Vakiteny voalohany

Taratasy nosoratan’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 1, 1-11)

Aoka ny fandeferana homban’ny asa lavorary, mba ho lavorary sy tonga ohatra ianareo.

Fiandohan’ny Taratasy nosoratan’i Masindahy Jakôba,
mpanompon’Andriamanitra sy i Jesoa Kristy,
miarahaba ny foko roa ambin’ny folo, izay miely any rehetra any.
Raiso ho fifaliana avokoa, ry Rahalahy,
ny fizahan-toetra samihafa rehetra midona aminareo,
satria fantatrareo fa ny finoanareo dia mahatonga fandeferana.
Ary aoka ny fandeferana homban’asa lavorary,
mba ho lavorary sy tonga ohatra ianareo,
ka tsy hisy zavatra tsy hanananareo.
Raha misy tsy manam-pahendrena aminareo,
dia aoka izy hangataka izany amin’Andriamanitra,
fa homeny azy tokoa izany;
satria sady manome malalaka ho an’ny olona rehetra Izy no tsy mba mandatsa.
Aoka anefa hangataka amim-pinoana izy, fa tsy hisalasala;
fa izay misalasala dia toy ny onjan-dranomasina atopatopa amana hetsiketsehin’ny rivotra.
Ka ny olona toy izany dia aza manampo hahazo zavatra amin’ny Tompo,
fa olona miroa saina sy mivadibadika amin’izay alehany rehetra.
Aoka ny rahalahy ambany toetra hanao ny fisandratany ho reharehany;
ary ny manan-karena kosa, ny fietreny ho voninahiny,
fa hihelina toy ny vonin’ny ahitra izy.
Nony miposaka ny masoandro mahamay, dia mandazo ny ahitra,
ka mihintsana ny voniny, ary levona ny hatsaran-tarehiny rehetra:
toy izany koa ny mpanan-karena, halazo amin’izay alehany izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 118, 67-68. 71-72. 75-76

Ny indrafonao anie haninteraka hamelona ahy.

Talohan’ny nijaliako dia nivilivily aho
fa izao dia mitandrina ny Didinao!
Soa Ianao, ry Tompo, sady mpanisy soa:
ampianaro ahy ny Fitsipikao.

Soa ho ahy ny nomenao fijaliana,
mba hianarako ny Fitsipikao!
Soa ho ahy ny Lalàna avy amin’ny Vavanao:
mihoatra ny volamena sy volafotsy arivoarivo.

Fantatro, ry Tompo, fa rariny ny Fitsaranao:
ara-pahamarinana no ampahorianao ahy!
Hampionona ahy anie ny Hatsaram-ponao:
araka ny teninao tamin’ny mpanomponao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 11-13)

Ahoana no itadiavan’ity taranaka ity famantarana?

Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa ny Farisianina,
ka niady hevitra taminy sy nangataka famantarana avy any an-danitra taminy,
mba hakany fanahy Azy.
Dia nisento mafy Izy ka nanao hoe:

“Ahoana no itadiavan’ity taranaka ity famantarana?
Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana ity taranaka ity.”

Dia nilaozany izy ireo ka niondrana an-tsambo kely indray Izy nankeny ampita.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...