpanjakan’i Babilôna sy ny tafiny rehetra;
dia niorin-dasy teo anoloany izy, ary nanao manda fanantomorana manodidina azy.
Natao fahirano hatramin’ny taona faharaika ambin’ny folo nanjakan’i Sedesiasa ny tanàna.

Tamin’ny andro fahasivin’ny volana, nony efa mafy ny mosary tao an-tanàna,
fa tsy nisy mofo intsony ho an’ny vahoakan’ny tany, dia nobangaina ny tanàna,
dia lasa nandositra avokoa ny lehilahy mpiady,
nihazo ny lalan’ny vavahady anelanelan’ny Manda roa,
akaikin’ny zaridainan’ny mpanjaka;
ny Kaldeanina amin’izany manodidina ny tanàna eo.
Ny lalana mankamin’ny Arabah no nalehan’ny mpanjaka.
Nenjehin’ny tafiky ny Kaldeanina ny mpanjaka,
ka trany teo an-tany lemak’i Jerikao;
dia niparitaka lavitra azy ny tafiny rehetra.
Nony voasambotr’izy ireo ny mpanjaka dia nentiny niakatra ho any Reblà,
amin’ny mpanjakan’i Babilôna,
ka namoaka teny fitsarana momba azy izy ireo.
Ny zanakalahin’i Sedesiasa novonoina teo anatrehan’izy rainy.
Rahefa izany, dia nopotsirin’i Nabokôdônôzôra ny mason’i Sedesiasa
ary nafatony tamin’ny gadra varahina roa izy, dia nentiny nankany Babilôna.

Tamin’ny volana fahadimy, andro fahafiton’ny volana,
taona fahasivy ambin’ny folo nanjakan’i Nabokôdônôzôra mpanjakan’i Babilôna,
dia tonga tao Jerosalema Nabozardàna, kapitenin’ny mpiambina mpanompon’ny mpanjakan’i Babilôna.
Nodorany ny tranon’ny Tompo sy ny tranon’ny mpanjaka
mbamin’ny trano rehetra tao Jerosalema;
nodorany tamin’ny afo avokoa ny trano lehibe.
Ary noravan’ny tafiky ny Kaldeanina rehetra izay niaraka tamin’ny kapitenin’ny mpiambina,
ny manda mamaritra manodidina an’i Jerosalema.
Nentin’i Nabozardàna kapitenin’ny mpiambina avokoa ny vahoaka sisa tafajanona tao an-tanàna,
sy ny mpilefa nitolo-tena tamin’ny mpanjakan’i Babilôna,
ary ny vahoaka be sisa rehetra,
fa olo-mahantra tompon-tany vitsivitsy sisa navelan’ny kapitenin’ny mpiambina
ho mpamboly voaloboka sy ho mpiasa tany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 136, 1-2. 3. 4-5. 6

Aoka hiraikitra amin’ny lanilaniko ny lelako raha tsy mahatsiahy anao aho.

Teo amoron’ny onin’i Babilôna, nitorovoka izahay,
nitomany mafy nahatsiahy an’i Siôna!
Ny lokanganay nahantonay
tamin’ny hazomalahelo izay teny.

Dia avy ny mpamabo nangataka hira;
ny mpifaoka anay nangata-pifaliana!
Ihirao hiran’i Siôna hoe zahay.

Fa dia hataonay ahoana
no fihira ny hiran’ny Tompo atý an-tanin’olona?
Raha sanatria manadino anao aho, ry Jerosalema,
aoka ho maina ny tanako!

Aoka hiraikitra amin’ny lanilaniko ny lelako,
raha tsy mahatsiahy anao aho,
raha tsy ianao, ry Jerosalema,
no hany antom-pifaliako!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 1-4)

Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy.

Tamin’izany andro izany,
aha nidina avy tany an-tendrombohitra i Jesoa, dia narahin’ny vahoaka betsaka.
Ary indro nisy lehilahy boka anankiray nanatona,
dia nitsaoka Azy ka nanao hoe:

“Tompo ô, raha mety Ianao, dia mahay manadio ahy.”

Ary i Jesoa naninjitra ny tanany, dia nanendry azy ka nanao hoe:

“Mety Aho, madiova ianao.”

Dia afaka niaraka tamin’izay ny habokany.
Ary hoy i Jesoa taminy:

“Tandremo, aza milaza na amin’iza na amin’iza,
fa mandehana miseho amin’ny mpisorona,
ary atolory ny fanatitra didian’i Môizy haterina
mba ho vavolombelon’ny fahasitrananao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...