Vakiteny voalohany
Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 18, 9-10. 14b. 24-25a. 30 — 19, 3)
Ry zanako Absalôma, inay anie aho no maty nisolo anao!
Tamin’izany andro izany,
sendra teo anoloan’ny mpanompon’i Davida i Absalôma.
Nitaingina mole i Absalôma
ary nitsofoka tao anatin’ny rantsan’ny terebinta mikirindro ny mole,
dia voasingotry ny terebinta ny lohany,
dia tafahantona teo anelanelan’ny lanitra sy ny tany izy,
ary ny mole nitondra azy dia lasa nandroso.
Hitan’ity lehilahy anankiray izany
ka tonga izy nilaza izany tamin’i Jôaba nanao hoe:
“Indro hitako tafahantona amin’ny terebinta atsy i Absalôma.”
Dia nataony an-tanana ny lefona telo,
ka ilay mbola velona tao amin’ny hazo terebinta iny Absalôma
no notsatohany tamin’ny fony.
Nipetraka teo anelanelan’ny vavahady roa i Davida.
Ary niakatra teo ambonin’ny manda ny mpitily,
ka nanopy ny masony, dia nahatazana,
ka indro lehilahy anankiray mihazakazaka,
ka izy irery ihany.
Niantso ny mpitily nampandre ny mpanjaka.
Dia hoy ny mpanjaka:
“Mitanilà kely ary mitoera etsy àry ianao?”
Koa nitanila kely izy dia nitoetra teo.
Dia indro tonga koa ilay Kosita, ka nanao hoe:
“Aoka ny mpanjaka Tompoko hihaino zava-baovao mahafaly,
fa nomen’ny Tompo anao androany ny rariny,
ny amin’izay rehetra nitsangana hikomy aminao.”
Fa hoy ny mpanjaka tamin’ilay Kosita:
“Tsara tsy misy maninona va ny amin’ny zatovo, Absalôma?”
Ary hoy ny navalin’ilay Kosita:
“Hanahaka iny zatovo iny anie ny fahavalon’ny mpanjaka Tompoko,
mbamin’izay rehetra mitsangan-kanisy ratsy anao!”
Tera-kovitra tamin’ny fientanampony ny mpanjaka,
ka lasa niakatra tany an’efitrano ambonin’ny vavahady,
dia nitomany;
sady nandeha izy no nitanisa hoe:
“Ry Absalôma zanako!
Ry zanako ô, ry zanako Absalôma ô!
Inay anie aho no maty nisolo anao!
Ry Absalôma zanako, zanako ô!”
Nisy olona tonga nilaza tamin’i Jôaba hoe:
“Indro fa mitomany migogogogo ny mpanjaka
noho ny amin’ny zanany.”
Niova fisaonana ho an’ny vahoaka rehetra ny fandrenesana tamin’izany andro izany,
satria ren’ny vahoaka rehetra tamin’izany andro izany fa hoe:
Malahelo mafy ny amin’ny zanany ny mpanjaka.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 85, 1-2. 3-4. 5-6
Itongilano sofina aho, ry Tompo, ka valio.
Mba henoy sy valio aho, ry Tompo,
fa dia ory sy mahantra re ’ty izaho.
‘Ty sakaizanao mifikitra aminao,
mba arovy sy tsimbino lalandava.
Amindrao fo hatrany re, ry Tompo,
fa Ianao no efa antsoiko isan’andro.
‘Ty fanahiko asandratro aminao,
dia ho dibon-kafaliana re ny foko.
Tsara fo sady antra Ianao, ry Tompo.
He! tianao ireo matoky miantso Anao.
Mitalaho an-tanan-droa aho ka henoy;
’zany antso sy talahoko reneso.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 5, 21-43)
Ry zazavavy, hoy aho aminao, mitsangana.
Tamin’izany andro izany,
rahefa niondrana tamin’ny sambo kely i Jesoa ka tafita indray,
dia nitangoronan’ny vahoaka teo amoron-dranomasina Izy.
Dia avy ny anankiray amin’ny lehiben’ny sinagôga atao hoe Jaira,
ka nony nahita Azy dia niankohoka tamin’ny tongony izy,
sady nihanta mafy taminy nanao hoe:
“Marary efa ho faty ny zanako vavy,
ka andeha re mba hametra-tanana aminy Ianao,
mba ho sitrana sy ho velona izy.”
Dia nandeha niaraka taminy Izy,
ary be ny vahoaka nanaraka Azy sy nifanety taminy.
Ary nisy vehivavy anankiray nitsi-drà roa ambin’ny folo taona,
izay efa niaritra zavatra mafy betsaka tamin’ny mpanao fanafody maro
sy nandany ny fananany rehetra,
nefa tsy nihatsara velively,
fa vao mainka niharatsiratsy kokoa aza.
Nony nahare ny amin’i Jesoa izy,
dia nisisika tamin’ny vahoaka ka nanendry ny akanjony avy ao ivohony,
fa hoy izy:
“Na dia ny fitafiany ihany aza no voakasiko,
dia ho sitrana aho.”
Dia ritra niaraka tamin’izay ny loharanon’aretiny,
ka tsaroany tao amin’ny tenany fa sitrana izy.
Teo no ho eo ihany dia fantatr’i Jesoa fa nisy hery nivoaka tamin’ny tenany,
ka nitodika ny vahoaka Izy nanao hoe:
“Iza no nanendry ny fitafiako?”
Ary hoy ny mpianany taminy:
“Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao
ka Ianao manontany hoe: Iza no nanendry Ahy?”
Dia nijerijery manodidina Azy Izy hizaha ilay vehivavy izay nanao izany.
Natahotra ravehivavy sy tera-kovitra satria fantany izay tonga taminy,
ka nanatona Azy sy niankohoka teo anatrehany izy,
dia nilaza ny marina rehetra.
Ary hoy Izy taminy:
“Anaka: ny finoanao no nahavonjy anao;
mandehana amim-piadanana,
ary sitràna amin’ny aretinao.”
Raha mbola niteny i Jesoa,
dia tonga ny avy any an-tranon’ilay lehiben’ny sinagôga
ka nanao taminy hoe:
“Maty ny zanakao vavy,
ka nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?”
Fa nony nandre izany teny izany i Jesoa
dia nilaza tamin’ilay lehiben’ny sinagôga hoe:
“Aza matahotra, fa minoa fotsiny ihany.”
Ary tsy nisy navelany nanaraka Azy
afa-tsy i Piera sy i Jakôba ary i Joany rahalahin’i Jakôba.
Ary nony tonga tany an-tranon’ilay lehiben’ny sinagôga izy ireo,
dia olona nikorontana sy nitomany ary ninaonaona be ihany no hitan’i Jesoa.
Ary niditra Izy ka niteny tamin’ny olona hoe:
“Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany?
Tsy maty razazavavy, fa matory.”
Dia nihomehy Azy fatratra ny olona;
fa Izy kosa nandroaka azy rehetra,
dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin’ireo nanaraka azy
niditra tao amin’izay niamparan-drazazavavy,
ary nandray ny tanany sy nilaza taminy hoe:
“Talita, Komy, izany hoe:
Ry zazavavy, hoy Aho aminao, mitsangàna.”
Niaraka tamin’izay dia nitsangana razazavavy
ka namindra fa efa roa ambin’ny folo taona izy,
dia talanjona indrindra ny olona.
Fa norarany mafy izy ireo mba tsy hatao fantatr’olona izany,
ary nasainy nomen-kanina razazavavy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.