Vakiteny voalohany

Fiandohan’ny taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (2 Tim. 1, 1-3. 6-12)

Mananatra anao aho mba hamelombelona indray ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra ao anatinao, izay noraisinao tamin’ny fametrahako tanana taminao.

I Paoly, Apôstôlin’i Jesoa Kristy, noho ny sitrapon’Andriamanitra,
mba hitory ny teny fampanantenana izay ao amin’i Kristy Jesoa,
mamangy an’i Timôte, zanako malala:
ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindram-po amam-piadanana,
avy amin’Andriamanitra Ray, sy i Kristy Jesoa Tompontsika.
Misaotra an’Andriamanitra izay tompoiko amin’ny saina madio aho,
araka ny nataon’ny razako;
ary tsy mitsahatra ny mahatsiaro anao andro aman’alina amin’ny fivavahako.
Noho izany,
mananatra anao aho mba hamelombelona indray ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra ao anatinao,
izay noraisinao tamin’ny fametrahako tanana taminao.
Fa tsy fanahy osa no nomen’Andriamanitra antsika,
fa fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena.
Koa aoka ianao tsy ho menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika
sy noho ny amiko izay mpifatotra ho Azy,
fa hiara-mijaly amiko noho ny Evanjely,
miankina amin’ny herin’Andriamanitra,
izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin’ny fiantsoana masina,
tsy noho ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomeny antsika
tao amin’i Kristy Jesoa, talohan’ny taona rehetra,
sy naharihary ankehitriny tamin’ny nisehoan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika,
Ilay nanafoana ny fahafatesana, sy nanambara ny fiainana aman-tsy fahalòvana tamin’ny Evanjely.
Izany Evanjely izany, no nanendrena ahy ho mpitory sy Apôstôly ary mpampianatra ny jentily;
ary izany ihany koa no iaretako izao fijaliana ankehitriny izao;
tsy menatra amin’izany anefa aho,
fa fantatro izay ninoako ary matoky aho fa Izy no hahatahiry izay napetraka tamiko
mandra-piavin’izay andro izay.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 122, 1-2a. 2bde

Any aminao ny masoko, ry Tompo, no andraiko.

Ry Tompoko, Ianao izay mitoetra any ambony!
Ny masoko miandra mibanjina Anao.
Sahala amin’ny mason’ireo mpanompo,
miandra ny tanan’ny tompony hatrany.

Sahala amy mason’ny mpanompovavy,
miandra ny tanan’ny tompony hatrany.
Iantrao re izahay Andriamanitra Tompo,
fa vokin’ny eso, efa tofoka loatra!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava, manilo ny maso.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 18-27)

Andriamanitry ny velona Izy fa tsy Andriamanitry ny maty.

Tamin’izany andro izany, dia nanatona an’i Jesoa ny Sadoseanina
izay mandà ny fitsanganan’ny maty
ka nanontany Azy hoe:

“Ry Mpampianatra ô, izao no nosoratan’i Môizy ho antsika:
Raha misy lehilahy maty momba ka mbola velona ny vadiny,
dia aoka ny rahalahiny no hampakatra ny vadiny
mba hiteraka hamelo-maso azy.
Ary nisy olona fito mirahalahy,
ka nanam-bady aloha ny lahimatoa, dia maty momba.
Dia nanam-bady an-dravehivavy indray ny faharoa, fa maty momba koa izy;
toraka izany koa ny fahatelo.
Ary samy nanam-bady azy izy fito mirahalahy, fa maty momba avokoa.
Faran’izy rehetra dia maty koa ravehivavy.
Koa amin’ny fitsanganan’ny maty, rahefa tafatsangana izy ireo,
iza no ho vadin-dravehivavy,
fa efa samy nanam-bady azy avokoa izy fito mirahalahy?”

Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy:

“Moa tsy diso hevitra va ianareo
noho ny tsy fahafantaranareo ny Soratra Masina sy ny fahefan’Andriamanitra?
Fa rahefa tafatsangana ny maty, dia tsy hisy mpampakatra sy ampakarina intsony,
fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy.
Ary raha ny amin’ny fitsanganan’ny maty,
moa tsy mbola novakìnareo va ao amin’ny Bokin’i Môizy, amin’ilay misy ny voaroy,
izay nolazain’Andriamanitra taminy hoe:
‘Izaho no Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’i Isaaka, ary Andriamanitr’i Jakôba?’
Tsy Andriamanitry ny maty Izy, fa an’ny velona.
Koa diso lehibe loatra ianareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 jona 2024

♦ Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 aogositra 2024, ny JMJ Diôsezy ao Antsirabe andiany fahatelo... ♦ Miisa 504 ireo mpandray anjara avy amin'ny Diôsezin'Antsirabe ho any amin'ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly, hotanterahana ny volana aogositra any Antsiranana... ♦ Nanentana ny mpino, hiantoraka amin'i Kristy tsy amin-tahotra, ny Papa François tamin'ny fampianarany mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...