Vakiteny voalohany

Bokin’i Siraka (Eklesiastika 48, 1-14)

Nony voahodidin’ny tadio i Elia dia tonga feno ny fanahiny i Elisea.

Nitsangana hoatra ny afo i Elia mpaminany,
ary nirehitra hoatra ny fanilo ny teniny.
Niantso mosary hamely an’i Israely izy,
ary nahavitsy isa azy, noho ny zotom-pony.
Nanakatona ny lanitra tamin’ny tenin’ny Tompo izy,
ary nampilatsaka afo avy any intelo toy izany ihany koa.
Voninahitra lehibe manao ahoana, ry Elia, no azonao tamin’ny fahagagana nataonao,
ary zovy no afaka hihambo ho mitovy aminao?
Ianao nampitsangana ny maty anankiray hiala amin’ny fahafatesana sy amin’ny seoly,
tamin’ny tenin’ny Avo indrindra;
Ianao namarina mpanjaka ho amin’ny faharavana,
sy olo-malaza avy amin’ny fandriany ho any amin’ny fahafatesana;
ianao nandre fananarana teo ambonin’i Sinaia, sy didy famaliana tany Hôreba;
ianao nanokana mpanjaka hanao famaliana, sy mpaminany handimby anao;
ianao nofaohina tamin’ny tadio afo, sy tamin-kalesy tarihin-tsoavaly afo;
ianao voatendry ao amin’ny teny mafy an-tsoratra
ho amin’ny fotoana ho avy ho tsy maintsy hampitony ny hatezerana alohan’ny hirehetany,
hitarika ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka indray, ary hanangana ny firenen’i Israely indray.
Sambatra izay hahita anao, ka ho voahaingon’ny fitiavana an’Andriamanitra!
Fa izahay koa dia ho velona marina tokoa.
Nony voahodidin’ny tadio i Elia dia tonga feno ny fanahiny i Elisea.
Nandritra ny andro niainany tsy nisy mpanjaka nahahozongozona azy,
ary tsy nisy olona nifehy azy.
Tsy misy zavatra tsy azony natao,
ary ny vatany tafandry tao am-pasana nanao fahagagana.
Velona izy, nanao zava-mahagaga;
maty indray, nanao zava-mahatalanjona.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 96, 1-2. 3-4. 5-6. 7

Mifalia ao amin’ny Tompo, ry olo-marina.

Aoka hifaly izany tany fa manjaka izao ny Tompo,
koa samia manao korana ianareo nosy maro.
Fa ny rahona no lamba ihodidinan’ny mpanjaka.
E! ny rariny sy ny hitsiny ijoroany ao an-drova!

Eo alohany ny afo no mandevom-pahavalo.
Ka mazava izay lalovan’ireo tsela-mitsoriaka.
Fa ny tany raha mahita tsy mitsaha-mihorohoro,
tendrombohitra amin’izany dia mitsonika mikoa.

Fahamarinany no tian’izany lanitra hambara;
voninahiny tazano hita mason’ny vahoaka:
safo-kenatra avokoa izay manompo sarisary,
manantena hirehareha ka mifikitra amin’ny sampy;
ny andriamanitra rehetra miankohoka avokoa.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 7-15)

Koa mivavaha toy izao ianareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Raha mivavaka ianareo dia aza mba maro teny tahaka ny jentily,
fa ataony ho ny hamaroan’ny teniny no hihainoana azy.
Koa aza manahaka azy ianareo,
fa na mbola tsy mangataka aminy aza ianareo,
fantatry ny Rainareo izay ilainareo.
Koa mivavaha toa izao ianareo:

Rainay any an-danitra,
hohamasinina anie ny Anaranao,
ho tonga anie ny fanjakanao,
ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.
Omeo anay anio ny hanina sahaza ho anay;
avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay,
aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay,
fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amen.

Fa raha mamela ny hadisoan’ny olona ianareo,
dia havelan’ny Rainareo any an-danitra koa;
fa raha tsy mamela ny hadisoan’ny olona kosa ianareo,
dia tsy havelan’ny Rainareo koa ny hadisoanareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...