Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pier. 1, 18-25)

Ny nanavotana anareo dia ny Ra sarobidin’i Kristy, Ilay Zanak’ondry tsy manan-tsiny aman-kilema.

Ry kristianina havana, fantatrareo fa ny nanavotana anareo
ho afaka tamin’ny fitondran-tena adala nentim-paharazana,
dia tsy zavatra mety simba toy ny volamena na ny volafotsy,
fa ny Ra sarobidin’i Kristy, Ilay Zanak’ondry tsy manan-tsiny aman-kilema,
dia Ilay talohan’ny nahariana an’izao tontolo izao no efa voatendry,
fa tamin’izao andro farany izao vao naseho, noho ny aminareo.
Tamin’ny alalany no nahazoanareo finoana an’Andriamanitra
izay nanangana Azy ho velona, sy nanome voninahitra Azy,
ka zary fanantenana an’Andriamanitra koa ny finoanareo.
Noho ianareo efa nandio ny fonareo tamin’ny fanarahana ny fahamarinana,
sy efa nilatsa-tenany tamin’izany hanaraka ny fitiavana marina ny rahalahy,
dia mifankatiava fatratra amin’ny fo tokoa;
fa efa nateraka indray ianareo,
tsy amin’ny voa mety lò, fa amin’ny voa tsy mety lò,
dia ny tenin’Andriamanitra izay velona sy maharitra mandrakizay.
“Fa ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra,
ary ny voninahiny rehetra dia toy ny vonin’ny ahitra:
nony maina ny ahitra, dia mihintsana ny voniny;
fa ny tenin’Andriamanitra kosa dia maharitra mandrakizay.”
Ary izany no tenin’ny Evanjely izay notorìna taminareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 147, 12-13. 14-15. 19-20

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema!

Ry Jerosalema aoka ianao hiantsa,
derao Andriamanitra, ry Siôna.
Ilay manamafy ny vavahady,
miahy ireo ankizy ao anatinao.

Miantoka anao handry fehizay,
manetsaka anao mena-bary kanto.
Mandefa ny didiny ho etý an-tany,
dia teny miriotra tsy hay tohaina.

Nametraka ny hafany ho an’i Jakôba,
ny didy aman-tsatany ho an’i Israely.
Tsy misy olon-kafa nomeny izany:
ny satany manko nafeniny azy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 32-45)

Indro isika fa miakatra ho any Jerosaema, ary ny Zanak’Olona dia hatolotra.

Tamin’izany andro izany,
nony teny an-dalana ho any Jerosalema ny mpianatra, dia i Jesoa no loha lalana,
ka sady gaga ny mpianany no natahotra teny am-panarahana Azy.
Dia nalainy indray ny roa ambin’ny folo lahy ka nilazany ny hanjò Azy:

“Indro fa miakatra ho any Jerosalema isika,
ary ny Zanak’Olona dia hatolotra amin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna,
ary hohelohina ho faty ka hatolony amin’ny jentily;
dia hoesoiny, hororany, hokapohiny, ary hovonoiny,
fa hitsangana indray amin’ny andro fahatelo.”

Ary nanatona Azy i Jakôba sy i Joany zanak’i Zebede ka nanao hoe:

“Ry Mpampianatra ô,
tianay mba hataonao aminay izay hangatahanay aminao.”

Ary hoy Izy:

“Inona no tianareo hataoko aminareo?”

Dia hoy ireo:

“Aoka ny anankiray aminay mba hipetraka eo ankavananao,
ary ny anankiray eo ankavianao any amin’ny voninahitrao.”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Tsy fantatrareo izay angatahinareo;
moa mahasotro ny kapoaka izay hosotroiko va ianareo,
na mahazaka ny batemy izay hanaovana batemy Ahy?”

Hoy ireo taminy:

“Zakanay.”

Fa hoy kosa i Jesoa:

“Raha ny kapoaka hosotroiko, dia hosotroinareo ihany tokoa,
ary ny batemy hanaovana batemy Ahy dia hanaovana batemy anareo ihany koa;
fa raha ny hipetraka eo ankavanako sy ny ankaviako kosa
dia tsy ahy ny hanome izany,
fa ho an’izay nanamboarana azy ihany izany.”

Nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra tamin’i Jakôba sy i Joany;
fa nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nilazany hoe:

“Fantatrareo fa amin’ny fanjakan’izao tontolo izao,
dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy,
ary ny lehibe no miseho ho mpifehy manam-pahefana.
Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany;
fa izay te-ho lehibe indrindra no aoka ho mpanompo anareo,
ary izay te-ho ambony indrindra eo aminareo no aoka ho mpanomponareo rehetra.
Fa ny Zanak’Olona tsy mba tonga hotompoina fa mba hanompo,
ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàalana] Zoma 27 septambra 2024

♦ Hateloana andro izao no nankalazana ny fetin'i Masindahy Vincent de Paul, ho an'ny Diôsezin'i Tolagnaro, nanomboka ny 25 septambra 2024... ♦ Nandresy ny demony i Kristy ary nanome antsika ny Fanahy Masina, mba handresentsika toa azy koa. Io no hevi-dehibe nifantohan'ny Papa François nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny 25 septambra 2024... ♦ Nanentana ny hisian'ny fiaraha-miasa sy ny firaisan-kinan'ny firenena ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-46, nataony tany Luxembourg...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...